1[Fitarihan-teny] Ny Ohabolan'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely:
1Proverbs of Solomon, son of David, king of Israel:
2Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin'ny fahalalana;
2For knowing wisdom and instruction, For understanding sayings of intelligence,
3Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;
3For receiving the instruction of wisdom, Righteousness, judgment, and uprightness,
4Hanomezam-pahendrena ho an'ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an'ny zatovo.
4For giving to simple ones — prudence, To a youth — knowledge and discretion.
5Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;
5(The wise doth hear and increaseth learning, And the intelligent doth obtain counsels.)
6Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin'ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.
6For understanding a proverb and its sweetness, Words of the wise and their acute sayings.
7Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy.
7Fear of Jehovah [is] a beginning of knowledge, Wisdom and instruction fools have despised!
8Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao;
8Hear, my son, the instruction of thy father, And leave not the law of thy mother,
9Fa fehiloha tsara tarehy amin'ny lohanao izany, Ary rado amin'ny vozonao.
9For a graceful wreath [are] they to thy head, And chains to thy neck.
10Anaka, raha taomin'ny mpanota ianao, Aza manaiky.
10My son, if sinners entice thee be not willing.
11Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;
11If they say, `Come with us, we lay wait for blood, We watch secretly for the innocent without cause,
12Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin'ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka;[Heb. Sheola]
12We swallow them as Sheol — alive, And whole — as those going down [to] the pit,
13Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;
13Every precious substance we find, We fill our houses [with] spoil,
14Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:
14Thy lot thou dost cast among us, One purse is — to all of us.`
15Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin'ny alehany;
15My son! go not in the way with them, Withhold thy foot from their path,
16Fa ny tongony mihazakazaka ho amin'ny ratsy Sady faingana handatsa-drà.
16For their feet to evil do run, And they haste to shed blood.
17Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan'ny vorona.
17Surely in vain is the net spread out before the eyes of any bird.
18Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran'ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.
18And they for their own blood lay wait, They watch secretly for their own lives.
19Toy izany no iafaran'izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain'izay fatra-pila azy izany.
19So [are] the paths of every gainer of dishonest gain, The life of its owners it taketh.
20[Fiantsoana sy fananarana ataon'ny fahendrena] Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;
20Wisdom in an out-place crieth aloud, In broad places she giveth forth her voice,
21Mitory ao amin'izay fivorian'ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan'ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe:
21At the head of the multitudes she calleth, In the openings of the gates, In the city her sayings she saith:
22Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian'ny mpaniratsira amin'ny faniratsirana, Ary hankahalan'ny adala ny fahalalana?
22`Till when, ye simple, do ye love simplicity? And have scorners their scorning desired? And do fools hate knowledge?
23Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
23Turn back at my reproof, lo, I pour forth to you my spirit, I make known my words with you.
24Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;
24Because I have called, and ye refuse, I stretched out my hand, and none is attending,
25Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:
25And ye slight all my counsel, And my reproof ye have not desired.
26Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo.
26I also in your calamity do laugh, I deride when your fear cometh,
27Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,
27When your fear cometh as destruction, And your calamity as a hurricane doth come, When on you come adversity and distress.
28Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.
28Then they call me, and I do not answer, They seek me earnestly, and find me not.
29Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah,
29Because that they have hated knowledge, And the fear of Jehovah have not chosen.
30Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,
30They have not consented to my counsel, They have despised all my reproof,
31Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.
31And they eat of the fruit of their way, And from their own counsels they are filled.
32Fa ny fihemoran'ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan'ny adala handringana azy.Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.
32For the turning of the simple slayeth them, And the security of the foolish destroyeth them.
33Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.
33And whoso is hearkening to me dwelleth confidently, And [is] quiet from fear of evil!`