1Koa inona ary no tombony ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin'ny famorana?
1What, then, [is] the superiority of the Jew? or what the profit of the circumcision?
2Be ihany amin'ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'Andriamanitra ho adidiny.
2much in every way; for first, indeed, that they were intrusted with the oracles of God;
3Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan'Andriamanitra?
3for what, if certain were faithless? shall their faithlessness the faithfulness of god make useless?
4Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin'ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady (Sal. 51. 4). [Na: tsaraina]
4let it not be! and let God become true, and every man false, according as it hath been written, `That Thou mayest be declared righteous in Thy words, and mayest overcome in Thy being judged.`
5Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan'Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! - miteny araka ny fanaon'ny olona aho -
5And, if our unrighteousness God`s righteousness doth establish, what shall we say? is God unrighteous who is inflicting the wrath? (after the manner of a man I speak)
6Sanatria izany! Fa raha izany, hataon'Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?
6let it not be! since how shall God judge the world?
7Fa raha ny fahamarinan'Andriamanitra kosa no nitombo tamin'ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?
7for if the truth of God in my falsehood did more abound to His glory, why yet am I also as a sinner judged?
8Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian'ny soa isika,- araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan'ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny.
8and not, as we are evil spoken of, and as certain affirm us to say — `We may do the evil things, that the good ones may come?` whose judgment is righteous.
9Ahoana ary? Manan-kavaly va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa; [Na: Latsaka noho ireny va isika?] [ Gr. Grika]
9What, then? are we better? not at all! for we did before charge both Jews and Greeks with being all under sin,
10araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;
10according as it hath been written — `There is none righteous, not even one;
11Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an'Andriamanitra.
11There is none who is understanding, there is none who is seeking after God.
12Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza (Sal. 14. 1-3).
12All did go out of the way, together they became unprofitable, there is none doing good, there is not even one.
13Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka (Sal. 5. 9); Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony (Sal. 140. 3);
13A sepulchre opened [is] their throat; with their tongues they used deceit; poison of asps [is] under their lips.
14Feno ozona sy fangidiana ny vavany (Sal. 10. 7);
14Whose mouth is full of cursing and bitterness.
15Ny tongony mimaona handatsa-drà;
15Swift [are] their feet to shed blood.
16Fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany;
16Ruin and misery [are] in their ways.
17Ary ny lalan'ny fiadanana dia tsy fantany (Isa. 59. 7, 8);
17And a way of peace they did not know.
18Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra eo anoloan'ny masony (Sal. 36. 1).
18There is no fear of God before their eyes.`
19Ary fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao,
19And we have known that as many things as the law saith, to those in the law it doth speak, that every mouth may be stopped, and all the world may come under judgment to God;
20satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota.
20wherefore by works of law shall no flesh be declared righteous before Him, for through law is a knowledge of sin.
21[Ny fanamarinan'Andriamanitra maimaimpoana ny mino an'i Kristy] Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany,
21And now apart from law hath the righteousness of God been manifested, testified to by the law and the prophets,
22dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, [ Ampio hoe: (ho an'ny olona rehetra sy)]
22and the righteousness of God [is] through the faith of Jesus Christ to all, and upon all those believing, — for there is no difference,
23fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra,
23for all did sin, and are come short of the glory of God —
24nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy,
24being declared righteous freely by His grace through the redemption that [is] in Christ Jesus,
25Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny ràny ho fanavotana amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany, [ Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana]
25whom God did set forth a mercy seat, through the faith in his blood, for the shewing forth of His righteousness, because of the passing over of the bygone sins in the forbearance of God —
26mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy.
26for the shewing forth of His righteousness in the present time, for His being righteous, and declaring him righteous who [is] of the faith of Jesus.
27Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin'ny lalàna manao ahoana? amin'ny lalàn'ny asa va? Tsia; fa amin'ny lalàn'ny finoana.
27Where then [is] the boasting? it was excluded; by what law? of works? no, but by a law of faith:
28Koa amin'izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan'ny lalàna.
28therefore do we reckon a man to be declared righteous by faith, apart from works of law.
29Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an'ny jentilisa koa? Eny, an'ny jentilisa koa;
29The God of Jews only [is He], and not also of nations?
30fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin'ny finoana.Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.
30yes, also of nations; since one [is] God who shall declare righteous the circumcision by faith, and the uncircumcision through the faith.
31Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.
31Law then do we make useless through the faith? let it not be! yea, we do establish law.