Malagasy

Young`s Literal Translation

2 Corinthians

1

1[Fiarahabana sy fisaorana nataon'i Paoly noho ny nampiononan'Andriamanitra azy. Ny amin'ny nahasampona an'i Paoly tsy hankany Makedonia, sy hafatra ny amin'ny handraisana ilay efa nesorina, ary fisaoran'i Paoly an'Andriamanitra noho ny nitahiany ny tori-teniny] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy, mamangy ny fiangonan'Andriamanitra izay any Korinto mbamin'ny olona masina rehetra eran'i Akaia:
1Paul, an apostle of Jesus Christ, through the will of God, and Timotheus the brother, to the assembly of God that is in Corinth, with all the saints who are in all Achaia:
2ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
2Grace to you and peace from God our Father, and the Lord Jesus Christ!
3Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra,
3Blessed [is] God, even the Father of our Lord Jesus Christ, the Father of the mercies, and God of all comfort,
4Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay.
4who is comforting us in all our tribulation, for our being able to comfort those in any tribulation through the comfort with which we are comforted ourselves by God;
5Fa araka ny haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa amin'ny alalan'i Kristy.
5because, as the sufferings of the Christ do abound to us, so through the Christ doth abound also our comfort;
6Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin'ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin'izay entinay.
6and whether we be in tribulation, [it is] for your comfort and salvation, that is wrought in the enduring of the same sufferings that we also suffer; whether we are comforted, [it is] for your comfort and salvation;
7Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa.
7and our hope [is] stedfast for you, knowing that even as ye are partakers of the sufferings — so also of the comfort.
8Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza;
8For we do not wish you to be ignorant, brethren, of our tribulation that happened to us in Asia, that we were exceedingly burdened above [our] power, so that we despaired even of life;
9eny, tsy nanampo izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa amin'Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany.
9but we ourselves in ourselves the sentence of the death have had, that we may not be trusting on ourselves, but on God, who is raising the dead,
10Ary Izy no nahafaka anay tamin'izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka ihany; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa,
10who out of so great a death did deliver us, and doth deliver, in whom we have hoped that even yet He will deliver;
11satria ianareo koa miara-miasa ho anay amin'ny fivavahanareo mba hisaoran'ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin'ny nataon'ny maro.
11ye working together also for us by your supplication, that the gift through many persons to us, through many may be thankfully acknowledged for us.
12Fa izao no ataonay ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin'ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin'Andriamanitra, tsy tamin'ny fahendren'ny nofo, fa tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin'izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo.
12For our glorying is this: the testimony of our conscience, that in simplicity and sincerity of God, not in fleshly wisdom, but in the grace of God, we did conduct ourselves in the world, and more abundantly toward you;
13Fa tsy manoratra teny hafa aminareo izahay, afa-tsy izay vakinareo na izay fantatrareo; ary manantena aho fa mbola ho fantatrareo ihany hatramin'ny farany aza,
13for no other things do we write to you, but what ye either do read or also acknowledge, and I hope that also unto the end ye shall acknowledge,
14toy ny efa fantapantatrareo ihany fa voninahitrareo izahay, dia tahaka anareo kosa no voninahitray amin'ny andron'i Jesosy Tompontsika.
14according as also ye did acknowledge us in part, that your glory we are, even as also ye [are] ours, in the day of the Lord Jesus;
15Ary tamin'izao fahatokiana izao dia nikasa hankatỳ aminareo aloha aho (mba hahazoanareo soa fanindroany),
15and in this confidence I was purposing to come unto you before, that a second favour ye might have,
16ary hankany Makedonia aho, raha avy atỳ aminareo, ary dia vao hiverina ho atỳ aminareo indray raha avy any Makedonia, ary mba haterinareo ho any Jodia.
16and through you to pass to Macedonia, and again from Macedonia to come unto you, and by you to be sent forward to Judea.
17Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana?
17This, therefore, counselling, did I then use the lightness; or the things that I counsel, according to the flesh do I counsel, that it may be with me Yes, yes, and No, no?
18Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy eny sy tsia;
18and God [is] faithful, that our word unto you became not Yes and No,
19fa ny Zanak'Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany.
19for the Son of God, Jesus Christ, among you through us having been preached — through me and Silvanus and Timotheus — did not become Yes and No, but in him it hath become Yes;
20Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin'ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay.
20for as many as [are] promises of God, in him [are] the Yes, and in him the Amen, for glory to God through us;
21Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin'i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra,
21and He who is confirming you with us into Christ, and did anoint us, [is] God,
22Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika.
22who also sealed us, and gave the earnest of the Spirit in our hearts.
23Ary izaho miantso an'Andriamanitra ho vavolombelona ny amin'ny fanahiko, fa ny fialàko nenina aminareo ihany no tsy mbola nankanesako tatỳ Korinto.Kanefa tsy mihambo ho tompon'ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.
23And I for a witness on God do call upon my soul, that sparing you, I came not yet to Corinth;
24Kanefa tsy mihambo ho tompon'ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.
24not that we are lords over your faith, but we are workers together with your joy, for by the faith ye stand.