Malagasy

Amharic: New Testament

2 Timothy

4

1Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy:
1በእግዚአብሔር ፊት በሕያዋንና በሙታንም ሊፈርድ ባለው በጌታ በኢየሱስ ክርስቶስ ፊት፥ በመገለጡና በመንግሥቱም እመክርሃለሁ፤
2mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
2ቃሉን ስበክ፥ በጊዜውም አለጊዜውም ጽና፥ ፈጽመህ እየታገሥህና እያስተማርህ፥ ዝለፍና ገሥጽ ምከርም።
3Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [ Gr. salama]
3ሕይወት የሚገኝበትን ትምህርት የማይታገሡበት ዘመን ይመጣልና፤ ነገር ግን ጆሮቻቸውን የሚያሳክክ ስለ ሆነ፥ እንደ ገዛ ምኞታቸው ለራሳቸው አስተማሪዎችን ያከማቻሉ።
4ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano.
4እውነትንም ከመስማት ጆሮቻቸውን ይመልሳሉ፥ ወደ ተረትም ፈቀቅ ይላሉ።
5Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
5አንተ ግን ነገርን ሁሉ በልክ አድርግ፥ መከራን ተቀበል፥ የወንጌል ሰባኪነትን ሥራ አድርግ፥ አገልግሎትህን ፈጽም።
6Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. [ Gr. haidina ho fanatitra aidina]
6በመሥዋዕት እንደሚደረግ፥ የእኔ ሕይወት ይሠዋልና፥ የምሄድበትም ጊዜ ደርሶአል።
7Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;
7መልካሙን ገድል ተጋድዬአለሁ፥ ሩጫውን ጨርሼአለሁ፥ ሃይማኖትን ጠብቄአለሁ፤
8hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.
8ወደ ፊት የጽድቅ አክሊል ተዘጋጅቶልኛል፥ ይህንም ጻድቅ ፈራጅ የሆነው ጌታ ያን ቀን ለእኔ ያስረክባል፥ ደግሞም መገለጡን ለሚወዱት ሁሉ እንጂ ለእኔ ብቻ አይደለም።
9[Fanaovam-beloma sy hafatra] Mazotoa hankatỳ amiko faingana ianao;
9በቶሎ ወደ እኔ እንድትመጣ ትጋ፤
10fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia.
10ዴማስ የአሁኑን ዓለም ወዶ ትቶኛልና፥ ወደ ተሰሎንቄም ሄዶአል፤ ቄርቂስም ወደ ገላትያ ቲቶም ወደ ድልማጥያ ሄደዋል፤
11Lioka ihany no ato amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin'ny fanompoana izy.
11ሉቃስ ብቻ ከእኔ ጋር አለ። ማርቆስ ለአገልግሎት ብዙ ይጠቅመኛልና ይዘኸው ከአንተ ጋር አምጣው።
12Tykiko dia nirahiko ho any Efesosy.
12ቲኪቆስን ግን ወደ ኤፌሶን ላክሁት።
13Ilay kapôty navelako tany Troasy tao amin'i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra.
13ስትመጣ በጢሮአዳ ከአክርጳ ዘንድ የተውሁትን በርኖሱንና መጻሕፍቱን ይልቁንም በብራና የተጻፉትን አምጣልኝ።
14Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany;
14የናስ አንጥረኛው እስክንድሮስ እጅግ ከፋብኝ፤ ጌታ እንደ ሥራው ይመልስለታል።
15tandremonao ihany izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay.
15አንተም ደግሞ ከእርሱ ተጠበቅ፥ የምንናገረውን እጅግ ተቃውሞአልና።
16Tamin'ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany).
16በፊተኛው ሙግቴ አንድ ስንኳ አልደረሰልኝም፥ ሁሉም ተዉኝ እንጂ፤ ይህንም አይቍጠርባቸው፤
17Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin'ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren'ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan'ny liona.
17ዳሩ ግን የስብከቱ ሥራ በእኔ እንዲፈጸም አሕዛብም ሁሉ እንዲሰሙት፥ ጌታ በእኔ አጠገብ ቆሞ አበረታኝ፥ ከአንበሳ አፍም ዳንሁ።
18Ary ny Tompo hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin'ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
18ጌታም ከክፉ ነገር ሁሉ ያድነኛል ለሰማያዊውም መንግሥት ይጠብቀኛል፤ ለእርሱ ከዘላለም እስከ ዘላለም ክብር ይሁን፤ አሜን።
19Manaova veloma amin'i Prisila sy Akoila mbamin'ny ankohonan'i Onesiforosy;
19ለጵርስቅላና ለአቂላ ለሄኔሲፎሩም ቤተ ሰዎች ሰላምታ አቅርብልኝ።
20Erasto nitoetra tany Korinto; fa Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy.
20ኤርስጦስ በቆሮንቶስ ቀረ፥ ጥሮፊሞስን ግን ታሞ በሚሊጢን ተውሁት።
21Mazotoa hankatỳ alohan'ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy Klaodia mbamin'ny rahalahy rehetra.Ho amin'ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
21ከክረምት በፊት እንድትመጣ ትጋ። ኤውግሎስና ጱዴስ ሊኖስም ቅላውዲያም ወንድሞችም ሁሉ ሰላምታ ያቀርቡልሃል።
22Ho amin'ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
22ጌታ ኢየሱስ ክርስቶስ ከመንፈስህ ጋር ይሁን። ጸጋ ከእናንተ ጋር ይሁን፤ አሜን።