Malagasy

聖經新譯本

Romans

16

1[Famangiana sy teny farany] Indry, Foiby anabavintsika, diakon'ny fiangonana atỳ Kenkrea, lazaiko tsara aminareo,
1推薦非比我向你們推薦我們的姊妹非比;她是堅革里教會的執事。
2mba horaisinareo ao amin'ny Tompo izy, toy izay miendrika ny olona masina, ary mba hampianareo izy amin'izay raharaha ilany anareo; fa izy dia mpiahy ny maro mbamin'ny tenako koa.
2請你們在主裡用合乎聖徒身分的態度去接待她。無論她在甚麼事上有需要,請你們都幫助她;因為她曾經幫助許多人,也幫助了我。
3Veloma amin'i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin'i Kristy Jesosy;
3保羅問候眾聖徒問候在基督耶穌裡與我同工的百基拉和亞居拉;
4izy mivady dia nanolotra ny tendany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin'ny jentilisa koa.
4他們為了我的性命,置生死於度外,不但我感激他們,連外族的眾教會也感激他們。
5Ary veloma amin'ny fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin'i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr'i Asia ho an'i Kristy.
5也問候他們家裡的教會。問候我親愛的以拜尼妥,他是亞西亞省第一個歸入基督的人。
6Veloma amin'i Maria, izay nikely aina fatratra ho anareo.
6問候馬利亞,她為你們多多勞苦。
7Veloma amin'i Androniko sy Jonia, havako sy namako niara-nifatotra tamiko, izay malaza eo amin'ny Apostoly sady tao amin'i Kristy talohako.
7問候曾經與我一同被囚的親族安多尼古和猶尼亞;他們在使徒中是有名望的,也比我先在基督裡。
8Veloma amin'i Ampliato, malalako ao amin'ny Tompo.
8問候在主裡我親愛的暗伯利。
9Veloma amin'i Orbano, mpiara-miasa aminay ao amin'i Kristy, sy Staky malalako.
9問候在基督裡與我們同工的珥巴努和我親愛的士達古。
10Veloma amin'i Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin'i Kristy. Veloma amin'ny ankohonan'i Aristobolo.
10問候在基督裡蒙稱許的亞比利。問候亞里斯多博家裡的人。
11Veloma amin'i Herodiona havako. Veloma amin'ny ankohonan'i Narkisa, izay ao amin'ny Tompo.
11問候我的親族希羅天。問候拿其舒家中在主裡的人。
12Veloma amin'i Tryfena sy Tryfosa, izay mikely aina ao amin'ny Tompo. Veloma amin'i Perysa malala, izay nikely aina fatratra ao amin'ny Tompo.
12問候在主裡勞苦的土非拿和土富撒。問候親愛的彼息;她在主裡多多勞苦。
13Veloma amin'i Rofosy, ilay voafidy ao amin'ny Tompo, ary amin'ny reniny sy reniko.
13問候在主裡蒙揀選的魯孚和他的母親;她也是我在主裡的母親。
14Veloma amin'i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, mbamin'ny rahalahy ao aminy.
14問候亞遜其都、弗勒干、赫米、百羅巴、赫馬,以及和他們在一起的弟兄們。
15Veloma amin'i Filologo sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olympa ary ny olona masina rehetra izay ao aminy.
15問候非羅羅哥和猶利亞,尼利亞與他的姊妹和阿林巴,以及同他們在一起的眾聖徒。
16Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. Ny fiangonana rehetra an'i Kristy manao veloma anareo.
16你們要用聖潔的親嘴彼此問安。基督的眾教會都問候你們。
17Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin'izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin'ireny olona ireny.
17提防背道的人弟兄們,我勸你們要提防那些離間你們、絆倒你們、使你們違反你們所學的教義的人。你們也要避開他們,
18Fa izy ireny tsy mba manompo an'i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon'ny tsy ary saina.
18因為這樣的人不服事我們的主基督,只服事自己的肚腹,用花言巧語欺騙老實人的心。
19Fa efa niely any amin'ny olona rehetra ny lazan'ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin'izay tsara ianareo, ary tsy hiharo amin'izay ratsy.
19你們的順服已經名聞各處,所以我為你們高興。我願你們在善事上有智慧,在惡事上毫不沾染。
20Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an'i Satana faingana eo ambanin'ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
20賜平安的 神快要把撒但踐踏在你們腳下。願我們主耶穌的恩惠與你們同在。
21Manao veloma anareo Timoty, mpiara-miasa amiko, sy Losio sy Jasona ary Sosipatro havako.
21問安和頌讚我的同工提摩太和我的親族路求、耶遜和所西巴德都問候你們。
22Izaho, Tertio, izay manoratra ity epistily ity, manao veloma anareo ao amin'ny Tompo.
22(我──代筆寫這封信的德圖──也在主裡問候你們。)
23Gaio, ilay itoeranay sy ny fiangonana rehetra, manao veloma anareo. Erasto, mpitahiry ny volam-panjakana ato an-tanàna, sy Koarto rahalahy manao veloma anareo.
23那接待我也接待全教會的該猶,問候你們。本城的司庫以拉都和夸圖弟兄問候你們。
24[ Ampio hoe: [24 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika Amena]
24(有些抄本有第24節:“願我們主耶穌基督的恩惠,與你們眾人同在。阿們。”)
25Ary ho an'izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an'i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola,
25 神能依照我所傳的福音和耶穌基督所傳的信息,照著他奧祕的啟示,堅定你們。
26fa efa naseho ankehitriny tamin'izay soratry ny mpaminany, araka ny didin'Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin'ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana,ho an'Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena.
26這奧祕自古以來祕而不宣,但現在藉著眾先知所寫的,照著永恆的 神的諭旨,已經向萬國顯明出來,使他們相信而順服。
27ho an'Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena.
27願榮耀藉著耶穌基督,歸給獨一全智的 神,直到永遠。阿們。