Malagasy

Amharic: New Testament

1 Corinthians

1

1[Fitarihan-teny sy fiarahabana ary fisaorana] Paoly, voantso ho Apostolin'i Jesosy Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Sostena rahalahy,
1በእግዚአብሔር ፈቃድ የኢየሱስ ክርስቶስ ሐዋርያ ሊሆን የተጠራ ጳውሎስ ወንድሙም ሶስቴንስ፥
2mamangy ny fiangonan'Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin'i Kristy Jesosy, olona voantso sady masina, mbamin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin'ny tany rehetra, dia azy sy antsika:
2በቆሮንቶስ ላለች ለእግዚአብሔር ቤተ ክርስቲያን፥ በክርስቶስ ኢየሱስ ለተቀደሱት፥ የእነርሱና የእኛ ጌታ የሆነውን የጌታችንን የኢየሱስ ክርስቶስን ስም በየስፍራው ከሚጠሩት ሁሉ ጋር ቅዱሳን ለመሆን ለተጠሩት፤
3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
3ከእግዚአብሔር ከአባታችን ከጌታም ከኢየሱስ ክርስቶስ ጸጋና ሰላም ለእናንተ ይሁን።
4Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena anareo ao amin'i Kristy Jesosy,
4በክርስቶስ ኢየሱስ ስላመናችሁ በተሰጣችሁ በእግዚአብሔር ጸጋ ምክንያት ሁልጊዜ ስለ እናንተ አምላክን አመሰግናለሁ፤
5dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin'ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,
5ለክርስቶስ መመስከሬ በእናንተ ዘንድ እንደ ጸና፥ በነገር ሁሉ በቃልም ሁሉ በእውቀትም ሁሉ በእርሱ ባለ ጠጎች እንድትሆኑ ተደርጋችኋልና።
6araka ny niorenan'ny filazana an'i Kristy teo aminareo,
7እንደዚህ የጌታችንን የኢየሱስ ክርስቶስን መገለጥ ስትጠባበቁ አንድ የጸጋ ስጦታ እንኳ አይጎድልባችሁም፤
7ka dia tsy latsaka amin'ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika,
8እርሱም ደግሞ በጌታችን በኢየሱስ ክርስቶስ ቀን ያለ ነቀፋ እንድትሆኑ እስከ ፍጻሜ ድረስ ያጸናችኋል።
8Izay hampiorina anareo koa hatramin'ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin'ny andron'i Jesosy Kristy Tompontsika.
9ወደ ልጁ ወደ ጌታችን ወደ ኢየሱስ ክርስቶስ ኅብረት የጠራችሁ እግዚአብሔር የታመነ ነው።
9Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
10ነገር ግን፥ ወንድሞች ሆይ፥ ሁላችሁ አንድ ንግግር እንድትናገሩ በአንድ ልብና በአንድ አሳብም የተባበራችሁ እንድትሆኑ እንጂ መለያየት በመካከላችሁ እንዳይሆን በጌታችን በኢየሱስ ክርስቶስ ስም እለምናችኋለሁ።
10[Anatra noho ny fifampiandanian'ny fiangonana tao Korinto, sy filazana ny amin'ny nitorian'Paoly ny filazantsara] Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.
11ወንድሞቼ ሆይ፥ በመካከላችሁ ክርክር እንዳለ ስለ እናንተ የቀሎዔ ቤተ ሰዎች አስታውቀውኛልና።
11Fa efa voalazan'ny avy amin'ny ankohonan'i Kloa tamiko ny amin'ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.
12ይህንም እላለሁ። እያንዳንዳችሁ። እኔ የጳውሎስ ነኝ፥ እኔስ የአጵሎስ ነኝ፥ እኔ ግን የኬፋ ነኝ፥ እኔስ የክርስቶስ ነኝ ትላላችሁ።
12Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an'i Paoly, na: Izaho an'i Apolosy, na: Izaho an'i Kefasy, na: Izaho an'i Kristy.
13ክርስቶስ ተከፍሎአልን? ጳውሎስስ ስለ እናንተ ተሰቀለን? ወይስ በጳውሎስ ስም ተጠመቃችሁን?
13Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin'ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin'ny anaran'i Paoly no nanaovam-batisa anareo?
14በስሜ እንደ ተጠመቃችሁ ማንም እንዳይል ከቀርስጶስና ከጋይዮስ በቀር ከእናንተ አንድን እንኳ ስላላጠመቅሁ እግዚአብሔርን አመሰግናለሁ።
14Misaotra an'Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio,
16የእስጢፋኖስንም ቤተ ሰዎች ደግሞ አጥምቄአለሁ፤ ጨምሬ ሌላ አጥምቄ እንደ ሆነ አላውቅም።
15fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin'ny anarako ianareo.
17ለማጥመቅ ክርስቶስ አልላከኝምና፥ ወንጌልን ልሰብክ እንጂ፤ የክርስቶስ መስቀል ከንቱ እንዳይሆን በቃል ጥበብ አይደለም።
16Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan'i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa.
18የመስቀሉ ቃል ለሚጠፉት ሞኝነት፥ ለእኛ ለምንድን ግን የእግዚአብሔር ኃይል ነውና።
17Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin'ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian'i Kristy.
19የጥበበኞችን ጥበብ አጠፋለሁ የአስተዋዮችንም ማስተዋል እጥላለሁ ተብሎ ተጽፎአልና።
18Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.
20ጥበበኛ የት አለ? ጻፊስ የት አለ? የዚች ዓለም መርማሪስ የት አለ? እግዚአብሔር የዚችን ዓለም ጥበብ ሞኝነት እንዲሆን አላደረገምን?
19Fa voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren'ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan'ny mahalala (Isa. 29. 14).
21በእግዚአብሔር ጥበብ ምክንያት ዓለም እግዚአብሔርን በጥበብዋ ስላላወቀች፥ በስብከት ሞኝነት የሚያምኑትን ሊያድን የእግዚአብሔር በጎ ፈቃድ ሆኖአልና።
20Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao? Tsy nampodin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao?
22መቼም አይሁድ ምልክትን ይለምናሉ የግሪክ ሰዎችም ጥበብን ይሻሉ፥
21Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren'Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an'Andriamanitra, ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjeny izay mino; [ Na: Fa noho ny fahendren'Andriamanitra]
23እኛ ግን የተሰቀለውን ክርስቶስን እንሰብካለን፤ ይህም ለአይሁድ ማሰናከያ ለአሕዛብም ሞኝነት ነው፥
22fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena, [ Gr. Grika]
24ለተጠሩት ግን፥ አይሁድ ቢሆኑ የግሪክ ሰዎችም ቢሆኑ፥ የእግዚአብሔር ኃይልና የእግዚአብሔር ጥበብ የሆነው ክርስቶስ ነው።
23fa izahay kosa mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin'ny Jiosy ary fahadalana amin'ny jentilisa, [ Gr. Grika]
25ከሰው ይልቅ የእግዚአብሔር ሞኝነት ይጠበባልና፥ የእግዚአብሔርም ድካም ከሰው ይልቅ ይበረታልና።
24fa amin'izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra. [ Gr. Grika]
26ወንድሞች ሆይ፥ መጠራታችሁን ተመልከቱ፤ እንደ ሰው ጥበብ ጥበበኞች የሆኑ ብዙዎች፥ ኀያላን የሆኑ ብዙዎች፥ ባላባቶች የሆኑ ብዙዎች አልተጠሩም።
25Fa ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona.
27ነገር ግን እግዚአብሔር ጥበበኞችን እንዲያሳፍር የዓለምን ሞኝ ነገር መረጠ፤ ብርቱንም ነገር እንዲያሳፍር እግዚአብሔር የዓለምን ደካማ ነገር መረጠ፤
26Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana;
28እግዚአብሔርም የሆነውን ነገር እንዲያጠፋ የዓለምን ምናምንቴ ነገር የተናቀውንም ነገር ያልሆነውንም ነገር መረጠ፥
27fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
29ሥጋን የለበሰ ሁሉ በእግዚአብሔር ፊት እንዳይመካ።
28ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,
30ነገር ግን። የሚመካ በእግዚአብሔር ይመካ ተብሎ እንደ ተጻፈው ይሆን ዘንድ፥ ከእግዚአብሔር ዘንድ ጥበብና ጽድቅ ቅድስናም ቤዛነትም በተደረገልን በክርስቶስ ኢየሱስ የሆናችሁ ከእርሱ ነው።
29mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra.
30Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesosy, Izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika,mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9. 23).
31mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9. 23).