Malagasy

Young`s Literal Translation

1 Chronicles

25

1[Ny nizarana ny mpihira ho efatra amby roa-polo toko] Ary ny taranak'i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan'i Davida sy ireo komandin'ny miaramila ho amin'ny fanompoana mba haminany amin'ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan'ny mpanao araka ny fanompoany avy:[Na: ny asany amin'ny]
1And David and the heads of the host separate for service, of the sons of Asaph, and Heman, and Jeduthun, who are prophesying with harps, with psalteries, and with cymbals, and the number of the workmen is according to their service.
2Tamin'ny zanakalahin'i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak'i Asafa, nofehezin'i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan'ny mpanjaka azy.
2Of sons of Asaph: Zaccur, and Joseph, and Nethaniah, and Asharelah, sons of Asaph, [are] by the side of Asaph, who is prophesying by the side of the king.
3Tamin'i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin'i Jedotona rainy, izay naminany tamin'ny lokanga hidera sy hisaotra an'i Jehovah.
3Of Jeduthun: sons of Jeduthun, Gedaliah, and Zeri, and Jeshaiah, Hashabiah, and Mattithiah, Shisshah, [are] by the side of their father Jeduthun; with a harp he is prophesying, for giving of thanks and of praise to Jehovah.
4Tamin'i Hemana, ny zanany dia Bokia, Matania, Oziela, Seboela sy Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty sy Romamti-ezera sy Josbekasa sy Maloty sy Hotira ary Mahaziota.
4Of Heman: sons of Heman: Bukkiah, Mattaniah, Uzziel, Shebuel, and Jerimoth, Hananiah, Hanani, Eliathah, Giddalti, and Romamti-Ezer, Joshbekashah, Mallothi, Hothir, Mahazioth;
5Ireo rehetra ireo no zanak'i Hemana, mpahitan'ny mpanjaka ny amin'ny tenin'Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen'Andriamanitra zazalahy efatra ambin'ny folo sy zazavavy telo.
5all these [are] sons of Heman — seer of the king in the things of God — to lift up a horn; and God giveth to Heman fourteen sons and three daughters.
6Ireo rehetra ireo no fehin'ny rainy tamin'ny hira natao tao an-tranon'i Jehovah tamin'ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin'ny mpanjaka.
6All these [are] by the side of their father in the song of the house of Jehovah, with cymbals, psalteries, and harps, for the service of the house of God; by the side of the king [are] Asaph, and Jeduthun, and Heman.
7Ary ny isany mbamin'ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an'i Jehovah izay rehetra nahay dia valo amby valo-polo amby roan-jato.
7And their number, with their brethren — taught in the song of Jehovah, all who are intelligent — is two hundred, eighty and eight.
8Ary nanao filokana ny amin'ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra.
8And they cause to fall lots — charge over-against [charge], as well the small as the great, the intelligent with the learner.
9Ary ny loka voalohany dia azon'i Josefa avy amin'ny taranak'i Asafa; ny faharoa an'i Gedalia, izy mbamin'ny rahalahiny sy ny zanany, dia roa ambin'ny folo;
9And the first lot goeth out for Asaph to Joseph; [to] Gedaliah the second; he, and his brethren and his sons, twelve;
10ny fahatelo an'i Zakora, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
10the third [to] Zaccur, his sons and his brethren, twelve;
11ny fahefatra an'i Jizry, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
11the fourth to Izri, his sons and his brethren, twelve;
12ny fahadimy an'i Netania, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
12the fifth [to] Nethaniah, his sons and his brethren, twelve;
13ny fahenina an'i Bokia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
13the sixth [to] Bukkiah, his sons and his brethren, twelve;
14ny fahafito an'i Jesarela, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
14the seventh [to] Jesharelah, his sons and his brethren, twelve;
15ny fahavalo an'i Jesaia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
15the eighth [to] Jeshaiah, his sons and his brethren, twelve;
16ny fahasivy an'i Matania, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
16the ninth [to] Mattaniah, his sons and his brethren, twelve;
17ny fahafolo an'i Simey, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
17the tenth [to] Shimei, his sons and his brethren, twelve:
18ny fahiraika ambin'ny folo an'i Azarela, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
18eleventh [to] Azareel, his sons and his brethren, twelve;
19ny faharoa ambin'ny folo an'i Hasabia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
19the twelfth [to] Hashabiah, his sons and his brethren, twelve;
20ny fahatelo ambin'ny folo an'i Sobaela, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
20at the thirteenth [to] Shubael, his sons and his brethren, twelve;
21ny fahefatra ambin'ny folo an'i Matitia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin'ny folo;
21at the fourteenth [to] Mattithiah, his sons and his brethren, twelve;
22ny fahadimy ambin'ny folo an'i Jeremota, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin'ny folo;
22at the fifteenth [to] Jeremoth, his sons and his brethren, twelve;
23ny fahenina ambin'ny folo an'i Hanania, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
23at the sixteenth [to] Hananiah, his sons and his brethren, twelve;
24ny fahafito ambin'ny folo an'i Josbekasa, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
24at the seventeenth [to] Joshbekashah, his sons and his brethren, twelve;
25ny fahavalo ambin'ny folo an'i Hanany, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
25at the eighteenth [to] Hanani, his sons and his brethren, twelve;
26ny fahasivy ambin'ny folo an'i Maloty, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
26at the nineteenth [to] Mallothi, his sons and his brethren, twelve;
27ny faharoa-polo an'i Eliata, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
27at the twentieth [to] Eliathah, his sons and his brethren, twelve;
28ny fahiraika amby roa-polo an'i Hotira, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
28at the one and twentieth [to] Hothir, his sons and his brethren, twelve;
29ny faharoa amby roa-polo an'i Gidalty, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
29at the two and twentieth [to] Giddalti, his sons and his brethren, twelve;
30ny fahatelo amby roa-polo an'i Mahaziota, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;ny fahefatra amby roa-polo an'i Romamti-ezera, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo.
30at the three and twentieth [to] Mahazioth, his sons and his brethren, twelve;
31ny fahefatra amby roa-polo an'i Romamti-ezera, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo.
31at the four and twentieth [to] Romamti-Ezer, his sons and his brethren, twelve.