1Ary nentiny ho ao amin'ny ati-trano lehibe aho, dia norefesiny ny tongo-bato, ka enina hakiho ny sakany tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny sakany tamin'ny lafiny iray; sakan'ny trano-lay izany.
1And he bringeth me in unto the temple, and he measureth the posts, six cubits the breadth on this side, and six cubits the breadth on that side — the breadth of the tent.
2Ary ny sakan'ny varavarana dia folo hakiho; ary ny teo an-danin'ny varavarana dia dimy hakiho avy; ary norefesiny ny lavany, ka efa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
2And the breadth of the opening [is] ten cubits; and the sides of the opening [are] five cubits on this side, and five cubits on that side; and he measureth its length forty cubits, and the breadth twenty cubits.
3Dia nandroso ho ao anatiny indrindra izy ary, norefesiny ny tongo-bato eo an-danin'ny varavarana, ka roa hakiho, ary ny varavarana enina hakiho, ary ny sakan'ny varavarana fito hakiho.
3And he hath gone inward, and measureth the post of the opening two cubits, and the opening six cubits, and the breadth of the opening seven cubits.
4Dia norefesiny ny lavany, ka roa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho teo anoloan'ny ati-trano lehibe; dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana masina indrindra.
4And he measureth its length twenty cubits, and the breadth twenty cubits, unto the front of the temple, and he saith unto me, `This [is] the holy of holies.`
5Ary samy norefesiny manodidina, ka ny hatevin'ny rindrin'ny trano dia enina hakiho, ary ny sakan'ny paosin-trano dia efatra hakiho.
5And he measureth the wall of the house six cubits, and the breadth of the side-chamber four cubits, all round the house round about.
6Ary ireo paosin-trano ireo dia nifanongoa telo sady telo-polo milahatra; ary niankina tamin'ny rindrin-trano izay ho an'ny paosin-trano manodidina izy mba hitsatohany, fa tsy hitsatoka amin'ny rindrin'ny trano.
6And the side-chambers [are] side-chamber by side-chamber, three and thirty times; and they are entering into the wall — which the house hath for the side-chambers all round about — to be taken hold of, and they are not taken hold of by the wall of the house.
7Ary ny sakan'ireo efi-trano ireo dia nihamalalaka manodidina isaky ny mifanongoa, fa niampy isaky ny mifanongoa izy, ka dia nihamalalaka araka ny fisandrany; ary ny tombon'ny ambony amin'ny an-tenatenany dia tahaka ny tombon'ny an-tenatenany amin'ny ambany.
7And a broad place and a turning place still upwards [are] to the side-chambers, for the turning round of the house [is] still upwards all round about the house: therefore the breadth of the house [is] upwards, and so the lower one goeth up unto the higher by the midst.
8Dia hitako fa nisy tokotany nasandratra manodidina ny trano ho fanorenan'ny paosin-trano, dia eran'ilay volotara hatramin'ny ifanohizany.[Na: Dia noheveriko ny hahavon'ny trano manodidina; ary ny fanorenan'ny paosin-trano dia]
8And I have looked at the house, the height all round about: the foundations of the side-chambers [are] the fulness of the reed, six cubits by the joining.
9Ny hatevin'ny rindrina ivelany amin'ny paosin-trano dia dimy hakiho; ary hoatra izany koa ilay sisa navela manolotra ny paosin-trano.
9The breadth of the wall that [is] to the side-chamber at the outside [is] five cubits; and that which is left [is] the place of the side-chambers that [are] to the house.
10Ary ny teo anelanelan'ny efi-trano dia roa-polo hakiho manodidina ny trano na aiza na aiza.
10And between the chambers [is] a breadth of twenty cubits round about the house, all round about.
11Ary ny varavaran'ny paosin-trano dia mankao amin'ilay sisa navela, dia varavarana iray manatrika ny avaratra, ary iray koa manatrika ny atsimo; ary ny sakan'ilay sisa navela dia dimy hakiho manodidina.
11And the opening of the side-chamber [is] to the place left, one opening northward, and one opening southward, and the breadth of the place that is left [is] five cubits all round about.
12Ary ny trano izay teo anoloan'ilay kianja voatokana tamin'ny lafiny andrefana, dia dia fito-polo hakiho ny sakany; ary ny rindrin'ny trano, dia dimy hakiho ny hatevin'ny manodidina, ary sivi-folo hakiho ny lavany.
12As to the building that [is] at the front of the separate place [at] the corner westward, the breadth [is] seventy cubits, and the wall of the building five cubits broad all round about, and its length ninety cubits.
13Dia nandrefy ny trano izy, ka zato hakiho ny lavany, ary ny kianja voatokana sy ny trano ary ny rindrina, dia zato hakiho ny lavany.
13And he hath measured the house, the length [is] a hundred cubits; and the separate place, and the building, and its walls, the length [is] a hundred cubits;
14Ary ny sakan'ny trano eo anoloany sy ny kianja voatokana teo atsinanana dia zato hakiho.
14and the breadth of the front of the house, and of the separate place eastward, a hundred cubits.
15Dia norefesiny ny lavan'ny trano teo anoloan'ny kianja izay tao ivohony, ary ny lalan-tsarany teo an-daniny roa, ka zato hakiho. Ny tempoly ao anaty sy ny lavarangana ao amin'ny kianja
15And he hath measured the length of the building unto the front of the separate place that [is] at its hinder part, and its galleries on this side and on that side, a hundred cubits, and the inner temple and the porches of the court,
16ary ny tokonana sy ny varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny lalan-tsara manodidina amin'izy telo (manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, ary hatramin'ny tany ka hatramin'ny varavarankely koa, ary voasarona ny varavarankely),
16the thresholds, and the narrow windows, and the galleries round about them three, over-against the threshold, a ceiling of wood all round about, and the ground unto the windows and the covered windows,
17ary ny eo ambonin'ny varavarana, na amin'ny trano ao anatiny, na ny eny ivelany, mbamin'ny rindrina manodidina, na ny ao anatiny na ny eny ivelany, koa samy natao tamin'ny ohatra avokoa.
17over above the opening, and unto the inner-house, and at the outside, and by all the wall all round about within and without [by] measure.
18Ary nisy sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia natao, ka ny sarin'ny hazo rofia dia teo anelanelan'ny kerobima, ary ny kerobima dia samy nanana tarehy roa avy,[palma]
18And it is made [with] cherubs and palm-trees, and a palm-tree [is] between cherub and cherub, and two faces [are] to the cherub;
19ka ny tarehin'olona no nanatrika ny hazo rofia tamin'ny an-kilany iray, ary ny tarehin-diona tanora kosa no nanatrika ny hazo rofia tamin'ny an-kilany iray; ny manodidina ny trano dia natao tahaka izany avokoa izy rehetra.[palma]
19and the face of man [is] unto the palm-tree on this side, and the face of a young lion unto the palm-tree on that side; it is made unto all the house all round about.
20Hatramin'ny tany ka hatrany ambonin'ny varavarana no nasiana sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia, dia teo amin'ny rindrin'ny ati-trano lehibe.[palma]
20from the earth unto above the opening [are] the cherubs and the palm-trees made, and [on] the wall of the temple.
21Efa-joro ny tolan'ny ati-trano lehibe, ary ny anoloana amin'ny fitoerana masina dia nitovy tarehy tamin'izany koa.
21Of the temple the side post [is] square, and of the front of the sanctuary, the appearance [is] as the appearance.
22Ny alitara dia hazo, ka telo hakiho ny hahavony, ary roa hakiho ny lavany; ary nisy zorony koa, ary ny lavany sy ny rindriny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan'i Jehovah.
22Of the altar, the wood [is] three cubits in height, and its length two cubits; and its corners [are] to it, and its length, and its walls [are] of wood, and he speaketh unto me, `This [is] the table that [is] before Jehovah.`
23Ary ny ati-trano lehibe sy ny fitoerana masina dia nisy lela-varavarana roa.
23And two doors [are] to the temple and to the sanctuary;
24Ary ireo lela-varavarana ireo dia samy kopa-droa avy, dia lela-varavarana roa amin'ny anankiray, ary lela-varavarana roa koa amin'ny anankiray.
24and two leaves [are] to the doors, two turning leaves [are] to the doors, two to the one door, and two leaves to the other.
25Ary nisy sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia natao teo amin'ny varavaran'ny ati-trano lehibe tahaka izay natao teo amin'ny rindrina ihany; ary nisy tokonana hazo teo anoloan'ny lavarangana fidirana, dia teo ivelany.[palma][Na: tatao]Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha sy sarin'ny hazo rofia teo an-daniny roa, dia teo anilan'ny lavarangana fidirana sy teo amin'ny efi-trano momba ny trano ary teo amin'ny tokonana.[palma][Na: tatao]
25And made on them, on the doors of the temple, [are] cherubs and palm-trees as are made on the walls, and a thickness of wood [is] at the front of the porch on the outside.
26Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha sy sarin'ny hazo rofia teo an-daniny roa, dia teo anilan'ny lavarangana fidirana sy teo amin'ny efi-trano momba ny trano ary teo amin'ny tokonana.[palma][Na: tatao]
26And narrow windows and palm-trees [are] on this side, and on that side, at the sides of the porch, and the side-chambers of the house, and the thick places.