1[Ny nankanesan'i Paoly tany Grisia indray, sy ny niverenany tany Asia] Ary rehefa nitsahatra ny tabataba, dia nampaka ny mpianatra Paoly ka nananatra azy sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Makedonia izy.
1ሁከቱም ከቀረ በኋላ ጳውሎስ ደቀ መዛሙርቱን አስመጥቶ መከራቸው፥ ተሰናብቶአቸውም ወደ መቄዶንያ ይሄድ ዘንድ ወጣ።
2Ary rehefa nitety izany tany izany sy nananatra ny olona tamin'ny teny maro izy, dia tonga tany Grisia.
2ያንም አገር እያለፈ በብዙ ቃል ከመከራቸው በኋላ ወደ ግሪክ አገር መጣ።
3Ary nony efa nitoetra telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Syria, ary nisy Jiosy nanotrika azy, dia niova hevitra izy ka lasa niverina namaky an'i Makedonia.
3በዚያም ሦስት ወር ተቀምጦ ወደ ሶርያ በመርከብ ሊሄድ ባሰበ ጊዜ፥ አይሁድ ሴራ ስላደረጉበት በመቄዶንያ አልፎ ይመለስ ዘንድ ቆረጠ።
4Ary niaraka taminy hatrany Asia Sopatera, zanak'i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo avy any Tesalonika, ary Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia.
4የሸኙትም የቤርያው ሱሲጳጥሮስ ከተሰሎንቄ ሰዎችም አርስጥሮኮስና ሲኮንዱስ የደርቤኑም ጋይዮስና ጢሞቴዎስ የእስያ ሰዎችም ቲኪቆስ ጥሮፊሞስም ነበሩ፤
5Ireo dia efa nialoha ka niandry anay tany Troasy.
5እነዚህም ወደ ፊታችን አልፈው በጢሮአዳ ቆዩን።
6Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana.
6እኛ ግን ከቂጣ በዓል ቀን በኋላ ከፊልጵስዩስ በመርከብ ተነሥተን በአምስት ቀን ወደ ጢሮአዳ ወደ እነርሱ ደረስንና በዚያ ሰባት ቀን ተቀመጥን።
7Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy.
7ከሳምንቱም በመጀመሪያ ቀን እንጀራ ለመቁረስ ተሰብስበን ሳለን፥ ጳውሎስ በነገው ሊሄድ ስላሰበ ከእነርሱ ጋር ይነጋገር ነበር፥ እስከ መንፈቀ ሌሊትም ነገሩን አስረዘመ።
8Ary nisy jiro maro teo an-trano ambony izay niangonanay.
8ተሰብስበንም በነበርንበት ሰገነት እጅግ መብራት ነበረ።
9Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin'i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty.
9አውጤኪስ የሚሉትም አንድ ጎበዝ በመስኮት ተቀምጦ ታላቅ እንቅልፍ አንቀላፍቶ ነበር፤ ጳውሎስም ነገርን ባስረዘመ ጊዜ እንቅልፍ ከብዶት ከሦስተኛው ደርብ ወደ ታች ወደቀ፥ ሞቶም አነሡት።
10Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy.
10ጳውሎስም ወርዶ በላዩ ወደቀ፥ አቅፎም። ነፍሱ አለችበትና አትንጫጩ አላቸው።
11Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain'ny andro izy, dia lasa nandeha.
11ወጥቶም እንጀራ ቆርሶም በላ፤ ብዙ ጊዜም እስኪነጋ ድረስ ተነጋገረ እንዲህም ሄደ።
12Ary nitondra ilay zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly.
12ብላቴናውንም ደኅና ሆኖ ወሰዱት እጅግም ተጽናኑ።
13Ary izahay nialoha ho any an-tsambo, dia niondrana nankany Aso, fa eo no handraisana an'i Paoly, satria eo no fotoana nataony, fa nikasa handeha an-tanety izy. [ Na: handeha tongotra]
13እኛ ግን ጳውሎስን ከዚያ እንቀበለው ዘንድ ስላለን ወደ መርከብ ቀድመን ሄድንና ወደ አሶን ተነሣን፤ እርሱ በመሬት ይሄድ ዘንድ ስላሰበ እንደዚህ አዞ ነበርና።
14Ary rehefa nihaona taminay tany Aso izy, dia noraisinay, ary dia lasa nankany Mitylena izahay.
14በአሶንም ባገኘን ጊዜ ተቀብለነው ወደ ሚጢሊኒ መጣን፤
15Ary rehefa niondrana an-tsambo niala teo izahay, dia tonga tandrifin'i Kio nony ampitso; ary nony ampitso indray dia niantsona tao Samo; ka tonga tany Mileto izahay nony ampitson'iny. [ Ampio hoe: (rehefa nitoetra any Trogilio, dia)]
15በማግሥቱም ከዚያ በባሕር ተነሥተን በኪዩ ፊት ለፊት ደረስን፥ በነገውም ወደ ሳሞን ተሻገርን በትሮጊሊዮም አድረን በማግሥቱ ወደ ሚሊጢን መጣን።
16Fa Paoly efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa maika izy, raha azony hatao, hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema.
16ጳውሎስ በእስያ እጅግ እንዳይቀመጥ ኤፌሶንን ይተው ዘንድ ቆርጦ ነበርና ቢቻለውም በዓለ ኀምሳን በኢየሩሳሌም ይውል ዘንድ ይቸኩል ነበርና።
17[Ny anatra nataon'i Paoly tamin'ny loholon'ny fiangonana tao Efesosy] Ary raha tany Mileto Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon'ny fiangonana hankeo aminy. [ Gr. presbytera] [Gr. eklesia]
17ከሚሊጢንም ወደ ኤፌሶን ልኮ የቤተክርስቲያንን ሽማግሌዎች አስጠራቸው፤
18Ary nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin'ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo tamin'izany andro rehetra izany,
18ወደ እርሱም በመጡ ጊዜ እንዲህ አላቸው። ወደ እስያ ከገባሁበት ከመጀመሪያ ቀን ጀምሮ፥ በትሕትና ሁሉና በእንባ ከአይሁድም ሴራ በደረሰብኝ ፈተና ለጌታ እየተገዛሁ ዘመኑን ሁሉ ከእናንተ ጋር እንዴት እንደ ኖርሁ እናንተው ታውቃላችሁ፤
19dia ny nanompoako ny Tompo tamin'ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin'ny fanotrehan'ny Jiosy,
20ወደ እግዚአብሔር ዘንድ ንስሐንና በጌታችን በኢየሱስ ክርስቶስ ማመንን ለአይሁድና ለግሪክ ሰዎች እየመሰከርሁ በጉባኤም በየቤታችሁም አወራሁላችሁና አስተማርኋችሁ እንጂ፥ ከሚጠቅማችሁ ነገር አንዳች ስንኳ አላስቀረሁባችሁም።
20ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason'ny olona ary tao amin'ny isan-trano;
22አሁንም፥ እነሆ፥ እኔ በመንፈስ ታስሬ ወደ ኢየሩሳሌም እሄዳለሁ፥ በዚያም የሚያገኘኝ ምን እንደ ሆነ አላውቅም፤
21ary nambarako tamin'ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy Kristy Tompontsika. [ Gr. Grika]
23ነገር ግን መንፈስ ቅዱስ። እስራትና መከራ ይቆይሃል ብሎ በየከተማው ሁሉ ይመሰክርልኛል።
22Ary ankehitriny, indro, tery am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any, [ mifatotra]
24ነገር ግን ሩጫዬንና ከጌታ ከኢየሱስ የተቀበልሁትን አገልግሎት እርሱም የእግዚአብሔርን ጸጋ ወንጌልን መመስከር እፈጽም ዘንድ ነፍሴን በእኔ ዘንድ እንደማትከብር እንደ ከንቱ ነገር እቆጥራለሁ።
23afa-tsy izay ambaran'ny Fanahy Masina amiko amin'ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy.
25አሁንም፥ እነሆ፥ እኔ የእግዚአብሔርን መንግሥት እየሰበክሁ በመካከላችሁ የዞርሁ ሁላችሁ ከእንግዲህ ወዲህ ፊቴን እንዳትዩ አውቃለሁ።
24Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.
26ስለዚህ እኔ ከሰው ሁሉ ደም ንጹሕ እንደ ሆንሁ ዛሬ በዚች ቀን እመሰክርላችኋለሁ።
25Ary, indro, ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana.
27የእግዚአብሔርን ምክር ሁሉ ነግሬአችኋለሁና፥ ምንም አላስቀረሁባችሁም።
26Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin'ny ranareo rehetra aho.
28በገዛ ደሙ የዋጃትን የእግዚአብሔርን ቤተ ክርስቲያን ትጠብቁአት ዘንድ መንፈስ ቅዱስ እናንተን ጳጳሳት አድርጎ ለሾመባት ለመንጋው ሁሉና ለራሳችሁ ተጠንቀቁ።
27Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr'Andriamanitra.
29ከሄድሁ በኋላ ለመንጋው የማይራሩ ጨካኞች ተኩላዎች እንዲገቡባችሁ፥ ደቀ መዛሙርትንም ወደ ኋላቸው ይስቡ ዘንድ ጠማማ ነገርን የሚናገሩ ሰዎች በመካከላችሁ እንዲነሡ እኔ አውቃለሁ።
28Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan'ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan'Andriamanitra, izay novidiny tamin'ny ràny. [Gr. episkopo] [ Gr. eklesia'] [ Na: [ny fiangonan'ny Tompo]
31ስለዚህ ሦስት ዓመት ሌሊትና ቀን በእንባ እያንዳንዳችሁን ከመገሠጽ እንዳላቋረጥሁ እያሰባችሁ ትጉ።
29Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. [ Gr. lopa]
32አሁንም ለእግዚአብሔርና ያንጻችሁ ዘንድ በቅዱሳንም ሁሉ መካከል ርስትን ይሰጣችሁ ዘንድ ለሚችል ለጸጋው ቃል አደራ ሰጥቻችኋለሁ።
30Ary avy aminareo no hiposahan'ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.
33ከማንም ብር ወይም ወርቅ ወይም ልብስ አልተመኘሁም፤
31Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman'alina tamin'ny ranomaso.
34እነዚህ እጆቼ በሚያስፈልገኝ ነገር ለእኔና ከእኔ ጋር ላሉት እንዳገለገሉ እናንተ ታውቃላችሁ።
32Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny tenin'ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin'izay rehetra nohamasinina.
35እንዲሁ እየደከማችሁ ድውዮችን ልትረዱና እርሱ ራሱ። ከሚቀበል ይልቅ የሚሰጥ ብፁዕ ነው እንዳለ የጌታን የኢየሱስን ቃል ልታስቡ ይገባችሁ ዘንድ በሁሉ አሳየኋችሁ።
33Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban'olona aho.
36ይህንም ብሎ ተንበርክኮ ከሁላቸው ጋር ጸለየ።
34Fa fantatrareo ihany fa ireto tanako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay.
37ሁሉም እጅግ አለቀሱ፥ ጳውሎስንም አንገቱን አቅፈው ይስሙት ነበር፤
35Efa nasehoko anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin'i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.
38ይልቁንም። ከእንግዲህ ወዲህ ፊቴን አታዩም ስላላቸው ነገር እጅግ አዘኑ። እስከ መርከብም ድረስ ሸኙት።
36Ary rehefa niteny izany izy, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin'izy rehetra.
37Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon'i Paoly ka nanoroka azy,sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy. [Ny nahatongavan'i Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony hampihena ny tsi-fitiavan'ny Kristiana tany Palestina azy]
38sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy. [Ny nahatongavan'i Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony hampihena ny tsi-fitiavan'ny Kristiana tany Palestina azy]