Malagasy

聖經新譯本

Revelation

18

1[Ny amin'ny nandravana an'i Babylona, sy ny nisaonan'ny olona azy] Rehefa afaka izany, dia hitako fa indro, nisy anjely izay koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany nohazavain'ny voninahiny.
1大巴比倫傾倒這些事以後,我看見有另一位掌大權柄的天使,從天上降下來,他的榮光照亮了大地。
2Ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren'ny fanahy maloto rehetra ary akanin'ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina. [ Gr. tranomaizina]
2他用強有力的聲音呼喊說:“傾倒了!大巴比倫傾倒了!成了鬼魔的住處,各樣污靈的監獄,一切污穢可憎之雀鳥的牢籠,
3Fa tamin'ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan'ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan'ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpandranto amin'ny tany tonga mpanankarena noho ny hafatratry ny nitiavan'io ny zava-mahafinaritra ny tena. [ Na: (nisotrohan')]
3因為各國都喝她淫亂烈怒的酒醉了;地上的君王與她行淫,世上的商人因她奢華揮霍就發了財。”
4Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.
4我聽見另一個聲音從天上來,說:“出來吧!我的子民,要從那城出來,免得在她的罪上有分,受她所受的災難;
5Fa ny fahotany efa nitehika tamin'ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony.
5因為她的罪惡滔天, 神已經想起她的不義來。
6Mamalia azy araka izay nataony, ka omeo azy indroa heny toy ny nataony izy; ny kapoaka izay nofenoiny, dia fenoy indroa heny ho azy. [ Gr. noharoharoiny] [ Gr. haroharoy]
6她怎樣待人,你們也要怎樣待她;照著她所作的,加倍報應她;用她調酒的杯,加倍調給她。
7Toraka itsy niderany tena sy nivelomany tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka izany koa izy, satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho mpanjakavavy aho, fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho;
7她怎樣炫耀自己,怎樣奢華揮霍,你們也要怎樣給她痛苦悲哀。因為她心裡常常說:‘我坐著作女王,我不是寡婦,決不會看見悲哀。’
8koa noho izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon'ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.
8因此,在一日之內她的災難必然來到,就是死亡、悲哀和饑荒;她還要在火中被燒掉,因為審判她的主 神是大有能力的。
9Ary ny mpanjakan'ny tany, izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia hiteha-tratra sy hitomany ary, raha mahita ny setroky ny fandoroana azy;
9“地上的眾王,就是跟她一同行邪淫、驕奢無度的,看見焚燒她的煙的時候,就必為她痛哭捶胸。
10eny, hijanona eny lavitra eny izy noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Babylona, izay tanàna lehibe! ry ilay tanàna mafy! fa tamin'ny ora izay monja dia tonga ny fitsarana anao.
10他們因為害怕她所受的痛苦,就遠遠地站著,說:‘有禍了!有禍了!這大城,巴比倫,這堅固的城啊!一時之間你的審判就來到了!’
11Ary ny mpandranto amin'ny tany dia hitomany sy hisaona azy; fa tsy hisy mpividy intsony ny entany:
11“地上的商人也為她悲哀痛哭,因為沒有人再買他們的貨物:
12dia entana volamena sy volafotsy sy vato soa sy perila sy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy landy sy jaky sy hazo mani-pofona, sy ny fanaka ivory rehetra mbamin'ny fanaka rehetra amin'ny hazo saro-bidy indrindra sy varahina sy vy ary vato sanga,
12就是金、銀、寶石、珍珠;細麻布、紫色布、絲綢、朱紅色布;各樣香木,各樣象牙製品,各樣極貴重的木器、銅器、鐵器、大理石製品;
13sy havozomamy sy zavatra mani-pofona sy ditin-kazo sy menaka manitra sy ditin-kazo mani-pofona, sy divay sy diloilo sy lafarina tsara toto sy vary tritika sy omby sy ondry sy soavaly sy kalesy ary tena sy ain'olona. [ Gr. amoma] [ lebona: izahao Eks. xxx. 34]
13肉桂、荳蔻、香料、香膏、乳香;酒、油、麵粉、麥子;牛、羊、馬、車、奴僕、人口。
14Ary ny vokatra soa nirin'ny fanahinao dia efa niala taminao, ary ny zava-tsoa rehetra sy ny zava-malaza rehetra dia efa levona tsy ho anao, ary tsy ho hita intsony mandrakizay ireo. [ Na: voan-kazo]
14你所貪戀的果子離開你了!一切珍饈美味、華麗的美物,都從你那裡消失,再也找不到了!
15Ny mpandranto izany zavatra izany, izay efa tonga mpanankarena taminy, dia hijanona eny lavitra eny noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hitomany sy hisaona
15販賣這些貨物,藉著她發了財的商人,因為害怕她受的痛苦,就遠遠地站著,痛哭悲哀,
16ary hanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nitafy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila!
16說:‘有禍了!有禍了!這大城啊!就是一向穿著細麻布、紫色、朱紅色的衣服,佩戴著金子、寶石和珍珠裝飾的,
17Fa tamin'ny ora iray monja no nahafoana ny harena be toy izany. Ary ny mpitondra sambo rehetra sy izay rehetra mandeha eny ambonin'ny ranomasina sy ny matilo ary izay rehetra manao raharaha any an-dranomasina dia nijanona teny lavitra eny,
17一時之間,這麼大的財富竟蕩然無存!’“所有船長、旅客、水手,以及凡是靠海謀生的,都遠遠地站著。
18ary raha nahita ny setroky ny fandoroana ary, dia niantso nanao hoe: Aiza intsony re no misy tahaka izany tanàna lehibe izany?
18他們看見了焚燒她的煙,就喊叫說:‘有哪一座城能與這大城相比呢?’
19Ary nanopy vovoka hiraraka tamin'ny lohany izy, dia niantso sady nitomany sy nisaona ka nanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nampanan-karena izay rehetra manan-tsambo eny amin'ny ranomasina noho ny zava-tsaro-bidy tao aminy; fa tamin'ny ora iray monja no nahafoana izany.
19他們又把塵土撒在自己頭上,痛哭悲哀,喊著說:‘有禍了!有禍了!這大城啊!凡是有船航行海上的,都因這城的財寶發了財;一時之間她竟成了荒場!’
20Mifalia noho izay zavatra nanjo azy ianao. ry lanitra, sy ianareo olona masina sy ianareo Apostoly, ary ianareo mpaminany; fa Andriamanitra efa nitsara azy ka namaly azy noho ny taminareo.
20天哪,你要因她歡喜!眾聖徒、眾使徒、眾先知啊,你們也要因她歡喜!因為 神已經在她身上為你們伸了冤。”
21Ary nisy anjely mahery anankiray nibata vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, dia nanipy izany tany an-dranomasina ka nanao hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an'i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy.
21有一位大力的天使,把一塊好像大磨石一樣的石頭,舉起來拋在海裡,說:“巴比倫大城也必這樣被猛力地拋下去,決不能再找到了!
22Ary ny feon'ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka mozika sy ny mpitsoka sodina ary ny mpitsoka trompetra dia tsy ho re eo aminao intsony; ary ny mpiasa rehetra mahay zavatra na inona na inona tsy ho hita eo aminao intsony; ary ny feon'ny vato fikosoham-bary tsy ho re eo aminao intsony;
22彈琴、奏樂、吹笛、吹號的聲音,在你中間決不能再聽到了!各樣手藝技工,在你中間決不能再找到了!推磨的聲音,在你中間決不能再聽到了!
23ary ny fahazavan'ny jiro tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary ny feon'ny mpampakatra sy ny ampakarina tsy ho re eo aminao intsony; fa lehiben'ny tany ny mpandrantonao; fa ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra.Ary teo anatiny no nahitana ny ran'ny mpaminany sy ny olona masina sy itsy rehetra novonoina teny ambonin'ny tany.
23燈的亮光,在你中間決不能再照耀了!新郎新娘的聲音,在你中間決不能再聽到了!你的商人一向都是地上的大人物,萬國都因你的邪術受了迷惑。
24Ary teo anatiny no nahitana ny ran'ny mpaminany sy ny olona masina sy itsy rehetra novonoina teny ambonin'ny tany.
24先知、聖徒和地上一切被殺的人的血,都在這城裡找到了!”