Malagasy

Young`s Literal Translation

Habakkuk

1

1[Ny fandozana nataon'ny Kaldeana, ary ny fitarainan'ny mpaminany noho izany] Faminaniana ny loza hanjo, izay hitan'i Habakoka mpaminany.
1The burden that Habakkuk the prophet hath seen:
2Jehovah ô, indrisy ny hahelan'ny efa nitarainako, Nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany.
2Till when, O Jehovah, have I cried, And Thou dost not hear? I cry unto Thee — `Violence,` and Thou dost not save.
3Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery fahoriana Hianao? Fa fandravana sy loza no eo anatrehako, Ary misy ady, sady miseho ny fifandirana.
3Why dost Thou shew me iniquity, And perversity dost cause to behold? And spoiling and violence [are] before me, And there is strife, and contention doth lift [itself] up,
4Koa noho izany dia ngoly ny lalàna, Ary tsy mivoaka ny rariny; Fa irohonan'ny ratsy fanahy ny marina, Ka izany no ivoahan'ny fitsarana miangatra .[Heb. miolana]
4Therefore doth law cease, And judgment doth not go forth for ever, For the wicked is compassing the righteous, Therefore wrong judgment goeth forth.
5Jereo any amin'ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin'ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.
5Look ye on nations, and behold and marvel greatly. For a work He is working in your days, Ye do not believe though it is declared.
6Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, Dia ilay firenena masiaka sady mirehidrehitra, Izay mamaky eran'ny tany Hahazoany fonenana izay tsy azy.[Heb. mangidy]
6For, lo, I am raising up the Chaldeans, The bitter and hasty nation, That is going to the broad places of earth, To occupy tabernacles not its own.
7Mahatsiravina sy mahatahotra izy; Avy amin'ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany.
7Terrible and fearful it [is], From itself its judgment and its excellency go forth.
8Faingana noho ny leoparda ny soavaliny Sady masiaka noho ny amboadia hariva; Ny mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny mpitaingin-tsoavaliny dia avy lavitra; Miezaka toy ny voromahery maika hihinana izy.[lopa]
8Swifter than leopards have been its horses, And sharper than evening wolves, And increased have its horsemen, Even its horsemen from afar come in, They fly as an eagle, hasting to consume.
9Hampidi-doza no ihavian'izy rehetra; Ny handroso ihany no atrehiny fatratra, Ka manangona sambotra toy ny fasika izy.[Na: atrehan'izy rehetra]
9Wholly for violence it doth come in, Their faces swallowing up the east wind, And it doth gather as the sand a captivity.
10Izy manakora ny mpanjaka, Ary ihomehezany ny mpanapaka; Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany, Ka dia manandratra tovon-tany izy ka mahafata azy.[Heb. vovoka]
10And at kings it doth scoff, And princes [are] a laughter to it, At every fenced place it doth laugh, And it heapeth up dust, and captureth it.
11Dia mihelina toy ny rivotra izy Ary mandroso ka mahazo heloka. Izany heriny izany no andriamaniny!
11Then passed on hath the spirit, Yea, he doth transgress, And doth ascribe this his power to his god.
12Tsy hatrizay hatrizay va Hianao, Jehovah Andriamanitro, Iray Masiko? Tsy ho faty izahay; Ry Jehovah ô, ho famaizana no nanendrenao ireny, Ry Vatolampy ô, fananarana no nanangananao azy
12Art not Thou of old, O Jehovah, my God, my Holy One? We do not die, O Jehovah, For judgment Thou hast appointed it, And, O Rock, for reproof Thou hast founded it.
13Hianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy Ary tsy mahajery fahoriana, Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka Ary mangina, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy,
13Purer of eyes than to behold evil, To look on perverseness Thou art not able, Why dost Thou behold the treacherous? Thou keepest silent when the wicked Doth swallow the more righteous than he,
14Ary manao ny olona ho toy ny hazandrano any an-dranomasina, Sy ho toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy mana-mpanapaka?
14And Thou makest man as fishes of the sea, As a creeping thing — none ruling over him.
15Aingainy amin'ny fintana izy rehetra, Samboriny amin'ny haratony Ary sarihany amin'ny harato tarihiny; Ka dia faly sy ravoravo izy.
15Each of them with a hook he hath brought up, He doth catch it in his net, and gathereth it in his drag, Therefore he doth joy and rejoice.
16Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an'ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an'ny harato tarihiny; Fa ireo no ahazoany hanina matsiro sy anjara matavy.Koa noho izany dia hanaisotra ny ao amin'ny tandrohony va izy Ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?
16Therefore he doth sacrifice to his net, And doth make perfume to his drag, For by them [is] his portion fertile, and his food fat.
17Koa noho izany dia hanaisotra ny ao amin'ny tandrohony va izy Ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?
17Doth he therefore empty his net, And continually to slay nations spare not?