Malagasy

聖經新譯本

Revelation

20

1[Ny amin'ny namatorana an'i Satana, sy ny amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona] Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany;
1捆綁撒但一千年我又看見一位天使從天上降下來,手裡拿著無底坑的鑰匙和一條大鎖鍊。
2dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona,
2他捉住了那龍,那古蛇,就是魔鬼,撒但,把牠捆綁了一千年。
3dia nanipy ary ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy.
3天使把牠拋在無底坑裡,關起來,封上印,使牠不能再迷惑列國,等到那一千年完了。以後,必須暫時釋放牠。
4Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona.
4我又看見一些寶座,有人坐在上面,他們得了審判的權柄。我也看見那些因為替耶穌作見證,並且因為 神的道而被斬首的人的靈魂。他們沒有拜過獸或獸像,也沒有在額上或手上受過獸的記號。他們都復活了,與基督一同作王一千年。
5Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.
5其餘的死人還沒有復活,等到那一千年完了。這是頭一次的復活。
6Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
6在頭一次復活有分的人是有福的、聖潔的,第二次的死沒有能力轄制他們。他們還要作 神和基督的祭司,與他一同作王一千年。
7Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny tranomaizina nitoerany
7撒但的失敗那一千年完了,撒但就要從監牢裡被釋放出來。
8ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona ary ho any amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany.
8他要出來迷惑地上四方的列國,就是高革和瑪高革,使他們聚集爭戰。他們的人數好像海邊的沙那麼多。
9Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin'ny olona masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy. [ Na: (afo avy amin'Andriamanitra)]
9他們上來遍滿了全地,圍住了聖徒的營和那蒙愛的城,就有火從天上降下來,毀滅了他們。
10Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo.
10那迷惑他們的魔鬼,被拋在硫磺的火湖裡,就是獸和假先知所在的地方。他們必晝夜受痛苦,直到永永遠遠。
11Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony.
11白色大寶座的審判我又看見一個白色的大寶座,和坐在上面的那位。天地都從他面前逃避,再也看不見了。
12Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany.
12我又看見死了的人,無論大小,都站在寶座前。案卷都展開了,還有另一卷,就是生命冊,也展開了。死了的人都憑著這些案卷所記載的,照著他們所行的受審判。
13Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [ Gr. Hadesy]
13於是海把其中的死人交出來,死亡和陰間也把其中的死人交出來,他們都照著各人所行的受審判。
14Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [ Gr. Hadesy]Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.
14死亡和陰間也被拋在火湖裡。這火湖就是第二次的死。
15Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.
15凡是名字沒有記在生命冊上的,他就被拋在火湖裡。