Malagasy

聖經新譯本

Zechariah

12

1[Ny hampaherezana ny Isiraely sy ny hanamasinana azy] Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely. Hoy Jehovah, Izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan'ny tany ary mamorona ny fanahin'ny olona ao anatiny:
1耶和華必保護耶路撒冷以下是耶和華的默示,這是耶和華論到以色列的話(是耶和華的宣告,他鋪張諸天,奠定大地的根基,造成人裡面的靈):
2Indro, Izaho hanao an'i Jerosalema ho kapoaka mampiraikiraiky ho an'ny firenena rehetra manodidina; ary ny Joda koa hiharan'izany ny hanaovana fahirano an'i Jerosalema.
2“看哪!我要使耶路撒冷成為令周圍萬族喝醉的杯;耶路撒冷被圍困的時候,猶大也必受到攻擊。
3Ary amin'izany andro izany Jerosalema dia hataoko vato mavesatra ho an'ny ny firenena rehetra, ka haràtra dia haràtra izay rehetra mivesatra azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin'ny tany.
3到那日,我要使耶路撒冷對萬族來說像一塊沉重的石頭,舉起它的必受重傷;地上的列國必聚集起來攻擊耶路撒冷。
4Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hamely ny soavaly amin'ny fahaverezan-kevitra Aho, ary ny mpitaingina azy amin'ny fahadalana, hampihiratra ny masoko amin'ny taranak'i Joda Aho ary hamely ny soavaly rehetra izay an'ny firenena amin'ny fahajambana.
4到那日(這是耶和華的宣告),我要擊打所有的馬匹,使牠們驚恐,擊打騎馬的人,使他們瘋狂;我必開眼看顧猶大家,我要擊打萬族所有的馬匹,使牠們瞎眼。
5Ary ireo lohany amin'ny firenen'i Joda dia hanao anakampo hoe: Ny mponina any Jerosalema dia heriko ao amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamaniny.
5那時,猶大的族長必心裡說:‘耶路撒冷的居民,靠萬軍之耶和華他們的 神得著力量。’
6Amin'izany andro izany ireo lohany amin'ny firenen'i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny amin'ny hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra eny amin'ny amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin'ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary Jerosalema dia mbola hiorina amin'ny fitoerany ihany, dia any Jerosalema.
6“到那日,我必使猶大的族長好像木柴中的火盆,又好像禾捆中的火把;他們必向左右吞滅周圍的萬族,但耶路撒冷的人必仍在城中原處安居。
7Ary hovonjen'i Jehovah aloha ny lain'ny Joda, mba tsy hisandratra ambonin'ny Joda intsony ny voninahitry ny taranak'i Davida sy ny voninahitry ny mponina any Jerosalema.
7“耶和華必先拯救猶大的帳棚,免得大衛家的榮耀和耶路撒冷居民的榮耀勝過猶大。
8Amin'izany andro izany dia harovan'i Jehovah ny mponina any Jerosalema; ary izay mila ho reraka ao aminy aza amin'izany andro izany dia ho tahaka an'i Davida; ary ny taranak'i Davida ho tahaka an'Andriamanitra, dia tahaka Ilay Anjelin'i Jehovah eo anoloany.
8到那日,耶和華必保護耶路撒冷的居民;他們中間最軟弱的,到那日必好像大衛,大衛家必好像 神,好像行在他們前面的耶和華使者。
9Amin'izany andro izany dia hitady handringana ny jentilisa rehetra izay avy hamely an'i Jerosalema Aho.
9到那日,我必殲滅所有前來攻打耶路撒冷的列國。
10Ary haidiko amin'ny taranak'i Davida sy amin'ny mponina any Jerosalema ny fanahin'ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Izay nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan'ny olona ny lahimatoany.[na: ka hijery ilay]
10大哀哭“我必把那恩慈與懇求的靈傾注在大衛家和耶路撒冷居民的身上。他們必仰望我,就是他們所刺的;他們要為他哀哭,好像喪獨生子;他們必為他悲痛,好像喪長子。
11Amin'izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe any Jerosalema toy ny fisaonana tao Hadadrimona eo amin'ny lohasaha Megido.
11到那日,耶路撒冷必有極大的哀哭,像在米吉多平原的哈達臨門的哀哭一樣。
12Ary hisaona mitsitokantokana ny tany, samy isam-pianakaviana avy: ny fianakavian'i Davida mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana; ny fianakavian'i Natana mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana;
12全地都要哀哭,一家一家獨在一處哀哭。大衛家獨在一處,他們的婦女也獨在一處;拿單家獨在一處,他們的婦女也獨在一處;
13ny fianakavian'ny taranak'i Levy mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana; ny fianakavian'i Simey mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana;ny fianakaviana sisa rehetra mitokana isam-pianakaviana, ary ny vadin'ireo mitokana.
13利未家獨在一處,他們的婦女也獨在一處;示每家獨在一處,他們的婦女也獨在一處;
14ny fianakaviana sisa rehetra mitokana isam-pianakaviana, ary ny vadin'ireo mitokana.
14其餘的各家都是一家一家獨在一處,他們的婦女也獨在一處。”