1Enga anie ka mba handefitra amiko amin'ny hadalana kely ianareo, kanefa mandefitra amiko ihany ianareo.[Na: Eny, mandefera]
1በጥቂቱ ሞኝነቴ ብትታገሡኝ መልካም ይሆን ነበር፤ ቢሆንም በእርግጥ ታገሡኝ።
2Fa fahasaro-piaro araka an'Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin'ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an'i Kristy.
2በእግዚአብሔር ቅንዓት እቀናላችኋለሁና፥ እንደ ንጽሕት ድንግል እናንተን ለክርስቶስ ላቀርብ ለአንድ ወንድ አጭቻችኋለሁና፤
3Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin'ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin'i Kristy, tahaka ny namitahan'ny menarana an'i Eva tamin'ny fihendreny.
3ነገር ግን እባብ በተንኮሉ ሔዋንን እንዳሳታት፥ አሳባችሁ ተበላሽቶ ለክርስቶስ ከሚሆን ቅንነትና ንጽሕና ምናልባት እንዳይለወጥ ብዬ እፈራለሁ።
4Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin'izany!
4የሚመጣውም ያልሰበክነውን ሌላ ኢየሱስ ቢሰብክ፥ ወይም ያላገኛችሁትን ልዩ መንፈስ ወይም ያልተቀበላችሁትን ልዩ ወንጌል ብታገኙ፥ በመልካም ትታገሡታላችሁ።
5Fa ataoko fa tsy misy mahalatsaka ahy noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo.[Na: Fatratra loatra]
5ከእነዚህ ከዋነኞቹ ሐዋርያት በአንድ ነገር እንኳ እንደ ጎደልሁ ራሴን አልቆጥርም።
6Fa na dia olona tsy nampianarina laha-teny aza aho, dia tsy mba tahaka izany amin'ny fahalalana; fa tamin'ny zavatra rehetra dia efa nasehonay marimarina tamin'ny olona rehetra izany hahasoa anareo.
6በአነጋገሬ ያልተማርሁ ብሆን እንኳ፥ በእውቀት ግን እንዲህ አይደለሁም። ነገር ግን በሰው ሁሉ መካከል በነገር ሁሉ ተገልጠንላችኋል።
7Diso va aho, raha nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo?
7ወይስ የእግዚአብሔርን ወንጌል ያለ ደመወዝ ስለ ሰበክሁላችሁ፥ እናንተ ከፍ እንድትሉ ራሴን እያዋረድሁ ኃጢአት አድርጌ ይሆንን?
8Namabo ny fiangonana sasany aho ka nandray karama hanompoako anareo.
8እናንተን ለማገልገል ደመወዝ እየተቀበልሁ ሌሎችን አብያተ ክርስቲያናት ዘረፍሁ።
9Fa raha nitoetra teo aminareo aho ka tsy nanana, dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa raha vao tonga avy tany Makedonia ny rahalahy, dia nomeny ahy izay nilaiko; ary tamin'ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.
9ከእናንተም ጋር ሳለሁ በጎደለኝ ጊዜ፥ በማንም አልከበድሁበትም፤ ከመቄዶንያ የመጡት ወንድሞች የጎደለኝን በሙሉ ሰጥተዋልና፤ በነገርም ሁሉ እንዳልከብድባችሁ ተጠነቀቅሁ እጠነቀቅማለሁ።
10Raha ato anatiko koa ny fahamarinan'i Kristy, dia tsy hisy hahafoana izany reharehako izany any amin'ny tany Akaia.
10የክርስቶስ እውነት በእኔ እንዳለ፥ ይህ ትምክህት በእኔ ዘንድ በአካይያ አገር አይከለከልም።
11Nahoana? Satria tsy tiako va ianareo? Andriamanitra no mahalala.
11ስለ ምን? ስለማልወዳችሁ ነውን? እግዚአብሔር ያውቃል።
12Fa izay ataoko no mbola hataoko ihany, mba hampitsaharako ny famelezan'izay mitady hamely, mba ho hita fa tahaka anay ihany izay amin'ny izay ireharehany.
12ነገር ግን በዚያ በሚመኩበት እንደ እኛ ሆነው ሊገኙ፥ ምክንያትን ከሚፈልጉቱ ምክንያትን እቆርጥ ዘንድ አሁን የማደርገውን ከዚህ ወዲህ ደግሞ አደርጋለሁ።
13Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy.
13እንደ እነዚህ ያሉ ሰዎች የክርስቶስን ሐዋርያት እንዲመስሉ ራሳቸውን እየለወጡ፥ ውሸተኞች ሐዋርያትና ተንኮለኞች ሠራተኞች ናቸውና።
14Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava.
14ይህም ድንቅ አይደለም፤ ሰይጣን ራሱ የብርሃንን መልአክ እንዲመስል ራሱን ይለውጣልና።
15Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.
15እንግዲህ አገልጋዮቹ ደግሞ የጽድቅን አገልጋዮች እንዲመስሉ ራሳቸውን ቢለውጡ ታላቅ ነገር አይደለም፤ ፍጻሜአቸውም እንደ ሥራቸው ይሆናል።
16Hoy izaho indray: Aza misy manao ahy ho adala; nefa, na dia misy manao izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kelikely koa.
16እንደ ገና እላለሁ። ለማንም ሰው ሞኝ የሆንሁ አይምሰለው፤ ያለዚያ ግን እኔ ደግሞ ጥቂት እመካ ዘንድ እንደ ሞኝ እንኳ ሆኜ ተቀበሉኝ።
17Izao lazaiko izao dia tsy lazaiko araka ny Tompo, fa toa amin'ny fahadalana amin'izao rehareha matoky izao ihany.
17እንደዚህ ታምኜ ስመካ የምናገረው፥ በሞኝነት እንጂ ጌታ እንዳዘዘኝ አልናገርም።
18Satria maro no mirehareha araka ny nofo, dia mba hirehareha koa aho.
18ብዙዎች በዓለማዊ ነገር ስለሚመኩ እኔ ደግሞ እመካለሁ።
19Fa sitrakareo ny handefitra amin'ny adala, satria hendry angaha ianareo.
19ልባሞች ስለምትሆኑ በደስታ ሞኞችን ትታገሣላችሁና፤
20Fa hay! mandefitra ihany ianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy misambotra anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo.
20ማንም ባሪያዎች ቢያደርጋችሁ፥ ማንም ቢበላችሁ፥ ማንም ቢቀማችሁ፥ ማንም ቢኮራባችሁ፥ ማንም ፊታችሁን በጥፊ ቢመታችሁ ትታገሣላችሁና።
21Manala-barà-tena aho ka toa manaiky fa nalemy izahay! Fa amin'izay mahasahy ny olona (miteny toy ny adala aho), dia mba sahy koa aho.
21ደካሞች መስለን እንደ ነበርን በውርደት እላለሁ። ነገር ግን በሞኝነት እላለሁ፤ ማንም በሚደፍርበት እኔ ደግሞ እደፍርበታለሁ።
22Hebreo va izy? Izaho koa. Isiraelita va izy? Izaho koa. Taranak'i Abrahama va izy? Izaho koa.
22ዕብራውያን ናቸውን? እኔ ደግሞ ነኝ። የእስራኤል ወገን ናቸውን? እኔ ደግሞ ነኝ። የአብርሃም ዘር ናቸውን? እኔ ደግሞ ነኝ። የክርስቶስ አገልጋዮች ናቸውን?
23Mpanompon'i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin'ny fisasarana manan-tombo, amin'ny tranomaizina matetika kokoa, amin'ny kapoka be efa izay tsy izy, amin'ny fahafatesana matetika.
23እንደ እብድ ሰው እላለሁ፤ እኔ እበልጣለሁ፤ በድካም አብዝቼ፥ በመገረፍ አብዝቼ፥ በመታሰር አትርፌ፥ በመሞት ብዙ ጊዜ ሆንሁ።
24Indimy aho no nokapohin'ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy.
24አይሁድ አንድ ሲጎድል አርባ ግርፋት አምስት ጊዜ ገረፉኝ።
25Intelo nokapohina tamin'ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin'ny lalina,
25ሦስት ጊዜ በበትር ተመታሁ፤ አንድ ጊዜ በድንጋይ ተወገርሁ፤ መርከቤ ሦስት ጊዜ ተሰበረ፤ ሌሊትና ቀን በባሕር ውስጥ ኖርሁ።
26nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin'ny ony, saiky nahita loza tamin'ny jiolahy, saiky nahita loza tamin'ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin'ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin'ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin'ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin'ny rahalahy sandoka aho,
26ብዙ ጊዜ በመንገድ ሄድሁ፤ በወንዝ ፍርሃት፥ በወንበዴዎች ፍርሃት፥ በወገኔ በኩል ፍርሃት፥ በአሕዛብ በኩል ፍርሃት፥ በከተማ ፍርሃት፥ በምድረ በዳ ፍርሃት፥ በባሕር ፍርሃት፥ በውሸተኞች ወንድሞች በኩል ፍርሃት ነበረብኝ፤
27tamin'ny fisasarana sy ny fikelezan'aina, tamin'ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin'ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin'ny fifadian-kanina matetika, tamin'ny hatsiaka sy ny fitanjahana.
27በድካምና በጥረት ብዙ ጊዜም እንቅልፍ በማጣት፥ በራብና በጥም ብዙ ጊዜም በመጦም፥ በብርድና በራቁትነት ነበርሁ።
28Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan'andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra.[Na: izany rehetra izany]
28የቀረውንም ነገር ሳልቆጥር፥ ዕለት ዕለት የሚከብድብኝ የአብያተ ክርስቲያናት ሁሉ አሳብ ነው።
29Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?
29የሚደክም ማን ነው፥ እኔም አልደክምምን? የሚሰናከል ማን ነው፥ እኔም አልናደድምን?
30Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha.
30ትምክህት የሚያስፈልግ ከሆነ፥ ከድካሜ በሚሆነው ነገር እመካለሁ።
31Andriamanitra, Rain'i Jesosy Tompo, Izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy mandainga aho.
31ለዘላለም የተባረከ የጌታችን የኢየሱስ ክርስቶስ አምላክና አባት እንዳልዋሽ ያውቃል።
32Tany Damaskosy ny governora notendren'i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna Damaskosy mba hisambotra ahy;fa avy teo amin'ny varavarankely eo amin'ny mànda no nampidinana ahy tamin'ny sobiky, ka dia afa-nandositra ny tànany aho.
32በደማስቆ አርስጦስዮስ ከተባለ ንጉሥ በታች የሆነ የሕዝብ ገዥ ሊይዘኝ እየወደደ የደማስቆ ሰዎችን ከተማ ያስጠብቅ ነበር፥
33fa avy teo amin'ny varavarankely eo amin'ny mànda no nampidinana ahy tamin'ny sobiky, ka dia afa-nandositra ny tànany aho.
33በቅጥሩም ባለ መስኮት በቅርጫት አወረዱኝና ከእጁ አመለጥሁ።