Malagasy

聖經新譯本

Zechariah

8

1Ary tonga ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, nanao hoe:
1復興以色列的應許萬軍之耶和華的話臨到我說:
2Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Ziona Aho, eny, saro-piaro azy amin'ny fahatezerana mafy Aho.
2“萬軍之耶和華這樣說:‘我十分熱愛錫安;我為錫安大發烈怒。’
3Izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan'i Jerosalema; ary Jerosalema dia hatao hoe Tanànan'ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia hatao hoe Tendrombohitra masina.
3耶和華這樣說:‘我要返回錫安,住在耶路撒冷裡面;耶路撒冷必稱為“信實之城”,萬軍之耶和華的山必稱為“聖山”。’
4Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dalamben'i Jerosalema, samy hitehina amin'ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany;
4“萬軍之耶和華這樣說:‘年老的男女必再坐在耶路撒冷的街上;他們因為年紀老邁,各人都手拿拐杖。
5ary eny an-dalambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny an-dalambe.
5城裡的街上必滿了男孩女孩,在街上嬉戲。’
6Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Raha mahagaga izany eo imason'ny sisa amin'ity firenena ity amin'izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
6“萬軍之耶和華這樣說:‘在那些日子,這事在這餘剩的子民眼中被視為不可能的奇蹟,在我眼中也視為不可能嗎?’這是萬軍之耶和華的宣告。
7Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin'ny tany atsinanana sy amin'ny tany andrefana Aho;
7“萬軍之耶和華這樣說:‘看哪!我必從日出之地和日落之地拯救我的子民。
8ary hitondra azy Aho, ka honina any Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
8我要把他們領回來,讓他們住在耶路撒冷;他們要作我的子民,我也要憑著信實和公義作他們的 神。’
9Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Aoka hatanjaka ny tananareo izay mandre izany teny izany amin'izao andro izao avy amin'ny vavan'ny mpaminany, izay teo tamin'ny andro nanaovana ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny nanaovana ny tempoly.
9“萬軍之耶和華這樣說:‘在萬軍之耶和華的殿奠立了根基,預備建造的日子,你們這些在當時聽過眾先知親口宣告這些話的人,現在你們的手務要剛強。
10Fa talohan'izany andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an'ny olona, na valim-pahasasarana ho an'ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an'izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako samy hifamely amin'ny namany avy ny olona rehetra.
10因為在那些日子以前,人作工是沒有工價的,牲畜也是這樣,並且因有敵人的緣故,人出入就沒有平安,我也使眾人互相攻擊。
11Fa amin'izay kosa dia tsy ho toy ny tamin'ny fahiny intsony amin'ny sisa amin'ity firenena ity Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
11但現在我待這些餘剩的子民必不像從前的日子那樣(這是萬軍之耶和華的宣告)。
12Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin'ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany. [na: fa hamoa ny voankazo izay vanona amin'ny fiadanana, dia ny voaloboka]
12因為五穀必生長繁茂,葡萄樹必結果子,地土必出土產,天也必降下甘露,我要使這些餘剩的子民承受這一切。
13Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin'ny firenena, ry taranak'i Joda sy ry taranak'Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitsofan-drano kosa ianareo; aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tananareo.
13猶大家和以色列家啊!你們從前在萬國中成為可咒詛的,將來,我要拯救你們,使你們成為賜福的器皿。你們不要懼怕,你們的手務要剛強。’
14Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin'ny nampahatezeran'ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy nanenina Aho,
14“萬軍之耶和華這樣說:‘你們的列祖惹我發怒的時候,我曾定意降禍在你們身上,並沒有改變心意(這是萬軍之耶和華說的);
15dia ho toy izany kosa no hisainako hanisy soa an'i Jerosalema sy ny taranak'i Joda amin'izao andro izao: aza matahotra ianareo.
15照樣,在這些日子裡,我定意恩待耶路撒冷和猶大家。你們不要懼怕。
16Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin'ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo;
16你們應當行這些事:你們各人要與鄰舍說真話,在你們的城門口要憑著誠實和公正施行審判。
17ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo, ary aza tia fianianan-tsy tò; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah.
17你們各人不要心裡圖謀惡事,彼此陷害,也不可好起假誓,因為這些都是我所恨惡的。’這是耶和華的宣告。”
18Ary ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia tonga tamiko nanao hoe:
18哀哭變成歡樂萬軍之耶和華的話臨到我,說:
19Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ny fifadian-kanina amin'ny volana fahefatra sy ny fifadian-kanina amin'ny fahadimy sy ny fifadian-kanina amin'ny fahafito ary ny fifadian-kanina amin'ny fahafolo dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa ho an'ny taranak'i Joda; koa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.
19“萬軍之耶和華這樣說:‘四月的禁食、五月的禁食、七月的禁食和十月的禁食都要變為猶大家歡喜快樂的日子和歡樂的節期。所以,你們要喜愛誠實與和平。’
20Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin'ny tanàna maro ho avy;
20萬民尋求主恩“萬軍之耶和華這樣說:‘將來還有萬族的人和多個城市的居民要來。
21ary ny mponina ao amin'ny anankiray hankany amin'ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin'i Jehovah sy hitady an'i Jehovah, Tompon'ny maro; izaho koa mba handeha.
21一城的居民到另一城去,對他們說:我們快去懇求耶和華施恩,求告萬軍之耶和華;我們自己也去。
22Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an'i Jehovah, Tompon'ny maro, any Jerosalema sy hifona amin'i Jehovah.Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Amin'izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin'ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban'ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.
22必有很多的民族和強大的國家前來,在耶路撒冷求告萬軍之耶和華,懇求他施恩。’
23Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Amin'izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin'ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban'ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.
23“萬軍之耶和華這樣說:‘在那些日子,必有十個說不同方言,來自列國的人,緊抓住一個猶大人的衣襟,說:讓我們與你們同去吧,因為我們聽見 神與你們同在。’”