1[Ny amin'ny hena izay efa natao fanatitra tamin'ny sampy] Ary ny amin'ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa manana fahalalana isika rehetra. Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso.
1ለጣዖት ስለ ተሠዋ ሥጋም፥ ሁላችን እውቀት እንዳለን እናውቃለን። እውቀት ያስታብያል ፍቅር ግን ያንጻል።
2Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy.
2ማንም አንዳች የሚያውቅ ቢመስለው ሊያውቅ እንደሚገባው ገና አላወቀም፤
3Fa raha misy tia an'Andriamanitra, dia izy no fantany.
3ማንም ግን እግዚአብሔርን ቢወድ እርሱ በእርሱ ዘንድ የታወቀ ነው።
4Ary ny amin'ny mihinana ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin'izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Iray ihany.
4እንግዲህ ለጣዖት የተሠዋውን ሥጋ ስለ መብላት፥ ጣዖት ሁሉ በዓለም ከንቱ እንደ ሆነ ከአንዱም በቀር ማንም አምላክ እንደሌለ እናውቃለን።
5Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro);
5መቼም ብዙ አማልክትና ብዙ ጌቶች አሉ፤ ነገር ግን በሰማይ ሆነ በምድርም ሆነ አማልክት የተባሉ ምንም ቢኖሩ፥
6nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian'ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.
6ለእኛስ ነገር ሁሉ ከእርሱ የሆነ እኛም ለእርሱ የሆንን አንድ አምላክ አብ አለን፥ ነገር ሁሉም በእርሱ በኩል የሆነ እኛም በእርሱ በኩል የሆንን አንድ ጌታ ኢየሱስ ክርስቶስ አለን።
7Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin'ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin'ny sampy; ka dia voaloto ny fieritreretany, satria malemy.
7ነገር ግን ይህ እውቀት በሁሉ ዘንድ አይገኝም፤ አንዳንዶች ግን ጣዖትን እስከ አሁን ድረስ ስለ ለመዱ። ለጣዖት የተሠዋ ነው ብለው ይበላሉና ሕሊናቸው ደካማ ስለ ሆነ ይረክሳል።
8Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin'Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony.
8መብል ግን ወደ እግዚአብሔር አያቀርበንም፤ ባንበላም ምንም አይጎድለንም ብንበላም ምንም አይተርፈንም።
9Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an'ny malemy.
9ዳሩ ግን ይህ መብታችሁ ለደካሞች ዕንቅፋት እንዳይሆንባቸው ተጠንቀቁ።
10Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin'ny tempolin'ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan'ny malemy hihinana izay hena aterina amin'ny sampy koa va izany?
10አንተ እውቀት ያለህ በጣዖት ቤት በማዕድ ስትቀመጥ አንድ ሰው ቢያይህ፥ ደካማ ሰው ቢሆን ለጣዖት የተሠዋውን ለመብላት ሕሊናው አይታነጽበትምን?
11Fa verin'ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan'i Kristy tamin'ny fahafatesana?
11በአንተ እውቀትም ይህ ደካማ ይጠፋል፥ እርሱም ክርስቶስ የሞተለት ወንድም ነው።
12Fa raha manota toy izany amin'ny rahalahy ianareo ka manimba ny fieritreretan'ny malemy, dia manota amin'i Kristy ianareo.Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.
12እንዲህም ወንድሞችን እየበደላችሁ ደካማም የሆነውን ሕሊናቸውን እያቆሰላችሁ ክርስቶስን ትበድላላችሁ።
13Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.
13ስለዚህም መብል ወንድሜን የሚያሰናክለው ከሆነ፥ ወንድሜን እንዳላሰናክለው ለዘላለም ከቶ ሥጋ አልበላም።