1[Ny amin'ilay vehivavy janga (dia Babylona), izay nitaingina ny bibi-dia nivolon-jaky] Ary tonga ny anjely anankiray tamin'izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko nanao hoe: Avia atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin'ny rano maro,
1騎著獸的大淫婦拿著七碗的七位天使中,有一位來跟我講話,說:“你來,我要把那坐在眾水之上的大淫婦所要受的審判指示你。
2dia ilay nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany, sady natao leon'ny divain'ny fijangajangany ny mponina tamin'ny tany.
2地上的眾王都跟她行過淫,住在地上的人也都喝她淫亂的酒醉了。”
3Dia nentiny tamin'ny Fanahy ho any an'efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo.
3我在靈裡被天使帶到曠野去,看見一個婦人,騎著朱紅色的獸,這獸布滿了褻瀆的名號,有七頭十角。
4Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila sady nitana kapoaka volamena teny an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany;
4那婦人穿著紫色和朱紅色的衣服,佩戴著金子、寶石和珍珠的裝飾,手裡拿著金杯,盛滿了可憎的物,和她淫亂的污穢。
5ary nisy anarana voasoratra teo amin'ny handriny nanao hoe: ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE, RENIN'NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN'NY TANY.
5她額上寫著一個名號:“奧祕,大巴比倫,地上的淫婦和可憎的物之母。”
6Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon'ny ran ny olona masina sy ny ran'ny martioran'i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra.
6我又看見那婦人喝聖徒的血,和那為耶穌作見證的人的血,喝醉了。我看見了她,就大大驚奇。
7Ary hoy ilay anjely tamiko: Nahoana no gaga ianao? Izaho hilaza aminao ny zava-miafina ny amin-dravehivavy sy ny bibi-dia mitondra azy, izay manan-doha fito sy tandroka folo.
7天使對我說:“你為甚麼驚奇呢?我要把這婦人的奧祕,和馱著她的那七頭十角的獸的奧祕告訴你。
8Ny bibi-dia, ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin'ny fandringanana; ary ny monina ambonin'ny tany, dia izay tsy voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainana hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibi-dia, izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray.
8你看見的那獸,先前在、現今不在、將來要從無底坑上來,然後走向滅亡。住在世上的人,凡是名字在創世以來沒有記在生命冊上的,看見了那先前在、現今不在、將來還要出現的獸,就都要驚奇。
9Indro ny hevitra iray misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito, izay ipetrahan-dravehivavy.
9在這裡需要有智慧的心。七頭就是那婦人所坐的七座山,
10Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, ka ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely.
10也就是七位王:五位已經倒了,一位還在,另一位還沒有來到;他來的時候,必須存留一會兒。
11Ary ny bibi-dia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman'ny fito mahavalo ary ka lasa ho amin'ny fandringanana.
11那先前在、現今不在的獸,就是第八位。他也是出於那七位中的一位的,並且正在走向滅亡。
12Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin'ny bibi-dia izy.
12你看見的那十角,就是十王,他們還沒有取得王權;但要跟獸一同得著權柄,作王一個時期。
13Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an'ilay bibi-dia.
13他們同心合意,把自己的權力權柄交給那獸。
14Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.
14他們要跟羊羔作戰,羊羔必勝過他們,因為他是萬主之主,萬王之王。那些與羊羔同在、蒙召、被選、有忠心的,也必勝過他們。”
15Ary hoy izy tamiko: Ny rano ela hitanao, izay ipetrahan'ilay vehivavy janga, dia olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny.
15天使又對我說:“你所看見那淫婦坐著的眾水,就是多種民族、群眾、邦國,方言的人。
16Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka ary sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin'ny afo.
16你看見的十角和那獸,都要恨那淫婦,使她荒涼赤身,又要吃她的肉,用火把她燒掉。
17Fa Andriamanitra efa nanome fo ireo hanatanteraka ny heviny sy hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an'ilay bibi-dia mandra-pahatanteraky ny tenin'Andriamanitra.Ary ravehivavy, ilay hitanao, dia tanàna lehibe, izay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany.
17 神要眾王行他的旨意,就把意念放在他們心中,叫他們同心把自己的國獻給那獸,直到 神的話都實現為止。
18Ary ravehivavy, ilay hitanao, dia tanàna lehibe, izay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany.
18你看見的那婦人,就是有權統治地上的眾王的那座大城。”