1[Ny amin'ny famorian-bola ho an'ny Kristiana malahelo tany Jodia] Ary ampahafantarinay anareo, ry rahalahy, ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena tao amin'ny fiangonana any Makedonia;
1ወንድሞች ሆይ፥ ለመቄዶንያ አብያተ ክርስቲያናት የተሰጠውን የእግዚአብሔርን ጸጋ እናስታውቃችኋለን፤
2fa tamin'ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan'ny hafaliany, ary ny hamafin'ny fahantrany no nampitombo ny hitsim-pony. [ Gr.halalin'] [ Na: fahafoizany]
2በብዙ መከራ ተፈትነው ሳሉ የደስታቸው ብዛትና የድህነታቸው ጥልቅነት የልግስናቸውን ባለ ጠግነት አብዝቶአል፤
3Koa vavolombelona aho fa araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany aza, sady araka ny sitrapony ihany, no nanomezany,
3እንደ ዓቅማቸው መጠን ከዓቅማቸውም የሚያልፍ እንኳ ወደው እንደ ሰጡ እመሰክርላቸዋለሁና።
4sady nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay hikambana amin'izany fanompoana ho an'ny olona masina izany;
4ለቅዱሳን በሆነው አገልግሎት እንዲተባበሩ ይህን ቸርነት በብዙ ልመና ከእኛ ይለምኑ ነበር፥
5ary tsy araka ny nantenainay, fa ny tenany no natolony ho an'ny Tompo aloha, dia ho anay koa noho ny sitrapon'Andriamanitra;
5አስቀድመውም በእግዚአብሔር ፈቃድ ራሳቸውን ለጌታ ለእኛም ሰጡ እንጂ እንዳሰብን አይደለም።
6ka dia nangataka an'i Titosy izahay mba hahatanteraka izany fahasoavana izany eo aminareo koa, araka ny efa nanombohany azy teo aloha.
6ስለዚህም ቲቶ አስቀድሞ እንደ ጀመረ እንዲሁ ደግሞ ይህን ቸር ሥራ ደግሞ በእናንተ ዘንድ ሊፈጽም ለመንን።
7Fa araka ny itomboanareo amin'ny zavatra rehetra, na amin'ny finoana, na amin'ny teny, na amin'ny fahalalana, na amin'ny fahazotoana rehetra, na amin'ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin'izao fahasoavana izao.
7ነገር ግን በነገር ሁሉ፥ በእምነትና በቃል በእውቀትም በትጋትም ሁሉ ለእኛም በፍቅራችሁ እንደ ተረፋችሁ፥ በዚህ ቸር ሥራ ደግሞ ትረፉ።
8Tsy milaza izany ho didy aho, fa noho ny zotom-pon'ny sasany, mba hizaha toetra ny hamarinan'ny fitiavanareo koa.
8ትእዛዝ እንደምሰጥ አልልም፥ ነገር ግን በሌሎች ትጋት በኩል የፍቅራችሁን እውነተኛነት ደግሞ ልመረምር እላለሁ፤
9Fa fantatrareo ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony.
9የጌታችንን የኢየሱስ ክርስቶስን ቸር ስጦታ አውቃችኋልና፤ ሀብታም ሲሆን፥ እናንተ በእርሱ ድህነት ባለ ጠጎች ትሆኑ ዘንድ ስለ እናንተ ድሀ ሆነ።
10Ary dia ambarako izay hevitro ny amin'izany, fa mahatsara anareo izany, satria tsy ny fanaovana ihany, fa ny fikasana koa aza dia efa natombokareo teo alohan'ny sasany hatry ny taon-itsy.
10በዚህም ነገር ምክር እሰጣለሁ፤ ከአምና ጀምራችሁ ለማድረግ ብቻ ያይደለ ነገር ግን ለማሰብ ደግሞ አስቀድማችሁ የጀመራችሁት ይህ ይጠቅማችኋልና፤
11Ataovy tanteraka ary izany, ka tahaka ny nahazotoanareo fony nikasa, dia aoka ho tahaka izany koa ny hahatanterahanareo azy araka izay ananareo.
11አሁንም ለማሰብ በጎ ፈቃድ እንደ ነበረ፥ እንዲሁ እንዳላችሁ መጠን መፈጸም ደግሞ ይሆን ዘንድ፥ ማድረጉን ደግሞ ፈጽሙ።
12Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.
12በጎ ፈቃድ ቢኖር፥ እንዳለው መጠን የተወደደ ይሆናል እንጂ እንደሌለው መጠን አይደለም።
13Kanefa tsy ny hahatonga fitsaharana amin'ny sasany ary fahoriana aminareo no anaovako izany,
13ለሌሎች ዕረፍት ለእናንተም መከራ እንዲሆን አይደለም፥ ትክክል እንዲሆን ነው እንጂ፤
14fa ny mba hisy fitoviana, ka amin'izao ankehitriny izao ny haben'ny harenareo no hahafaka ny alahelon'ireo, ary ny haben'ny haren'ireo kosa no hahafaka ny alahelonareo, mba hisy fitoviana,
14የእነርሱ ትርፍ ደግሞ የእናንተን ጉድለት እንዲሞላ በአሁኑ ጊዜ የእናንተ ትርፍ የእነርሱን ጉድለት ይሙላ፤ በትክክል እንዲሆን፥ እንዲህ ተብሎ እንደ ተጻፈ።
15araka ny voasoratra hoe: Ny nanangona be tsy nanana amby, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy (Eks. 16. 18).
15ብዙ ያከማቸ አላተረፈም፥ ጥቂትም ያከማቸ አላጎደለም።
16Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome fahazotoana ho ao am-pon'i Titosy ho anareo mitovy amin'ny ahy.
16ነገር ግን በቲቶ ልብ ስለ እናንተ ያንን ትጋት የሰጠ አምላክ ይመስገን፤
17Fa nanaiky ny fangatahanay ihany izy, nefa nazoto rahateo, ka sitrapony ihany no nandehanany nankany aminareo.
17ምክራችንን ተቀብሎአልና፥ ትጋት ግን ስለ በዛበት ወዶ ወደ እናንተ ይወጣል።
18Ary ilay rahalahy izay nalaza amin'ny filazantsara any amin'ny fiangonana rehetra no nirahinay hiaraka aminy;
18ከእርሱም ጋር ስለ ወንጌል ስብከት በአብያተ ክርስቲያናት ሁሉ የተመሰገነውን ወንድም እንልካለን፤
19ary tsy izany ihany, fa efa notendren'ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon'ny fahazotoanay. [ Na: Nofidina tamin'ny fananganan-tanana] [ ataonay amin'ny fanompoanay]
19ይህም ብቻ አይደለም ነገር ግን የጌታን የራሱን ክብርና የእኛን በጎ ፈቃድ ለማሳየት በምናገለግለው በዚህ ቸር ሥራ ከእኛ ጋር እንዲጓደድ በአብያተ ክርስቲያናት ደግሞ ተመረጠ።
20Ary mitandrina izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin'izao harena be angoninay izao;
20ስለምናገለግለው ስለዚህ ለጋስ ስጦታ ማንም እንዳይነቅፈን እንጠነቀቃለን፤
21fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason'ny Tompo ihany, fa eny imason'ny olona koa.
21በጌታ ፊት ብቻ ያይደለ ነገር ግን በሰው ፊት ደግሞ መልካም የሆነውን እናስባለንና።
22Ary nirahinay niaraka tamin'ireo ilay rahalahinay izay efa hitanay mazoto matetika amin'ny zavatra maro; fa ankehitriny mazoto kokoa izy noho ny haben'ny fahatokiany anareo.
22ብዙ ጊዜም በብዙ ነገር መርምረን ትጉ እንደ ሆነ ያገኘነውን፥ አሁንም በእናንተ እጅግ ስለሚታመን ከፊት ይልቅ እጅግ ትጉ የሚሆነውን ወንድማችንን ከእነርሱ ጋር እንልካለን።
23Raha ny amin'i Titosy, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahinay, dia iraky ny fiangonana izy sady voninahitr'i Kristy.[Gr.apostoly]Koa amin'izany asehoy aminy eo imason'ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.
23ስለ ቲቶ የሚጠይቅ ቢኖር ስለ እናንተ አብሮኝ የሚሠራ ባልንጀራዬ ነው፤ ስለ ወንድሞቻችን የሚጠይቅ ቢኖርም የአብያተ ክርስቲያናት መልእክተኞችና የክርስቶስ ክብር ናቸው።
24Koa amin'izany asehoy aminy eo imason'ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.
24እንግዲህ የፍቅራችሁንና ስለ እናንተ ያለውን የትምክህታችንን መግለጫ በአብያተ ክርስቲያናት ፊት ለእነርሱ ግለጡ።