Malagasy

Amharic: New Testament

1 Corinthians

4

1Aoka hataon'ny olona ho mpanompon'i Kristy sy mpitandrina'ny zava-miafina izay an'Andriamanitra izahay.
1እንዲሁ ሰው እኛን እንደ ክርስቶስ ሎሌዎችና እንደ እግዚአብሔር ምሥጢር መጋቢዎች ይቍጠረን።
2Ary raha izany, dia fantatrareo fa ny mpitandrina dia tokony ho olona mahatoky. [ Gr: mpitandrina fananana]
2እንደዚህም ሲሆን፥ በመጋቢዎች ዘንድ የታመነ ሆኖ መገኘት ይፈለጋል።
3Fa raha ny amiko, dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho, na hotsarain'olona fa ny tenako aza tsy mitsara ahy. [ Gr. andron'olona]
3ነገር ግን በእናንተ ዘንድ ወይም በሌላ ሰው ዘንድ ብፈረድ ለእኔ ምንም አይደለም፤ እኔም በራሴ እንኳ አልፈርድም፤
4Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no Mpitsara ahy:
4በራሴ ላይ ምንም አላውቅምና፥ ነገር ግን በዚህ አልጸድቅም፤ እኔን የሚፈርድ ግን ጌታ ነው።
5koa amin'izany aza mitsara na inona na inona alohan'ny fotoana, dia ny fihavian'ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin'ny maizina ka hampiseho ny fikasan'ny fo; dia samy hahazo izay derany avy amin'Andriamanitra izy rehetra.
5ስለዚህም በጨለማ የተሰወረውን ደግሞ ወደ ብርሃን የሚያወጣ የልብንም ምክር የሚገልጥ ጌታ እስኪመጣ ድረስ ጊዜው ሳይደርስ አንዳች አትፍረዱ፤ በዚያን ጊዜም ለእያንዳንዱ ምስጋናው ከእግዚአብሔር ዘንድ ይሆናል።
6[Anatra noho ny fiavonavonan'ny Korintiana] Ary izany zavatra izany, ry rahalahy, nataoko oha-teny hilaza ahy sy Apolosy noho ny aminareo, mba hianaranareo aminay ny tsy hihoatra noho ny voasoratra, mba tsy hisy hireharehanareo hankalaza ny anankiray, fa hanevateva ny anankiray kosa.
6ወንድሞች ሆይ፥ ስለ አንዱ በአንዱ ላይ አንዳችሁም እንዳይታበዩ። ከተጻፈው አትለፍ የሚለውን በእኛ ትማሩ ዘንድ፥ ይህን በእናንተ ምክንያት ስለ ራሴና ስለ አጵሎስ እንደ ምሳሌ ተናገርሁ።
7Fa iza no mampihoatra anao? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray?
7አንተ እንድትበልጥ ማን አድርጎሃል? ያልተቀበልኸውስ ምን አለህ? የተቀበልህ ከሆንህ ግን እንዳልተቀበልህ የምትመካ ስለ ምንድር ነው?
8Efa afa-po sahady ianareo, efa manan-karena sahady ianareo, efa manjaka ianareo; kanefa hay! tsy izahay tsy akory no nahazoanareo izany! Enga anie ka manjaka tokoa ianareo, hiarahanay sy ianareo manjaka.
8አሁን ጠግባችኋል፤ አሁንስ ባለ ጠጎች ሆናችኋል፤ ያለ እኛ ነግሣችኋል፤ እኛ ደግሞ ከእናንተ ጋር እንድንነግሥ ብትነግሡ መልካም ይሆን ነበር።
9Fa ataoko fa nasehon'Andriamanitra ho faraidina izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka hovonoina; fa izahay dia natao ho fizàhan'izao rehetra izao, na anjely na olona.
9ለዓለም ለመላእክትም ለሰዎችም መጫወቻ ሆነናልና፤ እግዚአብሔር እኛን ሐዋርያቱን ሞት እንደ ተፈረደባቸው ሰዎች ከሁሉ ይልቅ የኋለኞች እንዳደረገን ይመስለኛልና።
10Izahay dia adala noho ny amin'i Kristy, fa ianareo no hendry ao amin'i Kristy! izahay malemy, fa ianareo no mahery! ianareo manandaza, fa izahay mavomavo!
10እኛ ስለ ክርስቶስ ሞኞች ነን እናንተ ግን በክርስቶስ ልባሞች ናችሁ፤ እኛ ደካሞች ነን እናንተ ግን ኃይለኞች ናችሁ፤ እናንተ የከበራችሁ ናችሁ እኛ ግን የተዋረድን ነን።
11Mandraka ankehitriny izao dia noana sy mangetaheta sy tsy manan-kitafy sy asiana totohondry ary tsy manana antom-ponenana izahay;
11እስከዚህ ሰዓት ድረስ እንራባለን፥ እንጠማለን፥ እንራቆታለን፥ እንጐሰማለን፥ እንንከራተታለን፥
12Ary misasatra miasa amin'ny tananay izahay; raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha enjehina, dia miaritra;
12በገዛ እጃችን እየሠራን እንደክማለን፤ ሲሰድቡን እንመርቃለን፥ ሲያሳድዱን እንታገሣለን፥ ክፉ ሲናገሩን እንማልዳለን፤
13raha tenenina mafy, dia mamaly teny moramora kosa; atao toy ny faditr'izao tontolo izao izahay, dia faikan'ny olona rehetra, mandraka ankehitriny.
13እስከ አሁን ድረስ የዓለም ጥራጊ የሁሉም ጉድፍ ሆነናል።
14Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho.
14እንደምወዳችሁ ልጆቼ አድርጌ ልገሥጻችሁ እንጂ ላሳፍራችሁ ይህን አልጽፍም።
15Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin'i Kristy aza ianareo, dia tsy maro ray ianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin'i Kristy Jesosy tamin'ny filazantsara.
15በክርስቶስ አእላፍ ሞግዚቶች ቢኖሩአችሁ ብዙ አባቶች የሉአችሁም እኔ በክርስቶስ ኢየሱስ በወንጌል ወልጄአችኋለሁና።
16Koa mananatra anareo aho: manahafa ahy ianareo.
16እንግዲህ እኔን የምትመስሉ ሁኑ ብዬ እለምናችኋለሁ።
17Ary noho izany dia nirahiko ho any aminareo Timoty, zanako malalako sy mahatoky ao amin'ny Tompo, ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko ao amin'i Kristy, tahaka ny ampianariko ao amin'ny fiangonana rehetra eny tontolo eny. [ Gr. lalako]
17ስለዚህ የምወደውንና የታመነውን በጌታ ልጄ የሆነውን ጢሞቴዎስን ልኬላችኋለሁ፥ እኔም በየስፍራው በአብያተ ክርስቲያናት ሁሉ እንደማስተምር በክርስቶስ ኢየሱስ የሚሆነውን መንገዴን እርሱ ያሳስባችኋል።
18Fa ny sasany mirehareha hoatra ilay tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho.
18አንዳንዱ ግን ወደ እናንተ የማልመጣ እየመሰላቸው የታበዩ አሉ፤
19Fa ho avy any aminareo faingana aho, raha sitrapon'ny Tompo, dia ho fantatro izay herin'ireo mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny.
19ነገር ግን ጌታ ቢፈቅድ ፈጥኜ ወደ እናንተ እመጣለሁ፥ የትዕቢተኞችንም ኃይል አውቃለሁ እንጂ ቃላቸውን አይደለም፤
20Fa ny fanjakan'Andriamanitra tsy amin'ny teny, fa amin'ny hery.Inona ary no tianareo? Ho avy aminareo mitondra tsorakazo va aho, sa amin'ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy?
20የእግዚአብሔር መንግሥት በኃይል ነው እንጂ በቃል አይደለምና።
21Inona ary no tianareo? Ho avy aminareo mitondra tsorakazo va aho, sa amin'ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy?
21ምን ትወዳላችሁ? በበትር ወይስ በፍቅርና በየውሃት መንፈስ ልምጣባችሁን?