Malagasy

Young`s Literal Translation

Isaiah

27

1Amin'izany andro izany ny sabatr'i Jehovah, izay mafy sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly ny leviatana, dia ilay menarana mandositra, sy ny leviatana, dia ilay menarana miforoporotra, Ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina.
1In that day lay a charge doth Jehovah, With his sword — the sharp, and the great, and the strong, On leviathan — a fleeing serpent, And on leviathan — a crooked serpent, And He hath slain the dragon that [is] in the sea.
2Amin'izany andro izany no hihiranareo ny amin'ny tanim-boaloboka ahazoana divay mahery hoe:
2In that day, `A desirable vineyard,` respond ye to her,
3Izaho Jehovah no mpiaro io; Isaky ny indray mipi-maso no andemako azy, Fandrao misy manimba azy; Na andro na alina dia miaro azy aho.
3I, Jehovah, am its keeper, every moment I water it, Lest any lay a charge against it, Night and day I keep it!
4Tsy misy fahatezerana ato amiko; Enga anie ka hisy hery sy tsilo eto anatrehako hiadiako. Dia hiroatako ireo ka hodorako avokoa!
4Fury is not in Me; Who giveth Me a brier — a thorn in battle? I step into it, I burn it at once.
5Fa raha tsy izany, dia aoka hifikitra amin'ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy.
5Or — he doth take hold on My strength, He doth make peace with Me, Peace he doth make with Me.
6Amin'ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; Ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao tontolo izao amin'ny fahavokarany.
6Those coming in He causeth to take root, Jacob doth blossom, and flourished hath Israel, And they have filled the face of the world [with] increase.
7[Ny namaizan'i Jehovah ny Isiraely sy ny mbola hamindrany fo aminy] Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no moa namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa?
7As the smiting of his smiter hath He smitten him? As the slaying of his slain doth He slay?
8Tamin'ny nandroahany azy dia voafetra no niadiany taminy; Nokororohiny tamin'ny rivony mahery izy tamin'ny andron'ny rivotra avy any atsinanana.
8In measure, in sending it forth, thou strivest with it, He hath taken away by His sharp wind, In the day of an east wind,
9Ka izao no hamelana ny helok'i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin'ny anaovany ny vato rehetra amin'ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na sariny][Na: tsangam-bato]
9Therefore by this is the iniquity of Jacob covered, And this [is] all the fruit — To take away his sin, in His setting all the stones of an altar, As chalkstones beaten in pieces, They rise not — shrines and images.
10Fa ho foana ny tanàna mimanda, ka dia ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny efitra: Ao no hihinanan'ny zanak'omby, ary ao no handriany sy handaniany ny rantsan-kazony.
10For the fenced city [is] alone, A habitation cast out and forsaken as a wilderness, There doth the calf delight, And there it lieth down, And hath consumed its branches.
11Raha malazo ny rantsany, dia hotapatapahina, ka ho avy ny vehivavy hitaina azy, satria firenena tsy manam-pahalalana izy, dia tsy hiantra azy ny Mpanao azy, ary tsy hamindra fo aminy ny Mpamorona azy.
11In the withering of its branch it is broken off, Women are coming in setting it on fire, For it [is] not a people of understanding, Therefore pity it not doth its Maker, And its Former doth not favour it.
12Ary amin'izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon'i Jehovah hatramin'ny ony mandriaka ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak'Isiraely.[Na: fivelezam-bary]Ary amin'izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin'ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin'ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah ao amin'ny tendrombohitra masina any Jerosalema.
12And it hath come to pass, in that day, Beat out doth Jehovah from the branch of the river, Unto the stream of Egypt, And ye are gathered one by one, O sons of Israel.
13Ary amin'izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin'ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin'ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah ao amin'ny tendrombohitra masina any Jerosalema.
13And it hath come to pass, in that day, It is blown with a great trumpet, And come in have those perishing in the land of Asshur, And those cast out in the land of Egypt, And have bowed themselves to Jehovah, In the holy mount — in Jerusalem!