1[Salamo abidy. Ny toetry ny olona marina sy ny mahasambatra azy] Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an'i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra.
1Praise ye Jah! O the happiness of one fearing Jehovah, In His commands he hath delighted greatly.
2Hahery ambonin'ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina.
2Mighty in the earth is his seed, The generation of the upright is blessed.
3Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay.
3Wealth and riches [are] in his house, And his righteousness is standing for ever.
4Ao amin'ny maizina no iposahan'ny mazava ho an'ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny.[Na: Izy]
4Light hath risen in darkness to the upright, Gracious, and merciful, and righteous.
5Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
5Good [is] the man — gracious and lending, He sustaineth his matters in judgment.
6Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.
6For — to the age he is not moved; For a memorial age-during is the righteous.
7Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an'i Jehovah ny fony.
7Of an evil report he is not afraid, Prepared is His heart, confident in Jehovah.
8Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin'ny mpandrafy azy.
8Sustained is his heart — he feareth not, Till that he look on his adversaries.
9Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian'ny ratsy fanahy.
9He hath scattered — hath given to the needy, His righteousness is standing for ever, His horn is exalted with honour.
10Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian'ny ratsy fanahy.
10The wicked seeth, and hath been angry, His teeth he gnasheth, and hath melted, The desire of the wicked doth perish!