Malagasy

Young`s Literal Translation

Genesis

5

1[Ny taranak'i Adama tamin'i Seta ka hatramin'i Noa] Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no nanaovany azy;
1This [is] an account of the births of Adam: In the day of God`s preparing man, in the likeness of God He hath made him;
2lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin'ny andro namoronany azy.
2a male and a female He hath prepared them, and He blesseth them, and calleth their name Man, in the day of their being prepared.
3Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta.
3And Adam liveth an hundred and thirty years, and begetteth [a son] in his likeness, according to his image, and calleth his name Seth.
4Ary ny andron'i Adama taorian'ny niterahany an'i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
4And the days of Adam after his begetting Seth are eight hundred years, and he begetteth sons and daughters.
5Ary ny andro rehetra niainan'i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
5And all the days of Adam which he lived are nine hundred and thirty years, and he dieth.
6Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan'i Seta, dia niteraka an'i Enosy izy.
6And Seth liveth an hundred and five years, and begetteth Enos.
7Ary ny andro niainan'i Seta taorian'ny niterahany an'i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
7And Seth liveth after his begetting Enos eight hundred and seven years, and begetteth sons and daughters.
8Ary ny andro rehetra niainan'i Seta dia roa ambin'ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy;
8And all the days of Seth are nine hundred and twelve years, and he dieth.
9Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan'i Enosy, dia niteraka an'i Kenana izy.
9And Enos liveth ninety years, and begetteth Cainan.
10Ary ny andro niainan'i Enosy taorian'ny niterahany an'i Kenana dia dimy ambin'ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy;
10And Enos liveth after his begetting Cainan eight hundred and fifteen years, and begetteth sons and daughters.
11Ary ny andro rehetra niainan'i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy.
11And all the days of Enos are nine hundred and five years, and he dieth.
12Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan'i Kenana, dia niteraka an'i Mahalalila izy.
12And Cainan liveth seventy years, and begetteth Mahalaleel.
13Ary ny andro niainan'i Kenana taorian'ny niterahany an'i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
13And Cainan liveth after his begetting Mahalaleel eight hundred and forty years, and begetteth sons and daughters.
14Ary ny andro rehetra niainan'i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
14And all the days of Cainan are nine hundred and ten years, and he dieth.
15Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Mahalalila, dia niteraka an'i Jareda izy.
15And Mahalaleel liveth five and sixty years, and begetteth Jared.
16Ary ny andro niainan'i Mahalalila taorian'ny niterahany an'i Jareda dia telo-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
16And Mahalaleel liveth after his begetting Jared eight hundred and thirty years, and begetteth sons and daughters.
17Ary ny andro rehetra niainan'i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy.
17And all the days of Mahalaleel are eight hundred and ninety and five years, and he dieth.
18Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan'i Jareda dia niteraka an'1 Enoka izy.
18And Jared liveth an hundred and sixty and two years, and begetteth Enoch.
19Ary ny andro niainan'i Jareda taorian'ny niterahany niterahany an'i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
19And Jared liveth after his begetting Enoch eight hundred years, and begetteth sons and daughters.
20Ary ny andro rehetra niainan'i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
20And all the days of Jared are nine hundred and sixty and two years, and he dieth.
21Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Enoka, dia niteraka an'i Metosela izy.
21And Enoch liveth five and sixty years, and begetteth Methuselah.
22Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian'ny niterahany an'i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
22And Enoch walketh habitually with God after his begetting Methuselah three hundred years, and begetteth sons and daughters.
23Ary ny andro rehetra niainan'i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona.
23And all the days of Enoch are three hundred and sixty and five years.
24Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra.
24And Enoch walketh habitually with God, and he is not, for God hath taken him.
25Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Metosela, dia niteraka an'i Lameka izy.
25And Methuselah liveth an hundred and eighty and seven years, and begetteth Lamech.
26Ary ny andro niainan'i Metosela taorian'ny niterahany an'i Lameka dia roa amby valo-polo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
26And Methuselah liveth after his begetting Lamech seven hundred and eighty and two years, and begetteth sons and daughters.
27Ary ny andro rehetra niainan'i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
27And all the days of Methuselah are nine hundred and sixty and nine years, and he dieth.
28Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Lameka, dia niteraka zazalahy izy;
28And Lamech liveth an hundred and eighty and two years, and begetteth a son,
29ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin'ny asantsika sy ny fisasaran'ny tanantsika noho ny tany izay voaozon'i Jehovah.
29and calleth his name Noah, saying, `This [one] doth comfort us concerning our work, and concerning the labour of our hands, because of the ground which Jehovah hath cursed.`
30Ary ny andro niainan'i Lameka taorian'ny niterahany an'i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
30And Lamech liveth after his begetting Noah five hundred and ninety and five years, and begetteth sons and daughters.
31Ary ny andro rehetra niainan'i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy.Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an'i Sema sy Hama ary Jafeta izy.
31And all the days of Lamech are seven hundred and seventy and seven years, and he dieth.
32Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an'i Sema sy Hama ary Jafeta izy.
32And Noah is a son of five hundred years, and Noah begetteth Shem, Ham, and Japheth.