Malagasy

聖經新譯本

Revelation

2

1[Ny Epistily ho an'ny fiangonana fito tany Asia] [Efesosy] Soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Efesosy. Izao no lazain'ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito: [ Gr. eklesia]
1給以弗所教會的信“你要寫信給在以弗所教會的使者,說:‘那右手拿著七星,在七個金燈臺中間行走的,這樣說:
2Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy;
2我知道你的行為、你的勞苦、你的忍耐,也知道你不能容忍惡人。你也曾經試驗那些自稱是使徒,而其實不是使徒的人,看出他們是假的。
3ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.
3你有忍耐,曾為我的名的緣故忍受一切,並不困倦。
4Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany ianao.
4然而有一件事我要責備你,就是你已經離棄了你起初的愛。
5Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin'ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao.
5所以,你應當回想你是從哪裡墜落的,並且要悔改,作起初所作的事。你若不悔改,我就要來到你那裡,把你的燈臺從原處移去。
6Kanefa izao no toetranao: halanao ny asan'ny Nikolaita, izay halako koa. [ Gr. anananao]
6不過你有這一個優點,就是你恨惡尼哥拉黨的作為,那也是我所恨惡的。
7Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra. [ Gr. eklesia]
7聖靈向眾教會所說的話,有耳的就應當聽。得勝的,我必定把 神樂園裡生命樹的果子賜給他吃。’
8[Smyrna] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Smyrna: Izao no lazain'ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray: [ Gr. eklesia]
8給士每拿教會的信“你要寫信給在士每拿教會的使者,說:‘那首先的、末後的、曾經死去而又活過來的,這樣說:
9Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana. [ Gr. blasfemia; izahao Mat. 9, 3)
9我知道你的患難和貧窮,但你卻是富足的。我也知道那些自稱是猶太人所說毀謗的話,其實他們不是猶太人,而是撒但的黨徒。
10Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana.
10你不要怕你將要受的苦。看哪!魔鬼將要把你們中間幾個人下在監裡,叫你們受試煉,你們要受患難十天。你要忠心至死,我就把那生命的冠冕賜給你。
11Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. Izay maharesy dia tsy hosimban'ny fahafatesana faharoa. [ Gr. eklesia]
11聖靈向眾教會所說的話,有耳的就應當聽。得勝的,決不會受第二次死的害。’
12[Pergamosy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Pergamosy: Izao no lazain'ilay manana ny sabatra roa lela maranitra: [ Gr. eklesia]
12給別迦摩教會的信“你要寫信給在別迦摩教會的使者,說:‘那有一把兩刃利劍的,這樣說:
13Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny itoeran'ny seza fiandrianan'i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin'ny andron'i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin'izay onenan'i Satana.
13我知道你居住的地方,就是撒但王座所在的地方。當我忠心的見證人安提帕在你們那裡,就是在撒但居住的地方被殺的那些日子,你還持守我的名,沒有否認對我的信仰。
14Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'i Balama, ilay nanome fo an'i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan'ny Zanak'isiraely, hihinana hena naterina tamin'ny sampy sy hijangajanga.
14然而有幾件事我要責備你,因為在你那裡有些人持守巴蘭的教訓。這巴蘭曾經教導巴勒把絆腳石放在以色列人面前,叫他們吃祭過偶像的食物,並且行淫亂。
15Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'ny Nikolaita tahaka ny an'ireny.
15同樣,你也有些人持守尼哥拉黨的教訓。
16Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako.
16所以,你應當悔改;如果不悔改,我就很快地來到你們那裡,用我口中的劍跟他們作戰。
17Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany. [ Gr. eklesia]
17聖靈向眾教會所說的話,有耳的就應當聽。得勝的,我必定把那隱藏的嗎哪賜給他,並且賜他一塊白石,石上寫著新的名字,這名字除了那領受的人以外,是沒有人能知道的。’
18[Tyatira] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Tyatira: Izao no lazain'ny Zanak'Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano: [ Gr. eklesia]
18給推雅推拉教會的信“你要寫信給在推雅推拉教會的使者,說:‘ 神的兒子,那眼睛像火燄、兩腳像光銅的,這樣說:
19Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.
19我知道你的行為,你的愛心、信心、服侍和忍耐,也知道你後來所作的比先前的還要多。
20Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin'ny sampy.
20然而有一件事我要責備你,就是你容讓那自稱是先知的婦人耶洗別,教導和引誘我的眾僕人行淫亂,吃祭過偶像的食物。
21Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy.
21我曾給她時間,讓她悔改,她卻不肯為她的淫行悔改。
22Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy.
22看哪,我要把她拋在大患難的床上;那些跟她行淫亂的人,如果不為她的行為悔改,我也要把他們拋在大患難中。
23Ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra. [ Gr. eklesia]
23我必以死亡擊殺她的兒女;眾教會就都知道我是察驗人肺腑心腸的,我要照著你們的行為報應你們各人。
24Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe "sain-dalin'i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo;
24至於你們其餘在推雅推拉的人,就是不跟從那教訓,不認識所謂撒但深奧的事的人,我告訴你們,我不會把別的重擔放在你們身上。
25kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko.
25不過,你們要持守已經得著的,直到我來。
26Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa;
26得勝的,又遵守我的旨意到底的,我必把統治列國的權柄賜給他,
27ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko.
27他必用鐵杖治理他們,好像打碎陶器一樣粉碎他們,(“我必把……粉碎他們”引自詩2:8~9)
28Ary homeko azy ny kintana fitarika andro.Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. [ Gr. eklesia]
28好像我從父領受了權柄一樣;我還要把晨星賜給他。
29Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. [ Gr. eklesia]
29聖靈向眾教會所說的話,有耳的就應當聽。’”