1Ary ny loka faharoa dia azon'i Simeona, dia ny firenena taranak'i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin'ny lovan'ny taranak'i Joda.
1And the second lot goeth out for Simeon, for the tribe of the sons of Simeon, for their families; and their inheritance is in the midst of the inheritance of the sons of Judah,
2Ary izao no azony ho lovany: Beri-sheba, na Seba, sy Molada
2and they have in their inheritance Beer-Sheba, and Sheba, and Moladah,
3sy Hazara-soala sy Bala sy Azema
3and Hazar-Shual, and Balah, and Azem,
4sy Eltolada sy Betola sy Horma
4and Eltolad, and Bethul, and Hormah,
5sy Ziklaga sy Beti-markabota sy Hazara-sosa
5and Ziklag, and Beth-Marcaboth, and Hazar-Susah,
6sy Beti-lebaota ary Sarohena: tanàna telo ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
6and Beth-Lebaoth, and Sharuhen; thirteen cities and their villages.
7sy Aina sy Rimona sy Etera sy Asana: tanàna efatra sy ny zana-bohiny;
7Ain, Remmon, and Ether, and Ashan; four cities and their villages;
8ary ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Baleta-bera sy Rama amin'ny tany atsimo. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Simeona araka ny fotony.
8also all the villages which [are] round about these cities, unto Baalath-Beer, Ramoth of the south. This [is] the inheritance of the tribe of the sons of Simeon, for their families;
9Avy tamin'ny anjaran'ny taranak'i Joda no nahazoan'ny taranak'i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran'ny taranak'i Joda, ka izany no nahazoan'ny taranak'i Simeona anjara tao anatin'ny azy.
9out of the portion of the sons of Judah [is] the inheritance of the sons of Simeon, for the portion of the sons of Judah hath been too much for them, and the sons of Simeon inherit in the midst of their inheritance.
10Ary ny loka fahatelo dia azon'ny taranak'i Zebolona isam-pokony; ary ny faritanin'ny lovany dia hatrany Sarida,
10And the third lot goeth up for the sons of Zebulun, for their families; and the border of their inheritance is unto Sarid,
11dia niakatra niankandrefana hatrany Marala, dia nahazo an'i Dabeseta ka nihatra tamin'ny lohasahan-driaka tandrifin'i Jokneama,
11and their border hath gone up towards the sea, and Maralah, and come against Dabbasheth, and come unto the brook which [is] on the front of Jokneam,
12dia nitodika niantsinanana hatrany Sarida ka hatramin'ny fari-tanin'i Rislota-tabara, dia nandroso hatrany Daberata ka niakatra hatrany Jafia,
12and turned back from Sarid eastward, at the sun-rising, by the border of Chisloth-Tabor, and gone out unto Daberath, and gone up to Japhia,
13dia nandroso niantsinanana hatrany Gata-hefera sy Ita-kazina ka nandroso hatrany Rimona, izay mipaka an'i Nea,
13and thence it hath passed over eastward, to the east, to Gittah-Hepher, [to] Ittah-Kazin, and gone out [to] Rimmon-Methoar to Neah;
14dia niolaka eo avaratr'iny ka nahazo an'i Hanatona, dia nihatra tamin'ny lohasaha Jifta-ela.
14and the border hath gone round about it, from the north to Hannathon; and its outgoings have been [in] the valley of Jiphthah-El,
15Ary Katata sy Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tanàna roa ambin'ny folo sy ny zana-bohiny.
15and Kattath, and Nahallal, and Shimron, and Idalah, and Beth-Lehem; twelve cities and their villages.
16Izany no lovan'ny taranak'i Zebolona araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
16This [is] the inheritance of the sons of Zebulun, for their families, these cities and their villages.
17Ary ny loka fahefatra dia azon'Isakara, dia ny taranak'Isakara isam-pokony.
17For Issachar hath the fourth lot gone out, for the sons of Issachar, for their families;
18Ary ny fari-taniny dia hatrany Jezirela sy Kesolota sy Sonema
18and their border is [at] Jezreel, and Chesulloth, and Shunem,
19sy Hafraima sy Siona sy Anaharata
19and Haphraim, and Shihon, and Anaharath,
20sy Rabita sy Kisiona sy Abeza
20and Rabbith, and Kishion, and Abez,
21sy Rameta sy Enganima sy Enhada ary Beti-pazeza.
21and Remeth, and En-Gannim, and En-Haddah, and Beth-Pazzez;
22Ary ny fari-taniny dia nahazo an'i Tabara sy Sahazoma sy Beti-semesy, ka dia nihatra tany Jordana: tanàna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny.
22and the border hath touched against Tabor, and Shahazimah, and Beth-Shemesh, and the outgoings of their border have been [at] the Jordan; sixteen cities and their villages.
23Izany no lovan'ny firenena taranak'Isakara araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
23This [is] the inheritance of the tribe of the sons of Issachar, for their families, the cities and their villages.
24Ary ny loka fahadimy dia azon'ny firenena taranak'i Asera isam-pokony.
24And the fifth lot goeth out for the tribe of the sons of Asher, for their families;
25Ary ny fari-taniny dia Helkata sy Haly sy Batena sy Aksafa
25and their border is Helkath, and Hali, and Beten, and Achshaph,
26sy Alameleka sy Amada sy Misala, dia nihatra any Karmela eo andrefana sy Sihora-libnata,
26and Alammelech, and Amad, and Misheal; and it toucheth against Carmel westward, and against Shihor-Libnath;
27dia nitodika niantsinanana ho any Beti-dagona ka nihatra any Zebolona sy ny lohasaha Jifta-ela any avaratra sy Bet-emeka sy Neiela, ka dia nihatra any Kabola eo ankavia
27and hath turned back, at the sun-rising, [to] Beth-Dagon, and come against Zebulun, and against the valley of Jiphthah-El toward the north of Beth-Emek, and Neiel, and hath gone out unto Cabul on the left,
28ary Ebrona sy Rehoba sy Hamona sy Kana ka hatrany Sidona lehibe,
28and Hebron, and Rehob, and Hammon, and Kanah, unto great Zidon;
29dia nitodika hatrany Rama sy Tyro, tanàna mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra tamin'ny ranomasina teo akaikin'ny tany Akziba
29and the border hath turned back to Ramah, and unto the fenced city Tyre; and the border hath turned back to Hosah, and its outgoings are at the sea, from the coast to Achzib,
30ary Oma sy Afeka ary Rehoba: tanàna roa amby roa-polo sy ny zana-bohiny.
30and Ummah, and Aphek, and Rehob; twenty and two cities and their villages.
31Izany no lovan'ny firenena taranak'i Asera araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
31This [is] the inheritance of the tribe of the sons of Asher, for their families, these cities and their villages.
32Ary ny loka fahenina dia an'ny taranak'i Naftaly isam-pokony.
32For the sons of Naphtali hath the sixth lot gone out, for the sons of Naphtali, for their families;
33Ary ny fari-taniny dia hatrany Halefa ka hatramin'ny hazo terebinta ao Zananima sy hatrany Adami-hanekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ka dia nihatra an'i Jordana,
33and their border is from Heleph, from Allon in Zaanannim, and Adami, Nekeb, and Jabneel, unto Lakkum, and its outgoings are [at] the Jordan;
34dia nitodika niankandrefana hatrany Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra an'i Zebolona eo atsimo sy Asera eo andrefana ary Joda amoron'i Jordana eo atsinanana.
34and the border hath turned back westward [to] Aznoth-Tabor, and gone out thence to Hukkok, and touched against Zebulun on the south, and against Asher it hath touched on the west, and against Judah [at] the Jordan, at the sun-rising;
35Ary ny tanàna mimanda dia Zidima Zera sy Hamata sy Rakata sy Kinereta
35and the cities of defence [are] Ziddim, Zer, and Hammath, Rakkath, and Chinnereth,
36sy Adama sy Rama sy Hazora
36and Adamah, and Ramah, and Hazor,
37sy Kadesy sy Edrehy sy En-hazora
37and Kedesh, and Edrei, and En-Hazor,
38sy Irona sy Migda ela sy Horema sy Bet-anata ary Beti-semesy: tanàna sivy ambin'ny folo sy ny zana-bohiny.
38and Iron, and Migdal-El, Horem, and Beth-Anath, and Beth-Shemesh; nineteen cities and their villages.
39Izany no lovan'ny firenena taranak'i Naftaly araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
39This [is] the inheritance of the tribe of the sons of Naphtali, for their families, the cities and their villages.
40Ary ny loka fahafito dia an'ny firenena taranak'i Dana isam-pokony.
40For the tribe of the sons of Dan, for their families, hath the seventh lot gone out;
41Ary ny fari-tanin'ny lovany dia Zora sy Estaola sy Ira-semesy
41and the border of their inheritance is Zorah, and Eshtaol, and Ir-Shemesh,
42sy Salabima sy Aialona sy Jitla
42and Shalabbin, and Aijalon, and Jethlah,
43sy Elona sy Timna sy Ekrona
43and Elon, and Thimnathah, and Ekron,
44sy Elteke sy Gibetona sy Baleta
44and Eltekeh, and Gibbethon, and Baalath,
45sy Jehoda sy Bene-beraka sy Gat-rimona
45and Jehud, and Bene-Barak, and Gath-Rimmon,
46sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin'i Jopa.
46and Me-Jarkon, and Rakkon, with the border over-against Japho.
47Ary ny fari-tanin'ny taranak'i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak'i Dana, dia niady tamin'i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran'i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran'i Dana rainy.
47And the border of the sons of Dan goeth out from them, and the sons of Dan go up and fight with Leshem, and capture it, and smite it by the mouth of the sword, and possess it, and dwell in it, and call Leshem, Dan, according to the name of Dan their father.
48Izany no lovan'ny firenena taranak'i Dana araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
48This [is] the inheritance of the tribe of the sons of Dan, for their families, these cities and their villages.
49Dia vitany ny nizarana ny tany holovany araka ny fari-taniny, ka dia nomen'ny Zanak'Isiraely lova teo aminy koa Josoa, zanak'i Nona.
49And they finish to give the land in inheritance, by its borders, and the sons of Israel give an inheritance to Joshua son of Nun in their midst;
50Araka ny tenin'i Jehovah dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin'ny tany havoan'i Efraima: dia nanamboatra ny tanàna izy ka nitoetra tao.Ireo no lova izay nozarain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely tao Silo teo anatrehan'i Jehovah, dia teo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany.
50by the command of Jehovah they have given to him the city which he asked, Timnath-Serah, in the hill-country of Ephraim, and he buildeth the city and dwelleth in it.
51Ireo no lova izay nozarain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely tao Silo teo anatrehan'i Jehovah, dia teo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany.
51These [are] the inheritances which Eleazar the priest, and Joshua son of Nun, and the heads of the fathers of the tribes of the sons of Israel, have caused to inherit by lot, in Shiloh, before Jehovah, at the opening of the tent of meeting; and they finish to apportion the land.