1[Ny amin'ny fampianarana sandoka, sy ny tokony hitiavantsika ny rahalahy, ary ny hanekentsika ny fanambaran'Andriamanitra ny Zanany] Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.
1Beloved, every spirit believe not, but prove the spirits, if of God they are, because many false prophets have gone forth to the world;
2Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra;
2in this know ye the Spirit of God; every spirit that doth confess Jesus Christ in the flesh having come, of God it is,
3ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy.
3and every spirit that doth not confess Jesus Christ in the flesh having come, of God it is not; and this is that of the antichrist, which ye heard that it doth come, and now in the world it is already.
4Anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao.
4Ye — of God ye are, little children, and ye have overcome them; because greater is He who [is] in you, than he who is in the world.
5Isan'izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an'izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao.
5They — of the world they are; because of this from the world they speak, and the world doth hear them;
6Avy amin'Andriamanitra izahay; izay mahalala an'Andriamanitra no mihaino anay; Izay tsy avy amin'Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin'ny fahamarinana sy ny fanahin'ny fampiviliana.
6we — of God we are; he who is knowing God doth hear us; he who is not of God, doth not hear us; from this we know the spirit of the truth, and the spirit of the error.
7Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra.
7Beloved, may we love one another, because the love is of God, and every one who is loving, of God he hath been begotten, and doth know God;
8Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.
8he who is not loving did not know God, because God is love.
9Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany.
9In this was manifested the love of God in us, because His Son — the only begotten — hath God sent to the world, that we may live through him;
10Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra'noho ny fahotantsika.
10in this is the love, not that we loved God, but that He did love us, and did send His Son a propitiation for our sins.
11Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.
11Beloved, if thus did God love us, we also ought one another to love;
12Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany. [ Na: ny fitiavana Azy]
12God no one hath ever seen; if we may love one another, God in us doth remain, and His love is having been perfected in us;
13Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.
13in this we know that in Him we do remain, and He in us, because of His Spirit He hath given us.
14Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao.
14And we — we have seen and do testify, that the Father hath sent the Son — Saviour of the world;
15Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin'Andriamanitra.
15whoever may confess that Jesus is the Son of God, God in him doth remain, and he in God;
16Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.
16and we — we have known and believed the love, that God hath in us; God is love, and he who is remaining in the love, in God he doth remain, and God in him.
17Izany no ahatanterahana ny fitiavana amintsika, mba hananantsika fahasahiana amin'ny andro fitsarana; fa tahaka Azy isika eo amin'izao tontolo izao.
17In this made perfect hath been the love with us, that boldness we may have in the day of the judgment, because even as He is, we — we also are in this world;
18Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana.
18fear is not in the love, but the perfect love doth cast out the fear, because the fear hath punishment, and he who is fearing hath not been made perfect in the love;
19Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha.
19we — we love him, because He — He first loved us;
20Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy hitany?Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.
20if any one may say — `I love God,` and his brother he may hate, a liar he is; for he who is not loving his brother whom he hath seen, God — whom he hath not seen — how is he able to love?
21Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.
21and this [is] the command we have from Him, that he who is loving God, may also love his brother.