1[Ny amin'ny lovia fito nisy ny loza fito, izay nentin'ny anjely fito ka naidiny tamin'ny tany] Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra.
1最後的七災我看見天上有另一個景象,又大又奇。有七位天使掌管著末後的七災,因為 神的烈怒在這七災中發盡了。
2Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron'ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan'Andriamanitra. [ Na: tao amin]
2我又看見好像有一個攙雜著火的玻璃海;也看見那些勝過了獸、獸像,以及獸名的數字的人。他們都站在玻璃海上,拿著 神的琴。
3Ary mihira ny fihiran'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.
3他們唱著 神僕人摩西的歌和羊羔的歌,說:“主啊!全能的 神,你的作為又偉大又奇妙!萬國的王啊,你的道路又公義又真實!
4Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.
4主啊!誰敢不敬畏你,不榮耀你的名呢?因為只有你是神聖的,萬國都要來,在你面前下拜,因為你公義的作為已經顯明出來了。”
5Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia ny tabernakelin'ny vavolombelona tany an-danitra; [ Na: tao amin'] [ Dia ny Didy Folo]
5這些事以後,我觀看,見天上安放約櫃(“約櫃”原文作“見證的櫃”)的帳幕的聖所開了。
6ary ny anjely fito izay nanana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin'ny tempoly, ary niravaka vato soa madio sy mamirapiratra izy sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany. [ Na: (niakanjo rongony fotsy sady madio no mangatsakatsaka)]
6那掌管著末後七災的七位天使,從聖所出來,穿著清潔明亮的細麻衣,胸間束著金帶。
7Ary ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra nanome ny anjely fito lovia volamena fito, feno ny fahatezeran'Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay.Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin'ny anjely fito.
7四個活物中有一個,把盛滿了活到永永遠遠之 神的烈怒的七個金碗,交給了那七位天使。
8Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin'ny anjely fito.
8因著 神的榮耀和大能,聖所中充滿了煙,在那七位天使降完七災以前,沒有人能進入聖所。