1[Ny taranak'Isakara sy Benjamina sy Naftaly sy ny antsasaky ny firenen'i Manase sy Efraima ary Asera] Ary ny zanakalahin'Isakara dia Tola sy Poa sy Jasoba ary Simrona; efatra izy.
1And sons of Issachar; Tola, and Puah, Jashub, and Shimron, four.
2Ary ny zanakalahin'i Tola dia Ozy sy Refaia sy Jeriela sy Jamay sy Jibsama ary Samoela, samy lohan'ny fianakaviany avy, dia zanak'i Tola sady samy lehilahy mahery tamin'ny fokony avy ireo; enin-jato amby roa arivo sy roa alina no isany tamin'ny andron'i Davida.
2And sons of Tola: Uzzi, and Rephaiah, and Jeriel, and Jahmai, and Jibsam, and Shemuel, heads of the house of their fathers, [even] of Tola, mighty of valour in their generations: their number in the days of David [is] twenty and two thousand and six hundred.
3Ary ny zanakalahin'i Ozy dia Jizrahia. Ary ny zanakalahin'i Jizrahia dia Mikaela sy Obadia sy Joela ary Jisia; dimy izy; loholona avokoa izy rehetra ireo.
3And sons of Uzzi: Izrahiah; and sons of Izrahiah: Michael, and Obadiah, and Joel, Ishiah, Hamishah — all of them heads.
4Ary nanana miaramila antokotokony izy araka ny fireneny sy ny fianakaviany avy, dia enina arivo amby telo alina; fa maro ny vady aman-janak'ireo.
4And beside them, by their generations, of the house of their fathers, [are] troops of the host of battle, thirty and six thousand, for they multiplied wives and sons;
5Ary ny rahalahiny ao amin'ny fokon'ny Isakara rehetra, izay samy lehilahy mahery, ny isan'izy rehetra araka ny firazanany avy dia fito arivo amby valo alina.
5and their brethren of all the families of Issachar [are] mighty of valour, eighty and seven thousand, all have their genealogy.
6Ny zanakalahin'i Benjamina dia Bela sa Bakera ary Jediaela; telo izy.
6Of Benjamin: Bela, and Becher, and Jediael, three.
7Ary ny zanakalahin'i Bela dia Ezbona sy Ozy sy Oziela sy Jerimota ary Iry; dimy izy, ary samy lohan'ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery avokoa; ary ny Isany araka ny firazanany dia efatra amby telo-polo amby roa arivo sy roa alina.
7And sons of Bela: Ezbon, and Uzzi, and Uzziel, and Jerimoth, and Iri, five; heads of a house of fathers, mighty of valour, with their genealogy, twenty and two thousand, and thirty and four.
8Ary ny zanakalahin'i Bakera dia Zemira sy Joasy sy Eliezera sy Elioenay sy Omry sy Jerimota sy Abia sy Anatota ary Alameta. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Bakera.
8And sons of Becher: Zemirah, and Joash, and Eliezar, and Elioenai, and Omri, and Jerimoth, and Abijah, and Anathoth, and Alameth. All these [are] sons of Becher,
9Ary ny isany araka ny firazanany amin'ny fireneny, izay samy lohan'ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery, dia roanjato sy roa alina.
9with their genealogy, after their generations, heads of a house of their fathers, mighty of valour, twenty thousand and two hundred.
10Ny zanakalahin'i Jediaela dia Bilana; ary ny zanakalahin'i Bilana dia Jeosy sy Benjamina sy Ehoda sy Kenana sy Zetana sy Tarsisy ary Ahisahara
10And sons of Jediael: Bilhan; and sons of Bilhan: Jeush, and Benjamin, and Ehud, and Chenaanah, and Zethan, and Tarshish, and Ahishahar.
11Ireo zanakalahin'i Jediaela rehetra ireo, araka ny lohan'ny fianakaviany, dia roan-jato amby fito arivo sy iray alina no isan'ny lehilahy mahery azo nalefa hanafika.
11All these [are] sons of Jediael, even heads of the fathers, mighty in valour, seventeen thousand and two hundred going out to the host for battle.
12Sopima koa sy Hopima, zanakalahin'Iry, ary Hosima, zanakalahin'i Ahera.
12And Shuppim and Huppim [are] sons of Ir; Hushim son of Aher.
13Ny zanakalahin'i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera sy Saloma, samy zanakalahin'i Bila ireo.
13Sons of Naphtali: Jahziel, and Guni, and Jezer, and Shallum, sons of Bilhah.
14Ny zanakalahin'i Manase dia Asriela, Izay naterany; fa ilay Syriana vaditsindranony kosa no niteraka an'i Matira, rain'i Gileada.[Heb. Aramiana]
14Sons of Manasseh: Ashriel, whom Jaladah his Aramaean concubine bare, with Machir father of Gilead.
15Ary Makira naka vady ho an'i Hopima sy Sopima; ny anaran'ny rahavaviny dia Imaka; ary ny anaran'ny manarakaraka dia Zelofada; ary Zelofada nanan-janakavavy.
15And Machir took wives for Huppim and for Shuppim, and the name of the one [is] Maachah, and the name of the second Zelophehad, and Zelophehad hath daughters.
16Ary Imaka, vadin'i Makira, niteraka zaza, ahy, ka Paresy no nataony anarany; ary Saresy no anaran'ny rahalahiny; ary ny anaran'ny zananilahy dia Olama sy Rakema.
16And Maachah wife of Machir beareth a son and calleth his name Peresh, and the name of his brother [is] Sheresh, and his sons [are] Ulam and Rakem.
17Ary ny zanakalahin'i Olama dia Bedana. Ireo no zanakalahin'i Gileada, zanakalahin'i Makira, zanakalahin'i Manase.
17And son of Ulam: Bedan. These [are] sons of Gilead son of Machir, son of Manasseh.
18Ary Hamoleketa anabaviny niteraka an'Isehoda sy Abiezera ary Mahala.
18And his sister Hammolecheth bare Ishhod, and Abiezer, and Mahalah.
19Ary ny zanakalahin'i Semida dia Ahiana sy Sekema sy Liky ary Aniama.
19And the sons of Shemida are Ahian, and Shechem, and Likhi, and Aniam.
20Ary ny zanakalahin'i Efraima dia Sotela (Bareda no zanakalahin'i Sotela, Tahata no zanakalahin'i Bareda, Elada no zanakalahin'i Tahata, Tahata no zanakalahin'i Elada,
20And sons of Ephraim: Shuthelah, and Bered his son, and Tahath his son, and Eladah his son, and Tahath his son,
21Zabada no zanakalahin'i Tahata, Sotela no zanakalahin'i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay novonoin'ny tompon-tany tao Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny aman'ondriny izy.
21and Zabad his son, and Shuthelah his son, and Ezer, and Elead; and slain them have men of Gath who are born in the land, because they came down to take their cattle.
22Ary Efraima, rainy nisaona azy ela, dia avy ny rahalahiny hampionona azy.
22And Ephraim their father mourneth many days, and his brethren come in to comfort him,
23Ary nony niray tamin'ny vadiny izy, dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany nataony hoe Beria, satria nisy fahoriana tao an-tranony tamin'izany.
23and he goeth in unto his wife, and she conceiveth and beareth a son, and he calleth his name Beriah, because in evil had been his house, —
24(Ary ny zananivavy dia Sera, izay nanorina an'i Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera).
24and his daughter [is] Sherah, and she buildeth Beth-Horon, the lower and the upper, and Uzzen-Sherah —
25Ary Refa sy Rasefa no zanakalahin'i Beria, Tela no zanakalahin'i Rasefa, Tahana no zanakalahin'i Tela,
25and Rephah [is] his son, and Resheph, and Telah his son, and Tahan his son,
26Ladana no zanakalahin'i Tahana, Amihoda no zanakalahin'i Ladana, Elisama no zanakalahin'i Amihoda.
26Laadan his son, Ammihud his son, Elishama his son,
27Nona no zanakalahin'i Elisama, Josoa no zanakalahin'i Nona.
27Non his son, Jehoshua his son.
28Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny;
28And their possession and their dwellings [are] Beth-El and its small towns, and to the east Naaran, and to the west Gezer and its small towns, and Shechem and its small towns, unto Gaza and its small towns;
29ary teo amin'ny sisin-tanin'ny taranak'i Manase dia Beti-sana sy ny zana-bohiny, Tanaka sy ny zana-bohiny, Megido sy ny zana-bohiny, Dora sy ny zana-bohiny Tamin'ireo no nonenan'ny taranak'i Josefa, zanak'Isiraely.
29and by the parts of the sons of Manasseh, Beth-Shean and its small towns, Taanach and its small towns, Megiddo and its small towns, Dor and its small towns; in these dwelt the sons of Joseph son of Israel.
30Ny zanakalahin'i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria; ary Sera no anabavin'ireo.
30Son of Asher: Imnah, and Ishve, and Ishvi, and Beriah, and Serah their sister.
31Ary ny zanakalahin'i Beria dia Hebera sy Malkiela, rain'i Birzavita.
31And sons of Beriah: Heber, and Malchiel — he [is] father of Birzavith.
32Ary Hebera niteraka an'i Jafleta sy Somera sy Hotama; ary Soha no anabavin'ireo.
32And Heber begat Japhlet, and Shomer, and Hotham, and Shua their sister.
33Ary ny zanakalahin'i Jafleta dia Pasaka sy Bimala ary Asvata. Ireo no zanakalahin'i Jafleta.
33And sons of Japhlet: Pasach, and Bimhal, and Ashvath; these [are] sons of Japhlet.
34Ary ny zanakalahin'i Samera dia Ahaia sy Rohaga sy Hoba ary Arama.
34and sons of Shamer: Ahi, and Rohgah, Jehubbah, and Aram.
35Ary ny zanakalahin'i Helema rahalahiny dia Zofa sy Jimna sy Selesy ary Amala.
35And son of Helem his brother: Zophah, and Imna, and Shelesh, and Amal.
36Ny zanakalahin'i Zofa dia Soha sy Harnefera sy Soala sy Bery sy Jimra
36Sons of Zophah: Suah, and Harnepher, and Shual, and Beri, and Imrah,
37sy Bazera sy Hoda sy Sama sy Silsa sy Jitrana ary Bera.
37Bezer, and Hod, and Shamma, and Shilshah, and Ithran, and Beera.
38Ary ny zanakalahin'i Jatera dia Jefone sy Pispa ary Ara.
38And sons of Jether: Jephunneh, and Pispah, and Ara.
39Ary ny zanakalahin'i Ola dia Ara sy Haniela ary Rizia.Ireo zanakalahin'i Asera rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary lehiben'ny loham-pireneny avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo amby roa alina no isan'ny azo nalefa hanafika.
39And sons of Ulla: Arah, and Hanniel, and Rezia.
40Ireo zanakalahin'i Asera rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary lehiben'ny loham-pireneny avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo amby roa alina no isan'ny azo nalefa hanafika.
40All these [are] sons of Asher, heads of the house of the fathers, chosen ones, mighty in valour, heads of the princes, with their genealogy, for the host, for battle, their number [is] twenty and six thousand men.