Malagasy

Young`s Literal Translation

Revelation

10

1[Ny teny nentin'ny anjely anankiray, ary ny amin'ny kotrokorana fito sy ny boky kely] Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery anankiray koa, nidina ary tany an-danitra sady nitafy rahona; ary ny avana dia teo amin'ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry afo,
1And I saw another strong messenger coming down out of the heaven, arrayed with a cloud, and a rainbow upon the head, and his face as the sun, and his feet as pillars of fire,
2ary nitàna boky kely nivelatra teny an-tanany izy; ary nabahany ny tongony, ka ny ankavanany tamin'ny ranomasina, ary ny ankaviany tamin'ny tany;
2and he had in his hand a little scroll opened, and he did place his right foot upon the sea, and the left upon the land,
3ary niantso tamin'ny feo mahery izy, tahaka ny fieron'ny liona; ary nony niantso izy, dia nikotroka ny kotrokorana fito.
3and he cried with a great voice, as a lion doth roar, and when he cried, speak out did the seven thunders their voices;
4Ary rehefa nikotroka ny kotrokorana fito, dia efa hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Asio tombo-kase izay efa notononin'ny kotrokorana fito, fa aza soratana.
4and when the seven thunders spake their voices, I was about to write, and I heard a voice out of the heaven saying to me, `Seal the things that the seven thunders spake,` and, `Thou mayest not write these things.`
5Ary ny anjely, ilay efa hitako, dia nitsangana teo ambonin'ny ranomasina sy teo ambonin'ny tany, ka nanangana ny tànany ankavanana ho amin'ny lanitra
5And the messenger whom I saw standing upon the sea, and upon the land, did lift up his hand to the heaven,
6ary nianiana tamin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro intsony; [ Na: tsy ho ela]
6and did swear in Him who doth live to the ages of the ages, who did create the heaven and the things in it, and the land and the things in it, and the sea and the things in it — that time shall not be yet,
7fa amin'ny andro hitsofan'ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, araka ny teny soa mahafaly nambarany tamin'ny mpaminany mpanompony
7but in the days of the voice of the seventh messenger, when he may be about to sound, and the secret of God may be finished, as He did declare to His own servants, to the prophets.
8Ary ny feo izay efa reko avy tany an-danitra dia niteny tamiko indray hoe: Mandehana, raiso ilay boky mivelatra eny an-tànan'ny anjely mitsangana eo ambonin'ny ranomasina sy eo ambonin'ny tany.
8And the voice that I heard out of the heaven is again speaking with me, and saying, `Go, take the little scroll that is open in the hand of the messenger who hath been standing upon the sea, and upon the land:`
9Dia nankany amin'ny anjely aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely iny. Ary hoy izy tamiko: Raiso, ka hano avokoa io; dia hampangidy ny kibonao izy, nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.
9and I went away unto the messenger, saying to him, `Give me the little scroll;` and he saith to me, `Take, and eat it up, and it shall make thy belly bitter, but in thy mouth it shall be sweet — as honey.`
10Dia noraisiko ilay boky kely teny an-tanan'ny anjely ka nohaniko avokoa; ary raha nataoko teo am-bavako izy, dia mamy tahaka ny tantely, kanjo nony voateliko, dia nangidy ny kiboko.Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.
10And I took the little scroll out of the hand of the messenger, and did eat it up, and it was in my mouth as honey — sweet, and when I did eat it — my belly was made bitter;
11Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.
11and he saith to me, `It behoveth thee again to prophesy about peoples, and nations, and tongues, and kings — many.`