Malagasy

Amharic: New Testament

1 Corinthians

14

1[Ny fihoaran'ny fahaizana haminany noho ny fahaizana hanao fiteny tsy fantatra] Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany
1ፍቅርን ተከታተሉ፥ መንፈሳዊ ስጦታንም ይልቁንም ትንቢት መናገርን በብርቱ ፈልጉ።
2Fa izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin'Andriamanitra; fa amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala;
2በልሳን የሚናገርስ ለእግዚአብሔር እንጂ ለሰው አይናገርም፤ የሚያስተውለው የለምና፥ በመንፈስ ግን ምሥጢርን ይናገራል፤
3fa izay maminany kosa miteny amin'olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana.
3ትንቢትን የሚናገር ግን ለማነጽና ለመምከር ለማጽናናትም ለሰው ይናገራል።
4Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana. [ Gr. eklesia]
4በልሳን የሚናገር ራሱን ያንጻል፤ ትንቢትን የሚናገር ግን ማኅበሩን ያንጻል።
5Tiako raha samy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra ianareo rehetra; nefa aleo haminany; fa izay maminany dia lehibe noho izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, raha tsy mandika teny koa izy hahazoan'ny fiangonana fampandrosoana. [ Gr. eklesia]
5ሁላችሁ በልሳኖች ልትናገሩ እወድ ነበር፥ ትንቢትን ልትናገሩ ግን ከዚህ ይልቅ እወዳለሁ፤ ማኅበሩ ይታነጽ ዘንድ ንግግሩን ባይተረጐም በልሳኖች ከሚናገር ትንቢትን የሚናገር ይበልጣል።
6Nefa, ry rahalahy, raha mankeo aminareo aho ka miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, inona moa no soa ho vitako aminareo amin'izany, raha tsy fanambarana, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana, no hitenenako aminareo?
6አሁን ግን፥ ወንድሞች ሆይ፥ ወደ እናንተ መጥቼ በልሳኖች ብናገር፥ በመግለጥ ወይም በእውቀት ወይም በትንቢት ወይም በትምህርት ካልነገርኋችሁ ምን እጠቅማችኋለሁ?
7Ary ny zavatra tsy manana aina, na sodina, na lokanga, na dia maneno aza, raha tsy manao feo samy hafa, ahoana no hahafantarana izay ataony, na amin'ny sodina, na amin'ny lokanga?
7ነፍስ የሌለበት ነገር እንኳ ዋሽንትም ክራርም ቢሆን ድምፅ ሲሰጥ የድምፁን ልዩነት ባይገልጥ በዋሽንት የሚነፋው ወይስ በክራር የሚመታው መዝሙር እንዴት ይታወቃል?
8Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?
8ደግሞም መለከት የማይገለጥን ድምፅ ቢሰጥ ለጦርነት ማን ይዘጋጃል?
9Dia toy izany koa ianareo: raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany, dia hiteny amin'ny rivotra ianareo.
9እንዲሁ እናንተ ደግሞ የተገለጠውን ቃል በአንደበት ባትናገሩ ሰዎች የምትናገሩትን እንዴት አድርገው ያስተውሉታል? ለነፋስ የምትናገሩ ትሆናላችሁና።
10Misy fiteny maro samy hafa amin'izao tontolo izao, ka samy manana ny heviny avy.
10በዓለም ምናልባት ቁጥር የሌለው የቋንቋ ዓይነት ይኖራል ቋንቋም የሌለው ሕዝብ የለም፤
11Koa raha tsy mahalala ny hevitry ny fiteny aho, dia ho vaka amin'izay miteny, ary izay miteny ho vaka amiko kosa.
11እንግዲህ የቋንቋውን ፍች ባላውቅ ለሚናገረው እንግዳ እሆናለሁ፥ የሚናገረውም ለእኔ እንግዳ ይሆናል።
12Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra. [ Gr. eklesia]
12እንዲሁ ደግሞ እናንተ መንፈሳዊ ስጦታን በብርቱ የምትፈልጉ ከሆናችሁ ቤተ ክርስቲያንን ለማነጽ እንዲበዛላችሁ ፈልጉ።
13Koa aoka izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa.
13ስለዚህ በልሳን የሚናገር እንዲተረጉም ይጸልይ።
14Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona.
14በልሳን ብጸልይ መንፈሴ ይጸልያል አእምሮዬ ግን ያለ ፍሬ ነው።
15Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho.
15እንግዲህ ምንድር ነው? በመንፈስ እጸልያለሁ በአእምሮም ደግሞ እጸልያለሁ፤ በመንፈስ እዘምራለሁ በአእምሮም ደግሞ እዘምራለሁ።
16Fa raha misaotra am-panahy fotsiny ihany ianao, hataon'izay tsy mahay ahoana no hanao Amena, raha misaotra ianao? satria tsy mahalala izay lazainao Izy.
16እንዲያማ ካልሆነ፥ አንተ በመንፈስ ብትባርክ ባልተማሩት ስፍራ የተቀመጠው የምትለውን ካላወቀ እንዴት አድርጎ ለምስጋናህ አሜን ይላል?
17Fa ianao dia misaotra tsara ihany, nefa ny hafa kosa tsy mba ampandrosoina.
17አንተማ መልካም ታመሰግናለህ፥ ሌላው ግን አይታነጽበትም።
18Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra aho;
18ከሁላችሁ ይልቅ በልሳኖች እናገራለሁና እግዚአብሔርን አመሰግናለሁ፤
19nefa raha ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin'ny fiteny tsy fantatra. [ Gr. eklesia]
19ነገር ግን ሌሎችን ደግሞ አስተምር ዘንድ በማኅበር እልፍ ቃላት በልሳን ከመናገር ይልቅ አምስት ቃላት በአእምሮዬ ልናገር እወዳለሁ።
20Ry rahalahy, aza mba ho zaza amin'ny fahalalana; raha amin'ny lolompo dia aoka ho zaza-bodo aza, fa amin'ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa.
20ወንድሞች ሆይ፥ በአእምሮ ሕፃናት አትሁኑ፤ ለክፋት ነገር ሕፃናት ሁኑ እንጂ በአእምሮ የበሰሉ ሁኑ።
21Voasoratra amin'ny lalàna hoe: Amin'ny olona hafa fiteny sy amin'ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin'ity firenena ity; fa na dia amin'izany aza dia tsy hihaino Ahy izy, hoy Jehovah (Isa. 28. 11, 12).
21ሌሎችን ልሳኖች በሚናገሩ ሰዎችና በሌላ አንደበት ለዚህ ሕዝብ እነግራቸዋለሁ፥ እንዲህም ቢሆን አይሰሙኝም ይላል ጌታ ተብሎ በሕግ ተጽፎአል።
22Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin'ny tsy mino, fa tsy amin'ny mino; fa ny faminaniana kosa dia amin'ny mino, fa tsy amin'ny tsy mino.
22እንግዲያስ በልሳኖች መናገር ለማያምኑ ምልክት ነው እንጂ ለሚያምኑ አይደለም፥ ትንቢት ግን ለሚያምኑ እንጂ ለማያምኑ አይደለም።
23Koa raha vory ny mpiangona rehetra, ary ny olona rehetra samy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, ary miditra ny tsy mahay, na ny tsy mino, tsy holazainy va fa very saina ianareo?
23እንግዲህ ማኅበር ሁሉ አብረው ቢሰበሰቡ ሁሉም በልሳኖች ቢናገሩና ያልተማሩ ወይም የማያምኑ ሰዎች ቢገቡ። አብደዋል አይሉምን?
24Fa raha samy maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan'ny anatra ataon'izy rehetra izy sady hotsarain'izy rehetra;
24ሁሉ ትንቢት ቢናገሩ ግን የማያምን ወይም ያልተማረ ሰው ቢገባ በሁሉ ይወቀሳል፥ በሁሉም ይመረመራል፤
25ka dia miseho ny zavatra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin'Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.
25በልቡም የተሰወረ ይገለጣል እንዲሁም። እግዚአብሔር በእውነት በመካከላቸው ነው ብሎ እየተናገረ በፊቱ ወድቆ ለእግዚአብሔር ይሰግዳል።
26Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo, misy ta-hanao hira ianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana.
26እንግዲህ፥ ወንድሞች ሆይ፥ ምንድር ነው? በምትሰበሰቡበት ጊዜ ለእያንዳንዱ መዝሙር አለው፥ ትምህርት አለው፥ መግለጥ አለው፥ በልሳን መናገር አለው፥ መተርጐም አለው፤ ሁሉ ለማነጽ ይሁን።
27Raha misy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, dia avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra noho izany, ka ampifanarakarahina; ary avelao hisy iray mandika teny.
27በልሳን የሚናገር ቢኖር ሁለት ወይም ቢበዛ ሦስት ሆነው በተራቸው ይናገሩ አንዱም ይተርጉም፤
28Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka izy hangina eo amin'ny fiangonana; fa aoka hiteny amin'ny tenany sy amin'Andriamanitra ihany izy. [ Gr. eklesia]
28የሚተረጉም ባይኖር ግን በማኅበር መካከል ዝም ይበልና ለራሱና ለእግዚአብሔር ይናገር።
29Ary aoka ny mpaminany roa na telo no hiteny, fa aoka ny hafa hamantatra.
29ነቢያትም ሁለት ወይም ሦስት ሆነው ይናገሩ ሌሎችም ይለዩአቸው፤
30Fa raha misy tsindrian'ny Fanahy ao am-pipetrahana, dia aoka hangina kosa ny voalohany;
30በዚያ ለሚቀመጥ ለሌላ ግን አንድ ነገር ቢገለጥለት ፊተኛው ዝም ይበል።
31fa mahazo maminany tsirairay ianareo rehetra, mba hianaran'izy rehetra sy hamporisihana azy rehetra;
31ሁሉም እንዲማሩ ሁሉም እንዲመከሩ ሁላችሁ በእያንዳንዳችሁ ትንቢት ልትናገሩ ትችላላችሁ።
32ary ny fanahin'ny mpaminany dia manaiky hozakain'izy mpaminany.
32የነቢያትም መናፍስት ለነቢያት ይገዛሉ፤
33Fa Andriamanitra tsy tompon'ny fikotronana, fa tompon'ny fiadanana. Araka ny fanaon'ny fiangonan'ny olona masina rehetra, [ Gr. eklesia]
33እግዚአብሔርስ የሰላም አምላክ ነው እንጂ የሁከት አምላክ አይደለምና፤ በቅዱሳንም አብያተ ክርስቲያናት ሁሉ እንዲህ ነው።
34dia aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana; fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara araka ny lazain'ny lalàna koa. [ Gr. eklesia]
34ሴቶች በማኅበር ዝም ይበሉ፤ ሕግ ደግሞ እንደሚል እንዲገዙ እንጂ እንዲናገሩ አልተፈቀደላቸውምና።
35Ary raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano; fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonana ny vehivavy. [ Gr. eklesia]
35ለሴት በማኅበር መካከል መናገር ነውር ነውና፥ ምንም ሊማሩ ቢወዱ በቤታቸው ባሎቻቸውን ይጠይቁ።
36Avy aminareo va no nihavian'ny tenin'Andriamanitra, sa ao aminareo ihany no nahatongavany?
36ምን ነው? የእግዚአብሔር ቃል የወጣ ከእናንተ ነውን? ወይስ ወደ እናንተ ብቻ ደርሶአልን?
37Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin'ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.
37ማንም ነቢይ ወይም መንፈሳዊ የሆነ ቢመስለው ይህች የጻፍሁላችሁ የጌታ ትእዛዝ እንደ ሆነች ይወቅ፤
38Fa raha misy tsy mahalala, dia avelao tsy hahalala ihany izy.
38ማንም የማያውቅ ቢኖር ግን አይወቅ።
39Koa amin'izany, ry rahalahiko, maniria fatratra ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra;kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin'ny fahamendrehana sy ny filaminana.
39ስለዚህ፥ ወንድሞች ሆይ፥ ትንቢት ለመናገር በብርቱ ፈልጉ፥ በልሳኖች ከመናገርም አትከልክሉ፤
40kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin'ny fahamendrehana sy ny filaminana.
40ነገር ግን ሁሉ በአገባብና በሥርዓት ይሁን።