1Ary izy naneho ahy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry
1天使又指示我一道明亮如水晶的生命水的河流,從 神和羊羔的寶座那裡流出來,
2teo afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.
2經過城裡的街道。河的兩邊有生命樹,結十二次果子,每月都結果子;樹葉可以醫治列國。
3Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy
3所有咒詛都不再有了。城裡有 神和羊羔的寶座,他的僕人都要事奉他,
4ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny.
4也要見他的面。他的名字必寫在他們的額上。
5Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.
5不再有黑夜了,他們也不需要燈光或日光了,因為主 神要光照他們。他們要作王,直到永永遠遠。
6[Teny farany] Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin'ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.
6耶穌再來天使對我說:“這些話是可信的、真實的!主,就是眾先知之靈的 神,差遣了他的天使,把那快要發生的事,指示他的僕人。”
7Ary, Indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity.
7“看哪!我必快來!那遵守這書上預言的人是有福的!”
8Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan'ny tongotr'ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.
8聽見又看見了這些事的,就是我約翰。我聽見又看見了之後,就俯伏在指示我這些事的天使腳前要拜他。
9Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin'ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.
9他對我說:“千萬不可以這樣!我和你,以及你的弟兄眾先知,還有那些遵守這書上的話的人,都是同作僕人的。你應當敬拜 神。”
10Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity, fa antomotra ny andro.
10他又對我說:“不要封住這書上的預言,因為時候近了。
11Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy.
11不義的,要他仍舊不義;污穢的,要他仍舊污穢;行義的,要他仍舊行義;聖潔的,要他仍舊聖潔。”
12Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.
12“看哪,我必快來!賞賜在我,我要照著各人所行的報應他。
13Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.
13我是阿拉法,是俄梅格;我是首先的,也是末後的;我是創始的,也是成終的。”
14Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina sy hidirany amin'ny vavahady ho ao an-tanàna.
14那些洗淨自己袍子的人是有福的!他們可以有權到生命樹那裡,也可以從門進到城裡。
15Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.
15在城外,有那些狗,那些行邪術的、淫亂的、殺人的、拜偶像的,以及所有喜愛說謊的和實行說謊的人。
16Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an'ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak'i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.
16“差遣了我的使者、為眾教會向你們證明這些事的,就是我耶穌。我是大衛的根,又是他的後裔,我是明亮的晨星。”
17Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina.
17聖靈和新娘都說:“來!”聽見的人也要說:“來!”口渴的人也要來!願意的人都要白白接受生命的水!
18Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy;
18我警告所有聽見這書上預言的人:如果有人在這些預言上加添甚麼, 神必把寫在這書上的災難加在他身上。
19ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity.
19如果有人從這書上的預言刪減甚麼, 神必從這書上所記的生命樹和聖城刪去他的分。
20Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo!Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy Tompo. Amena. [ Na: (Jesosy Kristy)]
20證明這些事的那一位說:“是的,我必快來!”阿們!主耶穌啊,請你來吧!
21Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy Tompo. Amena. [ Na: (Jesosy Kristy)]
21願主耶穌的恩惠與所有的聖徒同在!阿們!