Malagasy

Young`s Literal Translation

Isaiah

17

1[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Damaskosy] Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy.
1The burden of Damascus. Lo, Damascus is taken away from [being] a city, And it hath been a heap — a ruin.
2Efa lao ny tanànan'i Aroera ka ho an'ny andian'ny ondry aman'osy, handry ao ireo, ka tsy hisy hanaitaitra azy,
2Forsaken are the cities of Aroer, For droves they are, and they have lain down, And there is none troubling.
3Ary tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy; Ary izay sisa amin'i Syria dia hitovy voninahitra amin'ny Zanak'Isiraely; Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
3And ceased hath the fortress from Ephraim, And the kingdom from Damascus, And the remnant of Aram are as the honour of the sons of Israel, The affirmation of Jehovah of Hosts!
4Ary amin'izany andro izany dia hihena ny voninahitr'i Jakoba, ary hihena ny hataviny.
4And it hath come to pass, in that day, Wax poor doth the honour of Jacob, And the fatness of his flesh doth wax lean.
5Ary ho tahaka ny fanangon'ny olona ny vary an-tahony amin'ny fararano izany, ka tangosan'ny sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka ny fanangon'ny olona salohim-bary eny amin'ny lohosahan'ny Refaita;
5And it hath come to pass, As the gathering by the reaper of the standing corn, And his arm the ears reapeth, And it hath come to pass, As the gathering of the ears in the valley of Rephaim,
6Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny amin'ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin'ny rantsan'ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
6And left in him have been gleanings, As the compassing of an olive, Two — three berries on the top of a branch, Four — five on the fruitful boughs, The affirmation of Jehovah, God of Israel!
7Amin'izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin'ny Isiraely,
7In that day doth man look to His Maker, Yea, his eyes to the Holy One of Israel look,
8Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan'ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon'ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny tsangankazo ho an'ny masoandro.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny][Na: tsangam-bato]
8And he looketh not unto the altars. The work of his own hands, And that which his own fingers made He seeth not — the shrines and the images.
9Amin'izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an'ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan'ny olona teo anoloan'ny Zanak'Isiraely, ka dia ho foana ny tany.
9In that day are the cities of his strength As the forsaken thing of the forest, And the branch that they have left, Because of the sons of Israel, It also hath been a desolation.
10Fa nanadino an'Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin'ny firenena hafa no nambolenao teo;
10Because thou hast forgotten the God of thy salvation, And the rock of thy strength hast not remembered, Therefore thou plantest plants of pleasantness, And with a strange slip sowest it,
11Tamin'ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin'ny andro fangirifiriana sy fanaintainana tsy azo sitranina. [Na: Nefa ho levona ny vokatra amin'ny andro hahazoana azy]
11In the day thy plant thou causest to become great, And in the morning thy seed makest to flourish, A heap [is] the harvest in a day of overflowing, And of mortal pain.
12[Ny handringanana ny Asyriana] Indrisy ny fihahohahon'ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon'ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon'ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon'ny rano manonja ny firohondrohony!
12Wo [to] the multitude of many peoples, As the sounding of seas they sound; And [to] the wasting of nations, As the wasting of mighty waters they are wasted.
13Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon'ny rano be ny firenena; kanefa hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin'ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin'ny tadio.Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran'izay mamabo antsika sy tambin'izay mandroba antsika.
13Nations as the wasting of many waters are wasted, And He hath pushed against it, And it hath fled afar off, And been pursued as chaff of hills before wind, And as a rolling thing before a hurricane.
14Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran'izay mamabo antsika sy tambin'izay mandroba antsika.
14At even-time, lo, terror, before morning it is not, This [is] the portion of our spoilers, And the lot of our plunderers!