1[Famporisihana hitondra tena tsara] Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
1My son! my law forget not, And my commands let thy heart keep,
2Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.
2For length of days and years, Life and peace they do add to thee.
3Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,
3Let not kindness and truth forsake thee, Bind them on thy neck, Write them on the tablet of thy heart,
4Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.
4And find grace and good understanding In the eyes of God and man.
5Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
5Trust unto Jehovah with all thy heart, And unto thine own understanding lean not.
6Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,
6In all thy ways know thou Him, And He doth make straight thy paths.
7Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
7Be not wise in thine own eyes, Fear Jehovah, and turn aside from evil.
8Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.
8Healing it is to thy navel, And moistening to thy bones.
9Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra;
9Honour Jehovah from thy substance, And from the beginning of all thine increase;
10Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao.
10And filled are thy barns [with] plenty, And [with] new wine thy presses break forth.
11Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah, Ary aza tofoka amin'ny fananarany;
11Chastisement of Jehovah, my son, despise not, And be not vexed with His reproof,
12Fa izay tian'i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.
12For whom Jehovah loveth He reproveth, Even as a father the son He is pleased with.
13[Ny fahasambaran'izay olona mahita fahendrena] Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.
13O the happiness of a man [who] hath found wisdom, And of a man [who] bringeth forth understanding.
14Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.
14For better [is] her merchandise Than the merchandise of silver, And than gold — her increase.
15Sarobidy noho ny voahangy izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.[Na: perla]
15Precious she [is] above rubies, And all thy pleasures are not comparable to her.
16Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.
16Length of days [is] in her right hand, In her left [are] wealth and honour.
17Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra.
17Her ways [are] ways of pleasantness, And all her paths [are] peace.
18Hazon'aina ho an'izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.
18A tree of life she [is] to those laying hold on her, And whoso is retaining her [is] happy.
19Fahendrena no nanorenan'i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
19Jehovah by wisdom did found the earth, He prepared the heavens by understanding.
20Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin'ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin'ny rahona.
20By His knowledge depths have been rent, And clouds do drop dew.
21Anaka, aoka tsy hiala amin'ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,
21My son! let them not turn from thine eyes, Keep thou wisdom and thoughtfulness,
22Ka dia ho ain'ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,
22And they are life to thy soul, and grace to thy neck.
23Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.
23Then thou goest thy way confidently, And thy foot doth not stumble.
24Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.
24If thou liest down, thou art not afraid, Yea, thou hast lain down, And sweet hath been thy sleep.
25Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany; [Na: ny fandringanana avy amin'ny]
25Be not afraid of sudden fear, And of the desolation of the wicked when it cometh.
26Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.
26For Jehovah is at thy side, And He hath kept thy foot from capture.
27[Famporisihana hanao soa amin'olona sy hanao ny marina] Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, Raha azon'ny tananao atao ihany;
27Withhold not good from its owners, When thy hand [is] toward God to do [it].
28Aza manao amin'ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.
28Say not thou to thy friend, `Go, and return, and to-morrow I give,` And substance with thee.
29Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.
29Devise not against thy neighbour evil, And he sitting confidently with thee.
30Aza miady amin'olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
30Strive not with a man without cause, If he have not done thee evil.
31Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,
31Be not envious of a man of violence, Nor fix thou on any of his ways.
32Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.
32For an abomination to Jehovah [is] the perverted, And with the upright [is] His secret counsel.
33Ny ozon'i Jehovah dia ao an-tranon'ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan'ny marina dia tahìny kosa.
33The curse of Jehovah [is] in the house of the wicked. And the habitation of the righteous He blesseth.
34Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran'ny adala.
34If the scorners He doth scorn, Yet to the humble He doth give grace.
35Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran'ny adala.
35Honour do the wise inherit, And fools are bearing away shame!