1[Ny nandresen'i Saoly ny Amonita, sy ny nanavaozana ny fanjakana] Ary Nahasy Amonita niakatra ka nitoby tandrifin'i Jabesi-gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin'i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay.
1And Nahash the Ammonite cometh up, and encampeth against Jabesh-Gilead, and all the men of Jabesh say unto Nahash, `Make with us a covenant, and we serve thee.`
2Fa hoy Nahasy Amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: hopotsirina ny masonareo ankavanana rehetra, ka hataoko fandatsana ny Isiraely rehetra izany.
2And Nahash the Ammonite saith unto them, `For this I covenant with you, by picking out to you every right eye — and I have put it a reproach on all Israel.`
3Fa hoy ny loholon'i Jabesy taminy: Omeo andro hafitoana izahay, mba hanirahanay olona ho any amin'ny fari-tanin'ny Isiraely rehetra, ka raha tàhiny tsy misy olona hamonjy anay, dia hivoaka hanatona anao izahay.
3And the elders of Jabesh say to him, `Let us alone seven days, and we send messengers into all the border of Israel: and if there is none saving us — then we have come out unto thee.`
4Dia tonga tany Gibean'i Saoly ny iraka ka nanambara ny teniny teo anatrehan'ny vahoaka; dia nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ka nitomany.
4And the messengers come to Gibeah of Saul, and speak the words in the ears of the people, and all the people lift up their voice and weep;
5Ary, indro, Saoly tonga nandroaka ny omby avy tany an-tsaha ka nanao hoe: Inona izato nanjo ny olona, no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin'ny mponina tao Jabesy.
5and lo, Saul hath come after the herd out of the field, and Saul saith, `What — to the people, that they weep?` and they recount to him the words of the men of Jabesh.
6Dia nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka nirehitra mafy ny fahatezeran'i Saoly, raha nandre izany teny izany.
6And the Spirit of God doth prosper over Saul, in his hearing these words, and his anger burneth greatly,
7Dia naka omby roa izy, ka norasainy ireo, dia nampitondrainy ny iraka ho any amin'ny fari-tanin'ny Isiraely rehetra ka nataony hoe: Na iza na iza tsy mivoaka hanaraka an'i Saoly sy Samoela, dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana an'i Jehovah, ka nivoaka toy ny olona iray ihany izy.
7and he taketh a couple of oxen, and cutteth them in pieces, and sendeth through all the border of Israel, by the hand of the messengers, saying, `He who is not coming out after Saul and after Samuel — thus it is done to his oxen;` and the fear of Jehovah falleth on the people, and they come out as one man.
8Ary nandamina azy tany Bezeka izy, dia telo hetsy no isan'ny Zanak'Isiraely, ary telo alina no isan'ny lehilahy amin'ny Joda.
8And he inspecteth them in Bezek, and the sons of Israel are three hundred thousand, and the men of Judah thirty thousand.
9Ary hoy izy tamin'ny iraka izay tonga teo: Izao no holazainareo amin'ny mponina ao Jabesi-gileada: Rahampitso ilay efa mafampana iny dia hisy famonjena ho anareo. Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin'ny mponina tao Jabesy; ka dia faly ireo.
9And they say to the messengers who are coming, `Thus do ye say to the men of Jabesh-Gilead: To-morrow ye have safety — by the heat of the sun;` and the messengers come and declare to the men of Jabesh, and they rejoice;
10Ary hoy ny mponina tao Jabesy: Rahampitso no hivoahanay ho eny aminareo, dia hataonareo aminay izay rehetra sitrakareo.
10and the men of Jabesh say [to the Ammonites], `To-morrow we come out unto you, and ye have done to us according to all that [is] good in your eyes.`
11Ary nony maraina, dia nozarain'i Saoly ho telo toko ny olona, ka tonga teo amin'ny toby tamin'ny fiambenana maraina izy ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan'ny andro; koa izay sisa dia niely patrana, ka tsy nisy olona tafaraka na dia hatramin'ny roa aza.
11And it cometh to pass, on the morrow, that Saul putteth the people in three detachments, and they come into the midst of the camp in the morning-watch, and smite Ammon till the heat of the day; and it cometh to pass that those left are scattered, and there have not been left of them two together.
12Ary hoy ny vahoaka tamin'i Samoela: Iza moa no nanao hoe: Saoly va no hanjaka aminay? Atolory ireny olona ireny hataonay maty.
12And the people say unto Samuel, `Who is he that saith, Saul doth reign over us! give ye up the men, and we put them to death.`
13Fa hoy Saoly: Tsy hisy olona hatao maty anio; fa androany no nanaovan'i Jehovah famonjena teo amin'ny Isiraely.
13And Saul saith, `There is no man put to death on this day, for to-day hath Jehovah wrought salvation in Israel.`
14Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka: Andeha isika hankany Gilgala hanavao ny fanjakana any.Dia lasa ny vahoaka nankany Gilgala; ary tany Gilgala no nananganany an'i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan'i Jehovah; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely.
14And Samuel saith unto the people, `Come and we go to Gilgal, and renew the kingdom there;`
15Dia lasa ny vahoaka nankany Gilgala; ary tany Gilgala no nananganany an'i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan'i Jehovah; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely.
15and all the people go to Gilgal, and cause Saul to reign there before Jehovah in Gilgal, and sacrifice there sacrifices of peace-offerings before Jehovah, and there Saul rejoiceth — and all the men of Israel — very greatly.