Malagasy

Young`s Literal Translation

1 Corinthians

9

1[Ny nandeferan'i Paoly tsy hovelomin'ny fiangonana tao Korinto] Tsy olona afaka va aho? Tsy Apostoly va aho? Tsy efa nahita an'i Jesosy Tompontsika va aho? Tsy asako ao amin'ny Tompo va ianareo?
1Am not I an apostle? am not I free? Jesus Christ our Lord have I not seen? my work are not ye in the Lord?
2Raha tsy Apostoly ho an'ny sasany aza aho, dia Apostoly ho anareo tokoa; fa ianareo no tombo-kase mah'Apostoly ahy ao amin'ny Tompo.
2if to others I am not an apostle — yet doubtless to you I am; for the seal of my apostleship are ye in the Lord.
3Izany no avaliko izay manadina ahy.
3My defence to those who examine me in this;
4Moa tsy mahazo mihinana sy misotro va izahay?
4have we not authority to eat and to drink?
5Moa tsy mahazo mitondra vady izay isan'ny mino va izahay, tahaka ny Apostoly sasany koa sy ny rahalahin'ny Tompo ary Kefasy? [ Gr. anabavy]
5have we not authority a sister — a wife — to lead about, as also the other apostles, and the brethren of the Lord, and Cephas?
6Sa izaho ihany sy Barnabasy no tsy mahazo mitsahatra tsy miasa?
6or only I and Barnabas, have we not authority — not to work?
7Iza no mandeha manafika ka mivelona amin'ny haren'ny tenany? Iza no manao tanim-boaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman'osy ka tsy mihinana ny rononony?
7who doth serve as a soldier at his own charges at any time? who doth plant a vineyard, and of its fruit doth not eat? or who doth feed a flock, and of the milk of the flock doth not eat?
8Moa araka ny fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa ny lalàna mba milaza izany koa?
8According to man do I speak these things? or doth not also the law say these things?
9Fa voasoratra eo amin'ny lalàn'i Mosesy hoe: Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary (Deo. 25. 4). Ny omby va no ahin'Andriamanitra?
9for in the law of Moses it hath been written, `thou shalt not muzzle an ox treading out corn;` for the oxen doth God care?
10Sa noho izahay mihitsy no nanaovana izany teny izany? Eny, fa noho izahay indrindra no nanoratana izany, satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin'ny fanantenana, ary izay mively vary dia tokony hively amin'ny fanantenana hahazo.
10or because of us by all means doth He say [it]? yes, because of us it was written, because in hope ought the plower to plow, and he who is treading [ought] of his hope to partake in hope.
11Raha izahay namafy izay zava-panahy ho anareo, dia zavatra lehibe va raha mba mijinja izay anananareo araka ny nofo kosa izahay?
11If we to you the spiritual things did sow — great [is it] if we your fleshly things do reap?
12Raha ny hafa aza manana izany fahefana izany aminareo, tsy mainka va fa izahay? Kanefa tsy nanampatra izany fahefana izany izahay, fa mihafy amin'ny zavatra rehetra, fandrao hisakana ny filazantsaran'i Kristy.
12if others do partake of the authority over you — not we more? but we did not use this authority, but all things we bear, that we may give no hindrance to the good news of the Christ.
13Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin'ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin'ny alitara dia miombona amin'ny alitara?
13Have ye not known that those working about the things of the temple — of the temple do eat, and those waiting at the altar — with the altar are partakers?
14Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara.
14so also did the Lord direct to those proclaiming the good news: of the good news to live.
15Nefa tsy nahavatra izany zavatra izany na dia kely akory aza aho; ary tsy manoratra izany aho mba hanaovana izany amiko; fa aleoko maty toy izay hisy hahafoana ny reharehako.
15And I have used none of these things; neither did I write these things that it may be so done in my case, for [it is] good for me rather to die, than that any one may make my glorying void;
16Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!
16for if I may proclaim good news, it is no glorying for me, for necessity is laid upon me, and wo is to me if I may not proclaim good news;
17Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany, dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny sitrapoko, dia natolotra aho ho andraikitro izany.
17for if willing I do this, I have a reward; and if unwillingly — with a stewardship I have been entrusted!
18Inona ary no valim-pitia azoko? Dia izao: raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy asiako fandoavam-bola ny filazantsara, mba tsy hanampatra ny fahefako amin'ny filazantsara.
18What, then, is my reward? — that proclaiming good news, without charge I shall make the good news of the Christ, not to abuse my authority in the good news;
19Fa na dia afaka amin'ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon'ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa.
19for being free from all men, to all men I made myself servant, that the more I might gain;
20Tamin'ny Jiosy, dia tonga toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy; tamin'izay ambanin'ny lalàna, dia tonga toy izay ambanin'ny lalàna aho, na dia tsy ambanin'ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin'ny lalàna;
20and I became to the Jews as a Jew, that Jews I might gain; to those under law as under law, that those under law I might gain;
21tamin'izay tsy manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin'Andriamanitra aho, fa ambanin'ny lalàn'i Kristy), mba hahazoako izay tsy manana lalàna;
21to those without law, as without law — (not being without law to God, but within law to Christ) — that I might gain those without law;
22tamin'ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin'ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza.
22I became to the infirm as infirm, that the infirm I might gain; to all men I have become all things, that by all means I may save some.
23Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho.
23And this I do because of the good news, that a fellow-partaker of it I may become;
24Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin'ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo.
24have ye not known that those running in a race — all indeed run, but one doth receive the prize? so run ye, that ye may obtain;
25Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò.
25and every one who is striving, is in all things temperate; these, indeed, then, that a corruptible crown they may receive, but we an incorruptible;
26Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra;fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.
26I, therefore, thus run, not as uncertainly, thus I fight, as not beating air;
27fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.
27but I chastise my body, and bring [it] into servitude, lest by any means, having preached to others — I myself may become disapproved.