1[Ny firaisan'ny Kristiana amin'Andriamanitra, ary ny vavolombelona mampiseho sy mahamarina izany] Izay hatramin'ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan'ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain'ny tananay, dia ny amin'ny Teny Fiainana
1That which was from the beginning, that which we have heard, that which we have seen with our eyes, that which we did behold, and our hands did handle, concerning the Word of the Life —
2(fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin'ny Ray ka efa naseho taminay), -
2and the Life was manifested, and we have seen, and do testify, and declare to you the Life, the age-during, which was with the Father, and was manifested to us —
3izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesosy Kristy Zanany.
3that which we have seen and heard declare we to you, that ye also may have fellowship with us, and our fellowship [is] with the Father, and with His Son Jesus Christ;
4Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika. [ Na: fifalianareo]
4and these things we write to you, that your joy may be full.
5Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.
5And this is the message that we have heard from Him, and announce to you, that God is light, and darkness in Him is not at all;
6Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.
6if we may say — `we have fellowship with Him,` and in the darkness may walk — we lie, and do not the truth;
7Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.
7and if in the light we may walk, as He is in the light — we have fellowship one with another, and the blood of Jesus Christ His Son doth cleanse us from every sin;
8Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.
8if we may say — `we have not sin,` ourselves we lead astray, and the truth is not in us;
9Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.
9if we may confess our sins, stedfast He is and righteous that He may forgive us the sins, and may cleanse us from every unrighteousness;
10Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.
10if we may say — `we have not sinned,` a liar we make Him, and His word is not in us.