Malagasy

Amharic: New Testament

Acts

22

1Ry rahalahy sy ianareo ray henoy ny teny halahatro aminareo ankehitriny hanala tsiny ny tenako.
1እናንተ ወንድሞች አባቶችም፥ አሁን ለእናንተ ነገሬን ስገልጥ ስሙኝ።
2Ary nony ren'ny olona fa teny Hebreo no nitenenany taminy, dia mainka nangina izy; ary hoy Paoly:
2በዕብራይስጥም ቋንቋ ሲናገር በሰሙ ጊዜ ከፊት ይልቅ ዝም አሉ። እርሱም አለ።
3Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin'ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan'ny tongotr'i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin'ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an'Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny.
3እኔ የኪልቅያ በምትሆን በጠርሴስ የተወለድሁ፥ በዚችም ከተማ በገማልያል እግር አጠገብ ያደግሁ፥ የአባቶችንም ሕግ ጠንቅቄ የተማርሁ፥ ዛሬውንም እናንተ ሁሉ እንድትሆኑ ለእግዚአብሔር ቀናተኛ የሆንሁ አይሁዳዊ ሰው ነኝ
4Nanenjika izay nanaiky izany fampianarana izany aho hatramin'ny mahafaty azy aza, dia namatotra azy, na lahy na vavy, ka nanolotra azy hatao an-tranomaizina; [ Gr. lalana]
4ወንዶችንም ሴቶችንም እያሰርሁ ወደ ወኅኒም አሳልፌ እየሰጠሁ ይህን መንገድ እስከ ሞት ድረስ አሳደድሁ።
5ary ny mpisoronabe sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho amin'ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho, mba ho entiko am-patorana hankany Jerosalema koa izay hita teo, mba hampijalina.
5እንዲህም ሊቀ ካህናቱ ደግሞ ሽማግሌዎቹም ሁሉ ይመሰክሩልኛል፤ ከእነርሱ ደግሞ መልእክትን ለወንድሞቻቸው ተቀብዬ፥ በደማስቆ ያሉትን ደግሞ ታስረው እንዲቀጡ ወደ ኢየሩሳሌም ላመጣ ወደዚያ እሄድ ነበር።
6Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an'i Damaskosy, tamin'ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy;
6ስሄድም ወደ ደማስቆ በቀረብሁ ጊዜ፥ ቀትር ሲሆን ድንገት ከሰማይ ታላቅ ብርሃን በዙሪያዬ አንጸባረቀ፤
7dia lavo tamin'ny tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
7በምድርም ላይ ወድቄ። ሳውል ሳውል፥ ስለ ምን ታሳድደኛለህ? የሚለኝን ድምፅ ሰማሁ።
8Ary izaho namaly hoe: Iza moa Hianao, Tompoko? Dia hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy any Nazareta, Izay enjehinao.
8እኔም መልሼ። ጌታ ሆይ፥ አንተ ማን ነህ? አልሁ። እርሱም። አንተ የምታሳድደኝ የናዝሬቱ ኢየሱስ እኔ ነኝ አለኝ።
9Ary izay niaraka tamiko dia nahita ny mazava; nefa tsy mba nahare ny feon'izay niteny tamiko izy.
9ከእኔ ጋር የነበሩትም ብርሃኑን አይተው ፈሩ፥ የሚናገረኝን የእርሱን ድምፅ ግን አልሰሙም።
10Ary hoy izaho: Tompoko, inona no hataoko? Dia hoy ny Tompo tamiko: Mitsangana, ka mandehana ho any Damaskosy; fa any no holazaina aminao izay rehetra voatendry hataonao.
10ጌታ ሆይ፥ ምን ላድርግ? አልሁት። ጌታም። ተነሥተህ ወደ ደማስቆ ሂድና ታደርገው ዘንድ ስለ ታዘዘው ሁሉን በዚያ ይነግሩሃል አለኝ።
11Ary raha tsy nahajery aho noho ny famirapiratan'izany mazava izany, dia notantanan'ireo niaraka tamiko aho, ka dia tonga tany Damaskosy.
11ከዚያ ብርሃንም ክብር የተነሣ ማየት ባይሆንልኝ ከእኔ ጋር የነበሩት ሰዎች እጄን ይዘው እየመሩኝ ወደ ደማስቆ ደረስሁ።
12Ary ny lehilahy anankiray atao hoe Ananiasy, mpivavaka manaraka ny lalàna sady tsara laza teo amin'ny Jiosy rehetra izay nonina teo,
12በዚያም የኖሩት አይሁድ ሁሉ የመሰከሩለት እንደ ሕጉም በጸሎት የተጋ ሐናንያ የሚሉት አንድ ሰው ነበረ።
13dia nanatona ahy ary nitsangana ka nanao tamiko hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary tamin'izany ora izany dia nahiratra aho ka nahita azy.
13እርሱም ወደ እኔ መጥቶ በአጠገቤም ቆሞ። ወንድሜ ሳውል ሆይ፥ እይ አለኝ። እኔም ያን ጊዜውን ወደ እርሱ አየሁ።
14Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany;
14እርሱም አለኝ። የአባቶቻችን አምላክ ፈቃዱን ታውቅ ዘንድና ጻድቁን ታይ ዘንድ ከአፉም ድምፅን ትሰማ ዘንድ አስቀድሞ መርጦሃል
15fa ho vavolombelony amin'ny olona rehetra ianao ny amin'izay efa hitanao sy renao.
15ባየኸውና በሰማኸው በሰው ሁሉ ፊት ምስክር ትሆንለታለህና።
16Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao.
16አሁንስ ለምን ትዘገያለህ? ተነሣና ስሙን እየጠራህ ተጠመቅ ከኃጢአትህም ታጠብ።
17Ary rehefa tonga tany Jerosalema indray aho ka nivavaka teo an-kianjan'ny tempoly, dia azon-tsindrimandry
17ወደ ኢየሩሳሌምም ከተመለሱ በኋላ በመቅደስ ስጸልይ ተመስጦ መጣብኝ፥
18ka nahita Azy milaza amiko hoe: Maladia ianao, ka mivoaha faingana an'i Jerosalema; fa tsy handray ny fanambaranao Ahy izy.
18እርሱም። ፍጠን ከኢየሩሳሌምም ቶሎ ውጣ፥ ስለ እኔ የምትመሰክረውን አይቀበሉህምና ሲለኝ አየሁት።
19Dia hoy izaho: Tompoko, izy ireo mahalala fa ny mino Anao dia nataoko tao an-tranomaizina sady nokapohiko tao amin'ny synagoga rehetra;
19እኔም። ጌታ ሆይ፥ በአንተ የሚያምኑትን በምኵራብ ሁሉ እኔ በወኅኒ አገባና እደበድብ እንደ ነበርሁ እነርሱ ያውቃሉ፤
20ary raha nalatsaka ny ran'i Stefana martioranao, izaho koa dia mba nitsangana teo ka nanaiky sady nitandrina ny fitafian'izay namono azy.
20የሰማዕትህንም የእስጢፋኖስን ደም ባፈሰሱ ጊዜ፥ ራሴ ደግሞ በአጠገባቸው ስቆም ተስማምቼ የገዳዮችን ልብስ እጠብቅ ነበር አልሁ።
21Ary hoy Izy tamiko: Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin'ny jentilisa.
21እርሱም። ሂድ፥ እኔ ወደ አሕዛብ ከዚህ ወደ ሩቅ እልክሃለሁና አለኝ።
22Ary ny olona nihaino azy hatramin'izany teny izany, dia nanandratra ny feony ka nanao hoe: Esory amin'ny tany ilehio, fa tsy tokony hovelomina izy!
22እስከዚህም ቃል ድረስ ይሰሙት ነበር፥ ድምፃቸውንም ከፍ አድርገው። እንደዚህ ያለውን ሰው ከምድር አስወግደው፥ በሕይወት ይኖር ዘንድ አይገባውምና አሉ።
23Ary raha niantso sy niala lamba ary nanipy vovoka ho amin'ny rivotra izy,
23ሲጮኹና ልብሳቸውን ሲወረውሩ ትቢያንም ወደ ላይ ሲበትኑ፥
24dia nasain'ny mpifehy arivo ho entina any anati-rova Paoly, ary nasainy hadinina amin'ny kapoka, mba hahafantarany izay fototry ny nanakoran'ny olona azy toy izany.
24የሻለቃው ወደ ሰፈሩ እንዲያገቡት አዘዘ፥ እንደዚህም የጮኹበትን ምክንያት ያውቅ ዘንድ። እየገረፋችሁ መርምሩት አላቸው።
25Ary raha namatotra azy tamin'ny kofehy hoditra izy, dia hoy Paoly tamin'ny kapiteny izay hitsangana teo: Mety aminareo va ny mikapoka lehilahy Romana izay tsy mbola nohelohina?
25በጠፍርም በገተሩት ጊዜ ጳውሎስ በአጠገቡ የቆመውን የመቶ አለቃ። የሮሜን ሰው ያለ ፍርድ ትገርፉ ዘንድ ተፈቅዶላችኋልን? አለው።
26Ary ny kapiteny, nony nahare, dia lasa nilaza tamin'ny mpifehy arivo ka nanao hoe: Inona izao hataonao izao? fa Romana io lehilahy io.
26የመቶ አለቃውም በሰማ ጊዜ ወደ ሻለቃው ቀርቦ። ይህ ሰው ሮማዊ ነውና ታደርገው ዘንድ ካለህ ተጠበቅ ብሎ ነገረው።
27Dia nankeo aminy ny mpifehy arivo ka nanao taminy hoe: Lazao amiko: Romana va ianao? Dia hoy izy: Eny.
27የሻለቃውም ቀርቦ። አንተ ሮማዊ ነህን? ንገረኝ አለው፤ እርሱም። አዎን አለ።
28Ary ny mpifehy arivo namaly hoe: Vola be no nahazoako izany voninahitra izany. Fa hoy Paoly: Izaho kosa efa nanana izany hatry ny fony vao teraka.
28የሻለቃውም መልሶ። እኔ ይህን ዜግነት በብዙ ገንዘብ አገኘሁት አለ። ጳውሎስም። እኔ ግን በእርስዋ ተወለድሁ አለ።
29Dia nandao azy faingana ireo olona efa hanadina azy; ary ny mpifehy arivo natahotra koa, rehefa nahalala azy fa Romana, satria efa nampamatotra azy izy.[Ny nandaharan'i Paoly teny teo anatrehan'ny Synedriona] Ary nony ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay niampangan'ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany.
29ስለዚህም ሊመረምሩት ያሰቡት ከእርሱ ወዲያው ተለዩ፤ የሻለቃውም ደግሞ ሮማዊ መሆኑን ባወቀ ጊዜ ፈራ፥ አሳስሮት ነበርና።
30[Ny nandaharan'i Paoly teny teo anatrehan'ny Synedriona] Ary nony ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay niampangan'ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany.
30በማግሥቱም አይሁድ የከሰሱት በምን ምክንያት እንደ ሆነ እርግጡን ያውቅ ዘንድ አስቦ ፈታው፥ የካህናት አለቆችና ሸንጎውም ሁሉ ይሰበሰቡ ዘንድ አዘዘ፥ ጳውሎስንም አውርዶ በፊታቸው አቆመው።