1[Vavaka ho an'ny tranon'Andriamanitra sy ny ankohonan'i Davida] Fihirana fiakarana. Jehovah ô, tsarovy Davida Noho ny fiahiany rehetra,[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
1A Song of the Ascents. Remember, Jehovah, for David, all his afflictions.
2Dia ilay nianiana tamin'i Jehovah Sy nivoady tamin'ny Maherin'i Jakoba hoe:
2Who hath sworn to Jehovah. He hath vowed to the Mighty One of Jacob:
3Tsy mba hiditra ao an-daiko aho, Na hiakatra amin'ny farafara fandriako,
3`If I enter into the tent of my house, If I go up on the couch of my bed,
4Tsy mba havelako hatory ny masoko, Na ho rendrehana ny hodimasoko,
4If I give sleep to mine eyes, To mine eyelids — slumber,
5Mandra-pahitako fitoerana ho an'i Jehovah. Dia fonenana ho an'ny Maherin'i Jakoba.
5Till I do find a place for Jehovah, Tabernacles for the Mighty One of Jacob.
6Indro, nandre azy tany Efrata isika; Nahita azy tao amin'ny saha anaty ala isika.[Na: tany an-tsahan'i Jara]
6`Lo, we have heard it in Ephratah, We have found it in the fields of the forest.
7Aoka hiditra any amin'ny fonenany isika Ka hivavaka eo amin'ny fitoeran-tongony.
7We come in to His tabernacles, We bow ourselves at His footstool.
8Mitsangàna, Jehovah ô, ho amin'ny fitsaharanao, Dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao.
8Arise, O Jehovah, to Thy rest, Thou, and the ark of Thy strength,
9Aoka ny mpisoronao hirafy fahamarinana Ary aoka ny olonao masina hihoby.
9Thy priests do put on righteousness, And Thy pious ones cry aloud.
10Noho ny amin'i Davida mpanomponao Dia aza mampiala maina ny tavan'ny voahosotrao.
10For the sake of David Thy servant, Turn not back the face of Thine anointed.
11Jehovah efa nianiana tamin'i Davida, Ary marina izany ka tsy hitsoahany Ny ateraky ny kibonao no hapetrako eo ambonin'ny seza fiandriananao.
11Jehovah hath sworn truth to David, He turneth not back from it: Of the fruit of thy body, I set on the throne for thee.
12Raha hotandreman'ny zanakao ny fanekeko Sy ny teny vavolombeloko izay hampianariko azy, Dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandriananao mandrakizay doria kosa ny zanany.
12If thy sons keep My covenant, And My testimonies that I teach them, Their sons also for ever and ever, Do sit on the throne for thee.
13Fa Jehovah efa nifidy an'i Ziona. Ary naniry azy ho fonenany.
13For Jehovah hath fixed on Zion, He hath desired [it] for a seat to Himself,
14Ity, hoy Izy, no fitsaharako mandrakizay doria; Eto no honenako, fa efa niriko ity.
14This [is] My rest for ever and ever, Here do I sit, for I have desired it.
15Hotahiko tokoa ny fihinana ao; Hovokisako hanina ny malahelo ao.
15Her provision I greatly bless, Her needy ones I satisfy [with] bread,
16Ny mpisorona ao dia hampitafiko famonjena; Ary hihoby tokoa ny olo-masina ao.
16And her priests I clothe [with] salvation, And her pious ones do sing aloud.
17Ao no hampitsimohako tandroka ho an'i Davida Sy hanamboarako jiro ho an'ny voahosotro.Ny fahavalony hampitafiko henatra; Fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny.
17There I cause to spring up a horn for David, I have arranged a lamp for Mine anointed.
18Ny fahavalony hampitafiko henatra; Fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny.
18His enemies I do clothe [with] shame, And upon him doth his crown flourish!