Malagasy

Young`s Literal Translation

Ezekiel

19

1Ary manaova hira fahalahelovana ny amin'ireo andrianan'ny Isiraely ianao,
1And thou, lift up a lamentation unto princes of Israel,
2ka ataovy hoe: Nahoana ny liom-bavy reninareo no namitsaka tao amin'ny liom-bavy. Ary nitaiza ny zanany tao amin'ny liona tanora?[Na: Inona moa reninareo? Liom-bavy izy. Namitsaka]
2and thou hast said: What [is] thy mother? — a lioness, Among lions she hath crouched down, In the midst of young lions she hath multiplied her whelps.
3Ary nahalehibe ny zanany anankiray izy, dia tonga liona tanora io ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
3And she bringeth up one of her whelps, A young lion it hath been, And it learneth to tear prey, man it hath devoured.
4Nahare ny lazany ny firenena, dia namandrika azy tamin'ny lavaka, ka nasiany masom-by ny orony, dia nentiny ho any amin'ny tany Egypta izy.
4And hear of it do nations, In their pit it hath been caught, And they bring it in with chains unto the land of Egypt.
5Ary nony hitan'ny liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany, dia nangalany indray ny zanany ka notezainy ho tonga liona tanora.
5And she seeth, that stayed — perished hath her hope, And she taketh one of her whelps, A young lion she hath made it.
6Ary nivoivoy teny amin'ny liom-bavy iny, dia tonga liona tanora ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
6And it goeth up and down in the midst of lions, A young lion it hath been, And it learneth to tear prey, man it hath devoured.
7Ary nisavika ny mpitondratenan'ireny izy sady nandrava ny tanànany, ka lao ny tany mbamin'izay rehetra tao aminy. Noho ny feon'ny fierony.[Na: Ary fantany ny lapan'ireny]
7And it knoweth his forsaken habitations, And their cities it hath laid waste, And desolate is the land and its fulness, Because of the voice of his roaring.
8Ary ny jentilisa manodidina, izay avy any amin'ny fanjakana samy hafa, dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy, ka dia voafandrika tamin'ny lavaka izy.
8And set against it do nations Round about from the provinces. And they spread out for it their net, In their pit it hath been caught.
9Ary nataony tamin'ny vata izy, sady nasiany masom-by ny orony, ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona izy, nentiny ho ao amin'ny fiarovana izy, mba tsy ho re eny amin'ny tendrombohitry ny Isiraely intsony ny feony.
9And they put it in prison — in chains, And they bring it unto the king of Babylon, They bring it in unto bulwarks, So that its voice is not heard any more On mountains of Israel.
10Ny reninao dia tahaka ny voalobota voavoly teo amoron-drano Tamin'ny andro niadananao: Vokatra sady nanaroka izy azon'ny rano be,[Na: Fony tamin'ny rànao ianao; izahao xvi. 6; na: Eny, tahaka ny tenanao]
10Thy mother [is] as a vine in thy blood by waters planted, Fruitful and full of boughs it hath been, Because of many waters.
11Ka nisy rantsany mafy azo natao tehim-panjakana ho an'izay manapaka, dia tonga avo izy ka nitehika tamin'ny rahona matevina, ary niseho tamin'ny hahavony izy noho ny hamaroan'ny rantsany.
11And it hath strong rods for sceptres of rulers, And high is its stature above thick branches, And it appeareth in its height In the multitude of its thin shoots.
12Nefa nongotana tamin'ny fahavinirana izy ka nazera ho amin'ny tany, ary ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany; Ny rantsany mafy dia tapaka ka maina; Levon'ny afo ireny.
12And it is plucked up in fury, To the earth it hath been cast, And the east wind hath dried up its fruit, Broken and withered hath been the rod of its strength, Fire hath consumed it.
13Ary ankehitriny voavoly any an-efitra, dia ao amin'ny tany maina karankaina izy.Ary afo no mivoaka avy amin'ny sampany misy tehina ka mandevona ny voany, dia tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fahalahelovana izany sady mbola ho hira fahalahelovana ihany.
13And now — it is planted in a wilderness, In a land dry and thirsty.
14Ary afo no mivoaka avy amin'ny sampany misy tehina ka mandevona ny voany, dia tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fahalahelovana izany sady mbola ho hira fahalahelovana ihany.
14And go forth doth fire from a rod of its boughs, Its fruit it hath devoured, And it hath no rod of strength — a sceptre to rule, Lamentation it [is] — and it is for a lamentation!`