1[Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.
1新天新地我又看見一個新天新地,因為先前的天地都過去了,海也再沒有了。
2Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny.
2我又看見聖城,新耶路撒冷,從天上由 神那裡降下來,預備好了,好像打扮整齊等候丈夫的新娘。
3Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [ Gr. hitoetra an-day]
3我聽見有大聲音從寶座那裡發出來,說:“看哪! 神的帳幕在人間,他要與人同住,他們要作他的子民。 神要親自與他們同在,要作他們的 神。
4Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
4他要抹去他們的一切眼淚,不再有死亡,也不再有悲哀、哭號、痛苦,因為先前的事都過去了。”
5Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.
5坐在寶座上的那一位說:“看哪,我把一切都更新了!”又說:“你要寫下來,因為這些話是可信的、真實的。”
6Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin'ny loharanon'ny ranon'aina ho an'izay mangetaheta.
6他又對我說:“成了!我是阿拉法,是俄梅格;我是創始的,也是成終的。我要把生命的泉水,白白賜給口渴的人喝。
7Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako.
7得勝的,必要承受這些福分。我要作他的 神,他要作我的兒子。
8Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.
8只是那些膽怯的、不信的、可憎的、殺人的、淫亂的、行邪術的、拜偶像的和所有說謊的人,他們的分是在燒著硫磺的火湖裡。這就是第二次的死。”
9Ary tonga ny anankiray tamin'ny anjely fito izay nanana ny lovia fito, dia ireo nitondra ny loza fito farany ka nanao tamiko hoe: Avia etỳ, dia hasehoko anao ny ampakarina, vadin'ny Zanak'ondry. [ Gr. feno]
9新耶路撒冷拿著七個盛滿著末後七災的碗的七位天使中,有一位走來對我說:“你來!我要把新娘,就是羊羔的妻子,指示你。”
10Ary nitondra ahy tamin'ny Fanahy ho any an-tendrombohitra sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema, midina avy tamin'Andriamanitra any an-danitra,
10我在靈裡被那天使帶到一座高大的山上,他把從天上由 神那裡降下來的聖城耶路撒冷指示我。
11sady manana ny voninahitr'Andriamanitra izy; ny famirapirany dia tahaka ny vato soa indrindra, dia tahaka ny vato jaspy, manganohano toy ny vato krystaly;
11這城有 神的榮耀,城的光輝好像極貴的寶石,又像晶瑩的碧玉。
12ary manana mànda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin'ny folo izy, ary eo amin'ny vavahady dia misy anjely roa ambin'ny folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an'ny firenena roa ambin'ny folo amin'ny Zanak'isiraely;
12有高大的城牆,有十二個門,門口有十二位天使,門上寫著以色列十二支派的名字。
13eo atsinanana vavahady telo; eo avaratra vavahady telo; eo atsimo vavahady telo; eo andrefana vavahady telo.
13東邊有三個門,南邊有三個門,西邊有三個門,北邊有三個門。
14Ary ny màndan'ny tanàna dia misy fanorenana roa ambin'ny folo, ary misy anarana roa ambin'ny folo koa eo, dia ny an ny Apostoly roa ambin'ny folon'ny Zanak'ondry.
14城牆有十二座根基,根基上有羊羔的十二使徒的名字。
15Ary ilay niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny màndany.
15那對我說話的天使拿著一根金的蘆葦,要量那城、城門和城牆。
16Ary ny tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny lavany sy ny sakany; ary nandrefy ny tanàna tamin'ny volotara izy, ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny hahavony.
16城是四方的,長寬都一樣。天使用蘆葦量那城,共有二千四百公里(“二千四百公里”原文作“一萬二千司他町”),城的長、寬、高都一樣;
17Ary nandrefy ny màndany izy, ka efatra amby efa-polo amby zato hakiho, araka ny refin'ny olona, dia ny an'ny anjely.
17又量了城牆,約有六十公尺(“六十公尺”原文作“一百四十四肘”)。天使用的標準,就是人量度的標準。
18Ary ny màndany dia vato jaspy; ary ny tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra madio.
18城牆是用碧玉做的,城是用明淨像玻璃的純金做的。
19Ary ny fanorenan'ny màndan'ny tanàna dia voaravaka vato soa samy hafa rehetra. Ny fanorenana voalohany jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda,
19城牆的根基是用各樣寶石裝飾的:第一座根基是碧玉,第二座是藍寶石,第三座是瑪瑙,第四座是綠寶石,
20ny fahadimy sardonyksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny faharaika ambin'ny folo hyakinta, ny faharoa ambin'ny folo ametysta.
20第五座是紅瑪瑙,第六座是紅寶石,第七座是黃璧璽,第八座是水蒼玉,第九座是紅璧璽,第十座是翡翠,第十一座是紫瑪瑙,第十二座是紫晶。
21Ary ny vavahady roa ambin'ny folo dia perila roa ambin'ny folo; perila iray avy ny isam-bavahady; ary ny lalambe teo an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano.
21十二個門是十二顆珍珠,每一個門是用一顆珍珠做的。城裡的街道是純金的,好像透明的玻璃。
22Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak'ondry no tempoliny.
22我沒有看見城裡有聖所,因為主全能的 神和羊羔就是城的聖所。
23Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr'Andriamanitra no nanazava ary, ary ny Zanak'ondry no fanazavana azy. [ Gr. jirony]
23這城不需要日月照明,因為有 神的榮耀照明,而羊羔就是城的燈。
24Ary ny firenena maro no handeha amin'ny fahazavany; ary ny mpanjakan'ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny.
24列國要藉著城的光行走,地上的眾王要把他們的榮華帶到這城來。
25Ary ny vavahadiny tsy harindrina akory amin'ny andro (fa tsy mba hisy alina ao).
25城門白天決不關閉。在那裡並沒有黑夜。
26Ary ny voninahitra sy ny hajan'ny firenena maro dia ho entina ao anatiny.Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany.
26列國的榮華尊貴都被帶到這城。
27Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany.
27所有不潔淨的、行可憎的和說謊的,決不可以進入這城。只有名字記在羊羔生命冊上的才可以進去。