1Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra.
1Let every soul to the higher authorities be subject, for there is no authority except from God, and the authorities existing are appointed by God,
2Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin'Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.
2so that he who is setting himself against the authority, against God`s ordinance hath resisted; and those resisting, to themselves shall receive judgment.
3Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao;
3For those ruling are not a terror to the good works, but to the evil; and dost thou wish not to be afraid of the authority? that which is good be doing, and thou shalt have praise from it,
4fa mpanompon'Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora'fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon'Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin'izay manao ratsy.
4for of God it is a ministrant to thee for good; and if that which is evil thou mayest do, be fearing, for not in vain doth it bear the sword; for of God it is a ministrant, an avenger for wrath to him who is doing that which is evil.
5Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa.
5Wherefore it is necessary to be subject, not only because of the wrath, but also because of the conscience,
6Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon'Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.
6for because of this also pay ye tribute; for servants of God they are, on this very thing attending continually;
7Mandoava amin'izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana'tahotra ho an'izay tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina.
7render, therefore, to all [their] dues; to whom tribute, the tribute; to whom custom, the custom; to whom fear, the fear; to whom honour, the honour.
8Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
8To no one owe anything, except to love one another; for he who is loving the other — law he hath fulfilled,
9Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr'olona (Eks. 20. 13-17), mbamin'izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin'izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
9for, `Thou shalt not commit adultery, Thou shalt do no murder, Thou shalt not steal, Thou shalt not bear false testimony, Thou shalt not covet;` and if there is any other command, in this word it is summed up, in this: `Thou shalt love thy neighbor as thyself;`
10Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.
10the love to the neighbor doth work no ill; the love, therefore, [is] the fulness of law.
11Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin'ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin'ny andro vao ninoantsika.
11And this, knowing the time, that for us, the hour already [is] to be aroused out of sleep, for now nearer [is] our salvation than when we did believe;
12Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava.
12the night did advance, and the day came nigh; let us lay aside, therefore, the works of the darkness, and let us put on the armour of the light;
13Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro; tsy amin'ny filalaovan-dratsy, na amin'ny fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana, na amin'ny fijejojejoana, tsy amin'ny fifandirana, na amin'ny fialonana.Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.
13as in day-time, let us walk becomingly; not in revellings and drunkennesses, not in chamberings and lasciviousnesses, not in strife and emulation;
14Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.
14but put ye on the Lord Jesus Christ, and for the flesh take no forethought — for desires.