1[Ny amin'ny voninahitra momba ny raharaha nanendrena ny Apostoly, sy ny fihoaran'izay noho ny voninahitry ny lalàna] Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo?
1እንደ ገና ራሳችንን ልናመሰግን እንጀምራለንን? ወይስ እንደ ሌሎች የማመስገኛ መልእክት ወደ እናንተ ወይስ ከእናንተ ያስፈልገን ይሆንን?
2Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin'ny olona rehetra;
2ሰዎች ሁሉ የሚያውቁትና የሚያነቡት በልባችን የተጻፈ መልእክታችን እናንተ ናችሁ።
3eny, aseho ho epistilin'i Kristy izay entinay ianareo, tsy nosoratana tamin'ny ranomainty anefa, fa tamin'ny Fanahin'Andriamanitra velona, tsy teo amin'izay tena vato fisaka, fa teo amin'izay vato fisaka nofo, dia ny fo.[Na: soratanay; Gr. anompoanay]
3እናንተም በሕያው እግዚአብሔር መንፈስ እንጂ በቀለም አይደለም፥ ሥጋ በሆነ በልብ ጽላት እንጂ በድንጋይ ጽላት ያልተጻፈ፥ በእኛም የተገለገለ የክርስቶስ መልእክት እንደ ሆናችሁ የተገለጠ ነው።
4Ary manana izany fahatokiana izany ny amin'Andriamanitra izahay amin'ny alalan'i Kristy.
4በክርስቶስም በኩል ወደ እግዚአብሔር እንዲህ ያለ እምነት አለን።
5Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin'inona na amin'inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin'Andriamanitra,
5ብቃታችን ከእግዚአብሔር ነው እንጂ፥ በገዛ እጃችን እንደሚሆን አንዳችን እንኳ ልናስብ ራሳችን የበቃን አይደለንም፤
6Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin'izay fanekena vaovao, nefa tsy amin'ny soratra, fa amin'ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona.
6እርሱም ደግሞ በመንፈስ እንጂ በፊደል ለማይሆን ለአዲስ ኪዳን አገልጋዮች እንሆን ዘንድ አበቃን፤ ፊደል ይገድላልና መንፈስ ግን ሕይወትን ይሰጣል።
7Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, izay voasoratra teo amin'ny vato, no nisy voninahitra, ka ny Zanak'Isiraely tsy nahabanjina ny tavan'i Mosesy noho ny voninahitry ny tavany izay nihalevona,
7ዳሩ ግን የእስራኤል ልጆች ስለዚያ ስለ ተሻረው ስለ ፊቱ ክብር የሙሴን ፊት ትኩር ብለው መመልከት እስኪሳናቸው ድረስ፥ ያ በፊደላት በድንጋዮች ላይ የተቀረጸ የሞት አገልግሎት በክብር ከሆነ፥
8tsy mainka hisy voninahitra ny fanompoana omban'ny Fanahy?
8የመንፈስ አገልግሎት እንዴት ይልቅ በክብር አይሆንም?
9Fa raha nisy voninahitra ny fanompoana nitondra ny fanamelohana, mainka hanan-tombom-boninahitra ny fanompoana mitondra ny fahamarinana.
9የኵነኔ አገልግሎት ክብር ከሆነ፥ ይልቅ የጽድቅ አገልግሎት በክብር አብዝቶ ይበልጣልና።
10Ary izay nisy voninahitra aza dia tsy manana voninahitra kosa amin'izao noho ny voninahitra izay manan-tombo.
10ያ የከበረ እንኳ እጅግ በሚበልጠው ክብር ምክንያት በዚህ ነገር ክብሩን አጥቶአልና።
11Fa raha ny nilevona aza nisy voninahitra, mainka fa ny mitoetra no misy voninahitra.
11ያ ይሻር የነበረው በክብር ከሆነ፥ ጸንቶ የሚኖረውማ እጅግ ይልቅ በክብር ሆኖአልና።
12Koa amin'izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa,
12እንግዲህ እንዲህ ያለ ተስፋ ካለን እጅግ ገልጠን እንናገራለን፥
13ary tsy tahaka an'i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin'ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan'ny Zanak'Isiraely ny faran'izay nihalevona;
13የዚያንም ይሻር የነበረውን መጨረሻ ትኵር ብለው የእስራኤል ልጆች እንዳይመለከቱ፥ በፊቱ መጋረጃ እንዳደረገ እንደ ሙሴ አይደለንም።
14fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin'ny fanekena taloha, satria ao amin'i Kristy ihany no anesorana izany.
14ነገር ግን አሳባቸው ደነዘዘ። ብሉይ ኪዳን ሲነበብ ያ መጋረጃ ሳይወሰድ እስከ ዛሬ ድረስ ይኖራልና፤ በክርስቶስ ብቻ የተሻረ ነውና።
15Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin'i Mosesy.
15ነገር ግን እስከ ዛሬ ድረስ የሙሴ መጻሕፍት በተነበቡ ጊዜ ሁሉ ያ መጋረጃ በልባቸው ይኖራል፤
16Kanefa raha miverina amin'ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana.
16ወደ ጌታ ግን ዘወር ባለ ጊዜ ሁሉ መጋረጃው ይወሰዳል።
17Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana.Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.[Na: Dia tahaka ny fitaratra tarafin'ny voninahitry ny Tompo]
17ጌታ ግን መንፈስ ነው፤ የጌታም መንፈስ ባለበት በዚያ አርነት አለ።
18Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.[Na: Dia tahaka ny fitaratra tarafin'ny voninahitry ny Tompo]
18እኛም ሁላችን በመጋረጃ በማይከደን ፊት የጌታን ክብር እንደ መስተዋት እያብለጨለጭን መንፈስ ከሚሆን ጌታ እንደሚደረግ ያን መልክ እንመስል ዘንድ ከክብር ወደ ክብር እንለወጣለን።