1Mangataha ranonorana amin'i Jehovah ianareo amin'ny andro fara-orana, Dia amin'i Jehovah, Izay manao ny helatra; Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny.
1向耶和華求恩──甘霖在春雨的季節,你們要向耶和華求雨。耶和華閃發雷電,給人降雨,使各人的田地生長蔬菜。
2Fa ny sampy niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry. [heb. terafima]
2因為偶像所說的是空言,占卜者所見的是虛謊,他們所說的是假夢,只給人空洞的安慰。因此,眾人都如羊沒有牧人,流離困苦。
3Amin'ny mpiandry ondry no irehetan'ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon'ny maro, efa namangy ny taranak'i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo amin'ny ady.
3“我的怒氣要向這些牧人發作,我要懲罰那些公山羊。(因為萬軍之耶和華眷顧他的羊群猶大家,使他們像戰場上雄赳赳的戰馬。)
4Avy ao aminy no hihavian'ny fehizoro, Avy ao aminy no hihavian'ny fihantonan-javatra, Avy ao aminy no hihavian'ny tsipìka fiadiana, Avy ao aminy no hihavian'ny mpampahory rehetra.
4房角石、帳棚樁、作戰的弓和所有的統治者,都從猶大而出。
5Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin'ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.
5他們必像勇士,在戰場上把仇敵踐踏在街上的泥土中,他們必爭戰,因為耶和華與他們同在,他們必使敵方的騎士羞愧。
6Hampahery ny taranak'i Joda Aho, Ary ny taranak'i Josefa hovonjeko ka hampodiko, Satria mamindra fo aminy Aho, Ka ho toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy. [na: hamponeniko]
6主必拯救他的子民我要使猶大家強盛起來,我必拯救約瑟家。我要使他們歸回,因為我憐憫他們;他們好像未遭我棄絕一樣,因為我是耶和華他們的 神,我必應允他們。
7Ho toy ny lehilahy mahery Efraima, Ary hifaly toy ny azon'ny divay ny fony; Ny zanany hahita ka ho faly; Hifaly amin'i Jehovah ny fony.
7以法蓮人必像勇士,他們心中快樂,好像飲了酒一樣;他們的子孫看見了,也必快樂;他們的心必因耶和華歡樂。
8Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.
8我要向他們吹哨子,招聚他們,因為我救贖了他們。他們的人數要增多,像從前一樣。
9Ary hafafiko any amin'ny firenena izy, Ka any amin'ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy; Ary samy ho velona izy mbamin'ny zanany ka hiverina [na: ary na dia hafafiko any amin'ny firenena aza izy , dia hahatsiaro Ahy any amin'ny tany lavitra]
9雖然我把他們散播在萬民中,他們仍要在遠方記念我;他們與他們的子孫都要存活,並且歸回。
10Dia hampody azy avy any amin'ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin'ny tany- Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany
10我要使他們從埃及地歸回,從亞述地招聚他們,帶他們到基列地和黎巴嫩山,卻仍不夠容納他們。
11Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin'i Neily rehetra, Haetry ny avonavon'i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan'i Egypta.Dia hampahereziko ao amin'i Jehovah izy, Ka ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.
11他必經過苦難的海,擊打海中的波浪,尼羅河的深處也都要乾涸;亞述的驕傲必降為卑;埃及的權勢要過去。
12Dia hampahereziko ao amin'i Jehovah izy, Ka ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.
12我必使我的子民因耶和華而強盛,他們要奉耶和華的名行事為人。”這是耶和華的宣告。