1Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handehanan'ny tenin'ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo,
1በቀረውስ፥ ወንድሞች ሆይ፥ የጌታ ቃል እንዲሮጥ በእናንተም ዘንድ ደግሞ እንደሚሆን እንዲከበር፥ እምነትም ለሁሉ ስለማይሆን ከዓመፀኞችና ከክፉዎች ሰዎች እንድንድን ስለ እኛ ጸልዩ።
2ary mba hovonjena ho afaka amin'ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.
3ነገር ግን የሚያጸናችሁ ከክፉውም የሚጠብቃችሁ ጌታ የታመነ ነው።
3Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon'ny ratsy. [ Na: Ilay]
4የምናዛችሁንም አሁን እንድታደርጉ ወደ ፊትም ደግሞ እንድታደርጉ ስለ እናንተ በጌታ ታምነናል።
4Fa izahay matoky anareo ao amin'ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa.
5ጌታም ወደ እግዚአብሔር ፍቅር ወደ ክርስቶስም ትዕግሥት ልባችንን ያቅናው።
5Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ho amin'ny faharetan'i Kristy.
6ወንድሞች ሆይ፥ ከእኛ እንደ ተቀበለው ወግ ሳይሆን ያለ ሥርዓት ከሚሄድ ወንድም ሁሉ ትለዩ ዘንድ በጌታችን በኢየሱስ ክርስቶስ ስም እናዛችኋለን።
6Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin'ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.
7እኛን ልትመስሉ እንዴት እንደሚገባችሁ ራሳችሁ ታውቃላችሁና፤ በእናንተ ዘንድ ያለ ሥርዓት አልሄድንምና፤
7Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay,
8ከእናንተ ዘንድ በአንዱ ስንኳ እንዳንከብድበት፥ ሌሊትና ቀን በድካምና በጥረት እየሠራን እንኖር ነበር እንጂ፥ ከማንም እንጀራን እንዲያው አልበላንም።
8ary tsy nihinana foana izay hanin'olona, fa niasa andro aman'alina tamin'ny fikelezan'aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza;
9ይህም እኛን ልትመስሉ ራሳችንን እንደ ምሳሌ እንሰጣችሁ ዘንድ ነበር እንጂ፥ ያለ ሥልጣን ስለ ሆንን አይደለም።
9tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay.
10ደግሞ ከእናንተ ጋር ሳለን። ሊሠራ የማይወድ አይብላ ብለን አዘናችሁ ነበርና።
10Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.
11ሥራ ከቶ ሳይሠሩ፥ በሰው ነገር እየገቡ፥ ያለ ሥርዓት ከእናንተ ዘንድ ስለሚሄዱ ስለ አንዳንዶች ሰምተናልና።
11Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an'olona.
12እንደነዚህ ያሉትንም በጸጥታ እየሠሩ የገዛ እንጀራቸውን ይበሉ ዘንድ በጌታችን በኢየሱስ ክርስቶስ እናዛቸዋለን እንመክራቸውማለን።
12Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin'i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara amin'ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany.
13እናንተ ግን፥ ወንድሞች ሆይ፥ መልካም ሥራን ለመሥራት አትታክቱ።
13Fa ianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa.
14በዚህ መልእክት ለተላከ ቃላችን የማይታዘዝ ማንም ቢኖር፥ ይህን ተመልከቱት፥ ያፍርም ዘንድ ከእርሱ ጋር አትተባበሩ።
14Ary raha misy olona tsy manaiky ny teninay amin'ity epistily ity, mariho izany olona izany, ka aza mikambana aminy, mba hahamenatra azy.
15ነገር ግን እንደ ወንድም ገሥጹት እንጂ እንደ ጠላት አትቍጠሩት።
15Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy.
16የሰላምም ጌታ ራሱ በሁሉ መንገድ ዘወትር ሰላምን ይስጣችሁ። ጌታ ከሁላችሁ ጋር ይሁን።
16Ary ny Tompon'ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin'ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo.
17በገዛ እጄ የተጻፈ የእኔ የጳውሎስ ሰላምታ ይህ ነው፤ የመልእክቴ ሁሉ ማስረጃ ይህ ነው፤ እንዲህ እጽፋለሁ።
17Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly; izao no famantarana eo amin'ny epistily rehetra; izao no soratro.Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
18የጌታችን የኢየሱስ ክርስቶስ ጸጋ ከሁላችሁ ጋር ይሁን።
18Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.