Malagasy

聖經新譯本

Romans

9

1[Ny amin'ny nandavan'Andriamanitra ny Jiosy] Milaza ny marina ao amin'i Kristy aho, fa tsy mandainga, sady miara-milaza amiko ao amin'ny Fanahy Masina koa ny fieritreretako,
1 神揀選以色列人我在基督裡說的是實話,並沒有撒謊,因為我的良心在聖靈裡一同為我作證;
2fa mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian'ny foko.
2我大大憂愁,心裡常常傷痛。
3Fa efa saiky niriko aza ho voaozona ho afaka tamin'i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny rahalahiko, havako araka ny nofo, [ Gr. anatema]
3為我的同胞,就是我骨肉之親,就算自己受咒詛,與基督隔絕,我也甘心。
4izay Isiraelita sady manana ny fananganan'anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana;
4他們是以色列人:嗣子的名分、榮耀、眾約、律法、敬拜的禮儀和各樣的應許,都是他們的。
5azy koa ny razana, sady avy taminy araka ny nofo Kristy, Izay ambonin'izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amena. [ Na: Avy taminy araky ny nofo Kristy. Isaorana mandrakizay anie Andriamanitra, Izay ambonin'izy rehetra]
5蒙揀選的列祖也是他們的祖宗;按肉身來說,基督也是出自他們這一族。其實,他是在萬有之上,永遠受稱頌的 神。阿們。
6Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin'Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin'ny Isiraely no Isiraely.
6當然,這不是說 神的話落了空,因為出自以色列的,不都是以色列人;
7Ary na dia taranak'i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin'isaka no hantsoina izay taranaka ho anao (Gen. 21. 12).
7也不因為他們是亞伯拉罕的後裔,就都成為他的兒女,只有“以撒生的,才可以稱為你的後裔”,
8Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
8這就是說,肉身生的兒女並不是 神的兒女,只有憑著應許生的兒女才算是後裔。
9Fa izao no filàzan'ny teny fikasana: Raha avy ny taona toy izao, dia ho avy Aho, ary hanana zazalahy Saraha (Gen. 18. 10).
9因為所應許的話是這樣:“明年這個時候我要來,撒拉必定生一個兒子。”
10Ary tsy izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan'anaka tamin'ny anankiray, dia tamin'isaka razantsika;
10不但如此,利百加也是這樣:既然從一個人,就是從我們的祖宗以撒懷了孕,
11fa raha tsy mbola teraka ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy (mba hitoeran'ny fikasan'Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin'ny asa, fa avy amin'izay miantso),
11雙生子還沒有生下來,善惡也沒有行出來(為要堅定 神揀選人的旨意,
12dia nolazaina tamin-dravehivavy hoe: Ny zokiny hanompo ny zandriny (Gen. 25. 23);
12不是由於行為,而是由於那呼召者), 神就對她說:“將來大的要服事小的。”
13araka ny voasoratra hoe: Jakoba no tiako, fa Esao no halako (Mal. 1. 2, 3).
13正如經上所記的:“我愛雅各,卻惡以掃。”
14Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin'Andriamanitra? Sanatria izany!
14既是這樣,我們可以說甚麼呢? 神不公平嗎?絕對不會!
15Fa hoy Izy tamin'i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo (Eks. 33. 19).
15因為他對摩西說:“我要憐憫誰,就憐憫誰;我要恩待誰,就恩待誰。”
16Koa dia tsy avy amin'izay maniry na amin'izay mihazakazaka izany, fa avy amin'Andriamanitra Izay miantra.
16這樣看來,既不是出於人意,也不是由於人為,只在於那憐憫人的 神。
17Fa hoy ny Soratra Masina tamin'i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin'ny tany rehetra (Eks. 9. 16).
17經上有話對法老說:“我把你興起來,是要藉著你顯出我的大能,並且使我的名傳遍全地。”
18Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo no hamafiny fo.
18這樣看來,他願意憐憫誰就憐憫誰,願意誰剛硬就使誰剛硬。
19Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony?
19 神顯出忿怒又施行憐憫這樣,你會對我說:“那麼他為甚麼責怪人呢?有誰抗拒他的旨意呢?”
20Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an'Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin'izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao?
20你這個人哪,你是誰,竟敢跟 神頂嘴呢?被造的怎麼可以對造他的說:“你為甚麼把我做成這個樣子呢?”
21Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona?
21陶匠難道沒有權用同一團的泥,又做貴重的、又做卑賤的器皿嗎?
22Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin'izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana,
22如果 神有意要顯明他的忿怒,彰顯他的大能,而多多容忍那可怒、預備遭毀滅的器皿,
23mba hampahafantarina koa ny haren'ny voninahiny amin'izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra,
23為了要使他豐盛的榮耀,彰顯在那蒙恩、早已預備要得榮耀的器皿上,這又有甚麼不可呢?
24dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin'ny Jiosy ihany, fa ny avy amin'ny jentilisa koa,
24這器皿就是我們這些不但從猶太人中,也從外族人中蒙召的人。
25araka izay lazainy eo amin'i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala (Hos. 2. 25);
25就如 神在何西阿書上說的:“我要稱那不是我子民的為我的子民,那不蒙愛的為蒙愛的;
26Ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe zanak'Andriamanitra velona (Hos. 2. 1).
26從前在甚麼地方對他們說:你們不是我的子民,將來就在那裡稱他們為永活 神的兒子。”
27Ary Isaia milaza ny amin'ny Isiraely hoe: Na dia toy ny fasika any amin'ny ranomasina aza ny isan'ny Zanak'isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena;
27以賽亞指著以色列人大聲說:“以色列子孫的數目雖然多如海沙,得救的不過是剩下的餘數;
28fa amin'ny fahatanterahana faingana no hanefan'i Jehovah ny teniny ambonin'ny tany (Isa. 10. 22, 23);
28因為主必在地上迅速而徹底地成就他的話。”
29ary araka izay nolazain'Isaia fahiny hoe: Raha tsy Jehovah, Tompon'ny maro, no namela taranaka ho antsika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma sy tonga tahaka an'i Gomora isika (Isa. 1. 9).
29又如以賽亞早已說過的:“如果不是萬軍之主給我們存留後裔,我們早就像所多瑪和蛾摩拉一樣了。”
30Ahoana ary no holazaintsika? Ny jentilisa, izay tsy nitady fahamarinana, no nahazo fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin'ny finoana?
30以色列人因為不信而絆倒既是這樣,我們還有甚麼可說的呢?那不追求義的外族人卻得了義,就是因信而得的義。
31fa ny Isiraely, izay nitady lalàn'ny fahamarinana kosa, dia tsy nahatratra izany lalàna izany.
31但以色列人追求律法的義(“律法的義”原文作“義的律法”),卻達不到律法的要求。
32Nahoana moa? Satria tsy tamin'ny finoana, fa toa tamin'ny asa, ka tafintohina tamin'ny vato mahatafintohina izy;araka ny voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra (Isa. 8. 14; 28. 16).
32這是甚麼緣故呢?因為他們不憑信心,只靠行為。他們絆倒在那絆腳石上,
33araka ny voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra (Isa. 8. 14; 28. 16).
33正如經上所記:“看哪,我在錫安放了一塊絆腳石,是絆倒人的磐石;信靠他的人,必不致失望。”