1Ny tantaran'i Nehemia, zanak'i Hakalia. Tamin'ny volana Kisleo tamin'ny taona faharoa-polo, raha tany an-dapa any Sosana aho,
1Words of Nehemiah son of Hachaliah. And it cometh to pass, in the month of Chisleu, the twentieth year, and I have been in Shushan the palace,
2dia tonga Hanany, anankiray amin'ny rahalahiko, mbamin'ny lehilahy sasany avy tany Joda; ary nanontaniako azy ny amin'ny Jiosy efa afaka, izay sisa tamin'ny fahababoana, ary ny amin'i Jerosalema.
2and come in doth Hanani, one of my brethren, he and men of Judah, and I ask them concerning the Jews, the escaped part that have been left of the captivity, and concerning Jerusalem;
3Ka hoy no navaliny ahy: Ny sisa tamin'ny fahababoana izay any amin'ny tany any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan'i Jerosalema sady nodoran'ny afo ny vavahadiny.
3and they say to me, `Those left, who have been left of the captivity there in the province, [are] in great evil, and in reproach, and the wall of Jerusalem is broken down, and its gates have been burnt with fire.`
4Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan'Andriamanitry ny lanitra
4And it cometh to pass, at my hearing these words, I have sat down, and I weep and mourn [for] days, and I am fasting and praying before the God of the heavens.
5ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
5And I say, `I beseech thee, O Jehovah, God of the heavens, God, the great and the fearful, keeping the covenant and kindness for those loving Him, and for those keeping His commands,
6aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman'alina ho an'ny Zanak'Isiraely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan'ny Zanak'Isiraely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa.
6let Thine ear be, I pray Thee, attentive, and Thine eyes open, to hearken unto the prayer of Thy servant, that I am praying before Thee to-day, by day and by night, concerning the sons of Israel Thy servants, and confessing concerning the sins of the sons of Israel, that we have sinned against Thee; yea, I and the house of my father have sinned;
7Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao.
7we have acted very corruptly against Thee, and have not kept the commands, and the statutes, and the judgments, that Thou didst command Moses Thy servant.
8Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an'i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia hampiely anareo any amin'ny firenena maro Aho;
8`Remember, I pray Thee, the word that Thou didst command Moses Thy servant, saying, Ye — ye trespass — I scatter you among peoples;
9nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin'ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy.
9and ye have turned back unto Me, and kept My commands, and done them — if your outcast is in the end of the heavens, thence I gather them, and have brought them in unto the place that I have chosen to cause My name to tabernacle there.
10Ary ireo dia mpanomponao sy olonao, izay navotanao tamin'ny herinao lehibe sy ny tananao mahery.Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin'ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason'io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.
10And they [are] Thy servants, and Thy people, whom Thou hast ransomed by Thy great power, and by Thy strong hand.
11Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin'ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason'io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.
11`I beseech Thee, O Lord, let, I pray Thee, Thine ear be attentive unto the prayer of Thy servant, and unto the prayer of Thy servants, those delighting to fear Thy Name; and give prosperity, I pray Thee, to Thy servant to-day, and give him for mercies before this man;` and I have been butler to the king.