1[Ny nanambazan'i Asa an'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, hanampy azy hiady amin'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, sy ny nananaran'i Sanany mpaminany azy noho izany, ary ny nahafatesan'i Asa] Tamin'ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan'i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan'ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an'i Rama izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an'i Asa, mpanjakan'ny Joda.
1In the thirty and sixth year of the reign of Asa, come up hath Baasha king of Israel, against Judah, and buildeth Ramah, so as not to permit any going out and coming in to Asa king of Judah.
2Ary Asa namoaka volafotsy sy volamena avy tamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka, dia nampitondra azy tany amin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, izay nitoetra tany Damaskosy, ka nanao hoe:
2And Asa bringeth out silver and gold from the treasures of the house of Jehovah, and of the house of the king, and sendeth unto Ben-Hadad king of Aram, who is dwelling in Damascus, saying,
3Misy fanekena amiko sy aminao, dia ilay tamin'ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho, ka andeha, tsoahy ny fanekenao amin'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, mba hialany amiko. [Na: Aoka hisy]
3`A covenant [is] between me and thee, and between my father and thy father, lo, I have sent to thee silver and gold; go, break thy covenant with Baasha king of Israel, and he doth go up from off me.'
4Ary Beni-hadada nanaiky ny tenin'i Asa mpanjaka ka naniraka ireo komandin'ny miaramilany hamely ny tanànan'ny Isiraely; dia nandrava an'Iona sy Dana sy Abela-maima ary ny trano fitehirizana rehetra izay teny amin'ny tanànan'ny Naftaly izy.
4And Ben-Hadad hearkeneth unto king Asa, and sendeth the heads of the forces that he hath unto cities of Israel, and they smite Ijon, and Dan, and Abel-Maim, and all the stores, cities of Naphtali.
5Ary nony ren'i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an'i Rama intsony izy, fa natsahany ny asany.
5And it cometh to pass, at Baasha's hearing, that he ceaseth from building Ramah, and letteth his work rest;
6Ary Asa mpanjaka namory ny Joda rehetra; ary dia nesorin'ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin'i Basa, ka nentiny nanamboatra an'i Geba sy Mizpa.
6and Asa the king hath taken all Judah, and they bear away the stones of Ramah, and its wood, that Baasha hath built, and he buildeth with them Geba and Mizpah.
7Ary tamin'izany andro izany dia nankeo amin'i Asa, mpanjakan'ny Joda, Hanany mpahita ka nanao taminy hoe: Noho ny niankinanao tamin'ny mpanjakan'i Syria fa tsy niankina tamin'i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia afa-nandositra ny tananao ny miaramilan'ny mpanjakan'i Syria.
7And at that time hath Hanani the seer come in unto Asa king of Judah, and saith unto him, `Because of thy leaning on the king of Aram, and thou hast not leaned on Jehovah thy God, therefore hath the force of the king of Aram escaped from thy hand.
8Tsy maro be va ny Etiopiana sy ny Lobita, ary tsy maro be koa va ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin'i Jehovah, dia natolony teo an-tananao ireo.
8Did not the Cushim and the Lubim become a very great force for multitude, for chariot, and for horsemen? and in thy leaning on Jehovah He gave them into thy hand,
9Fa ny mason'i Jehovah mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin'izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin'izao.
9for Jehovah -- His eyes go to and fro in all the earth, to show Himself strong [for] a people whose heart [is] perfect towards Him; thou hast been foolish concerning this, because -- henceforth there are with thee wars.'
10Dia tezitra tamin'ilay mpahita Asa ka nanao azy tao an-trano-maizina; fa nisafoaka aminy indrindra izy noho izany. Ary ny olona sasany koa dia nampahorin'i Asa tamin'izay.
10And Asa is angry at the seer, and giveth him to the house of torture, for [he is] in a rage with him for this; and Asa oppresseth [some] of the people at that time.
11Ary, indro, ny tantaran'i Asa, na ny voalohany na ny farany, dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely.
11And lo, the matters of Asa, the first and the last, lo, they are written on the book of the kings of Judah and Israel.
12Tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Asa dia narary tamin'ny tongony izy, ka nihamafy indrindra ny aretiny; nefa na dia narary aza izy, dia tsy nitady an'i Jehovah, fa ny mpanao fanafody ihany.
12And Asa is diseased -- in the thirty and ninth year of his reign -- in his feet, till his disease is excessive, and also in his disease he hath not sought Jehovah, but among physicians.
13Ary Asa lasa nodi-mandry any amin'ny razany; maty izy tamin'ny taona fahiraika amby efa-polo nanjakany.Dia nalevina tao amin'ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan'i Davida, ka nampandrina teo amin'ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa voaharoharo araka ny fanaon'ny mpangaroharo zava-manitra, ary nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.
13And Asa lieth with his fathers, and dieth in the forty and first year of his reign,
14Dia nalevina tao amin'ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan'i Davida, ka nampandrina teo amin'ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa voaharoharo araka ny fanaon'ny mpangaroharo zava-manitra, ary nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.
14and they bury him in [one of] his graves, that he had prepared for himself in the city of David, and they cause him to lie on a bed that [one] hath filled [with] spices, and divers kinds of mixtures, with perfumed work; and they burn for him a burning -- very great.