Malagasy

Young`s Literal Translation

Galatians

1

1[Fiarahabana] Paoly Apostoly - tsy avy tamin'olona, na tamin'ny alalan'olona, fa tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin'ny maty -
1Paul, an apostle — not from men, nor through man, but through Jesus Christ, and God the Father, who did raise him out of the dead —
2mbamin'ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana atỳ Galatia: [ Gr. eklesia]
2and all the brethren with me, to the assemblies of Galatia:
3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika,
3Grace to you, and peace from God the Father, and our Lord Jesus Christ,
4Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin'izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon'Andriamanitra Raintsika; [ Na: izao andro ratsy izao]
4who did give himself for our sins, that he might deliver us out of the present evil age, according to the will of God even our Father,
5ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
5to whom [is] the glory to the ages of the ages. Amen.
6[Fananarana ny Galatiana noho ny fivadibadihany, sy ny fanambarana ny mah'Apostoly an'i Paoly] Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin'izay efa niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa,
6I wonder that ye are so quickly removed from Him who did call you in the grace of Christ to another good news;
7izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy. [ Gr. anankiray koa]
7that is not another, except there be certain who are troubling you, and wishing to pervert the good news of the Christ;
8Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. [ Na: manohitra] [ Gr. anatema]
8but even if we or a messenger out of heaven may proclaim good news to you different from what we did proclaim to you — anathema let him be!
9Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy, [ Gr. anatema]
9as we have said before, and now say again, If any one to you may proclaim good news different from what ye did receive — anathema let him be!
10Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.
10for now men do I persuade, or God? or do I seek to please men? for if yet men I did please — Christ`s servant I should not be.
11Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany.
11And I make known to you, brethren, the good news that were proclaimed by me, that it is not according to man,
12Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany.
12for neither did I from man receive it, nor was I taught [it], but through a revelation of Jesus Christ,
13Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin'ny fivavahan'ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy; [ Gr. eklesia]
13for ye did hear of my behaviour once in Judaism, that exceedingly I was persecuting the assembly of God, and wasting it,
14ary nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin'ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.
14and I was advancing in Judaism above many equals in age in mine own race, being more abundantly zealous of my fathers` deliverances,
15Fa raha sitrak'Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon'ineny ny niantso ahy tamin'ny fahasoavany,
15and when God was well pleased — having separated me from the womb of my mother, and having called [me] through His grace —
16ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin'ny jentilisa, niaraka tamin'izay dia tsy naka saina tamin'ny nofo aman-drà aho,
16to reveal His Son in me, that I might proclaim him good news among the nations, immediately I conferred not with flesh and blood,
17ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin'izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray.
17nor did I go up to Jerusalem unto those who were apostles before me, but I went away to Arabia, and again returned to Damascus,
18Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an'i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin'ny folo andro.
18then, after three years I went up to Jerusalem to enquire about Peter, and remained with him fifteen days,
19Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin'ny Tompo. [ Na: fa Jakoba kosa]
19and other of the apostles I did not see, except James, the brother of the Lord.
20Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho.
20And the things that I write to you, lo, before God — I lie not;
21Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Syria sy Kilikia aho;
21then I came to the regions of Syria and of Cilicia,
22ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin'i Kristy, ny tarehiko. [ Gr. eklesia]
22and was unknown by face to the assemblies of Judea, that [are] in Christ,
23Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny .Ary dia nankalazany an'Andriamanitra aho.
23and only they were hearing, that `he who is persecuting us then, doth now proclaim good news — the faith that then he was wasting;`
24Ary dia nankalazany an'Andriamanitra aho.
24and they were glorifying God in me.