1[Ny hevitra nataon'ny Jiosy hahafaty an'i Paoly, sy ny nangatahan'i Paoly hotsarain'i Kaisara] Ary Festosy, nony tonga teo amin'ny zara-fanapahany, dia niala tany Kaisaria hiakatra any Jerosalema, rehefa afaka hateloana.
1ፊስጦስም ወደ አውራጃው ገብቶ ከሦስት ቀን በኋላ ከቂሣርያ ወደ ኢየሩሳሌም ወጣ።
2Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny olona manan-kaja tamin'ny Jiosy nanambara taminy izay niampangany an'i Paoly sady niangavy taminy
2የካህናቱ አለቆችና የአይሁድም ታላላቆች በጳውሎስ ላይ አመለከቱ፥
3ka nangataka azy hohelohina, mba hampanalainy hankany Jerosalema; fa nikasa hanotrika eny amoron-dalana izy hamonoany azy.
3ጳውሎስንም ሲቃወም እንዲያደላላቸው እየለመኑ፥ በመንገድ ሸምቀው ይገድሉት ዘንድ አስበው ወደ ኢየሩሳሌም እንዲያስመጣው ማለዱት።
4Ary Festosy namaly fa Paoly dia ambenana any Kaisaria, sady izy koa efa hankany faingana.
4ፊስጦስ ግን ጳውሎስ በቂሳርያ እንዲጠበቅ እርሱም ራሱ ወደዚያ ፈጥኖ ይሄድ ዘንድ እንዳለው መለሰላቸው፤
5Koa izay manam-pahefana eo aminareo, hoy izy, no aoka hiara-midina amiko ka hiampanga an-dralehilahy, raha manan-keloka izy.
5እንግዲህ በዚህ ሰው ክፋት ቢሆን ከእናንተ ዘንድ ያሉት ባለ ስልጣኖች ከእኔ ጋር ወርደው ይክሰሱት አላቸው።
6Ary rehefa nitoetra teo aminy tsy mihoatra noho ny havaloana na hafoloana izy, dia nidina nankany Kaisaria; ary nony ampitso dia nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ka nasainy halaina Paoly.
6በእነርሱም ዘንድ ከስምንት ወይም ከአስር የማይበልጥ ቀን ተቀምጦ ወደ ቂሳርያ ወረደ፤ በነገውም በፍርድ ወንበር ተቀምጦ ጳውሎስን ያመጡት ዘንድ አዘዘ።
7Ary nony tonga izy, dia nitsangana manodidina azy ny Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema, ka zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohamarinina akory, no niampangany azy;
7በቀረበም ጊዜ ከኢየሩሳሌም የወረዱት አይሁድ ከበውት ቆሙ፥ ይረቱበትም ዘንድ የማይችሉትን ብዙና ከባድ ክስ አነሱበት፤
8fa Paoly nandaha-teny hanala tsiny ny tenany hoe: Tsy nanao ratsy aho, na tamin'ny lalàn'ny Jiosy, na tamin'ny tempoly, na tamin'i Kaisara.
8ጳውሎስም ሲምዋገት። የአይሁድን ህግ ቢሆን መቅደስንም ቢሆን ቄሳርንም ቢሆን አንዳች ስንኳ አልበደልሁም አለ።
9Nefa Festosy ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, dia namaly an'i Paoly ka nanao hoe: Tianao va hiakatra any Jerosalema hotsaraina eo anatrehako any ny amin'izany zavatra izany?
9ፊስጦስ ግን አይሁድን ደስ ያሰኝ ዘንድ ወዶ ጳውሎስን። ወደ ኢየሩሳሌም ወጥተህ ስለዚህ ነገር ከዚያው በፊቴ ትፋረድ ዘንድ ትወዳለህን? ብሎ መለሰለት።
10Fa hoy Paoly: Eto amin'ny fitsaran'i Kaisara, izay tokony hitsarana ahy, no itsanganako. Tsy nanisy ratsy ny Jiosy akory aho, ary na ianao aza dia mahafantatra izany marina.
10ጳውሎስ ግን። እፋረድበት ዘንድ በሚገባኝ በቄሳር ፍርድ ወንበር ፊት ቆሜአለሁ። አንተው ደግሞ ፈጽመህ እንደምታውቅ አይሁድን ምንም አልበደልሁም።
11Koa raha mpanao ratsy aho, na nanao izay tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà tsy ho faty aho; fa raha tsy marina kosa izay zavatra iampangan'ireo ahy, dia tsy misy olona mahazo manolotra ahy ho amin'ny sitrapony. Handahatra eo anatrehan'i Kaisara aho.
11እንግዲህ በድዬ ወይም ሞት የሚገባውን ነገር አድርጌ እንደ ሆነ ከሞት ልዳን አልልም፤ እነዚህ የሚከሱኝ ክስ ከንቱ እንደሆነ ግን ለእነርሱ አሳልፎ ይሰጠኝ ዘንድ ማንም አይችልም፤ ወደ ቄሳር ይግባኝ ብዬአለሁ አለ።
12Ary rehefa niresaka tamin'ny mpanolo-tsaina Festosy, dia namaly hoe: Efa nifidy ny handahatra any anatrehan'i Kaisara ianao, ka dia ho any amin'i Kaisara ihany ianao.
12በዚያን ጊዜ ፊስጦስ ከአማካሪዎቹ ጋር ተማክሮ። ወደ ቄሳር ይግባኝ ብለሃል፤ ወደ ቄሳር ትሄዳለህ ብሎ መለሰለት።
13[Ny nandaharan'i Paoly teny teo anatrehan'i Agripa sy Berenika] Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Kaisaria Agripa mpanjaka sy Berenika hiarahaba an'i Festosy.
13ከጥቂት ቀንም በኋላ ንጉሡ አግሪጳ በርኒቄም ለፊስጦስ ሰላምታ እንዲያቀርቡ ወደ ቂሳርያ ወረዱ።
14Ary rehefa nitoetra teo andro maro izy, dia nambaran'i Festosy tamin'ny mpanjaka ny amin'i Paoly, ka hoy izy: Misy mpifatotra anankiray ato navelan'i Feliksa,
14በዚያውም ብዙ ቀን ስለተቀመጡ ፊስጦስ የጳውሎስን ነገር ለንጉሡ እንዲህ ብሎ ገለጠ። ፊልክስ አስሮ የተወው አንድ ሰው በዚህ አለ፤
15koa tamin'izaho tany Jerosalema ny mpisorona sy ny loholon'ny Jiosy niampanga azy ka nangataka izay hanamelohana azy.
15በኢየሩሳሌምም ሳለሁ የካህናት አለቆችና የአይሁድ ሽማግሌዎች እፈርድበት ዘንድ እየለመኑ ስለ እርሱ አመለከቱኝ።
16Fa namaly azy kosa aho hoe: Tsy fanaon'ny Romana ny manolotra olona, raha tsy mbola mifanatrika ny ampangaina sy ny mpiampanga, ka mahazo mandahatra hanala tsiny ny tenany ny amin'izay niampangan'ireo azy izy.
16እኔም። ተከሳሹ በከሳሾቹ ፊት ለፊት ሳይቆም ለተከሰሰበትም መልስ ይሰጥ ዘንድ ፈንታ ሳያገኝ፥ ማንንም ቢሆን አሳልፎ መስጠት የሮማውያን ሥርዓት አይደለም ብዬ መለስሁላቸው።
17Ary raha tonga tatỳ izy, dia tsy mba nijanonjanona aho, fa nony ampitso dia nipetraka teo amin'ny fitsarana, ka nasaiko nalaina ralehilahy.
17ስለዚህም በዚህ በተሰበሰቡ ጊዜ፥ ሳልዘገይ በማግሥቱ በፍርድ ወንበር ተቀምጬ ያንን ሰው ያመጡት ዘንድ አዘዝሁ።
18Rehefa nitsangana ireo mpiampanga ireo, dia tsy mba niampanga azy araka izay zavatra ratsy nampoiziko izy tsy akory,
18ከሳሾቹም በቆሙ ጊዜ እኔ ያሰብሁትን ክፉ ነገር ክስ ምንም አላመጡበትም፤
19fa nanana ady hevitra taminy ny amin'ny fivavahany sy ny amin'izay Jesosy anankiray efa maty, nefa nolazain'i Paoly ho velona.
19ነገር ግን ስለ ገዛ ሃይማኖታቸውና ጳውሎስ። ሕያው ነው ስለሚለው ስለ ሞተው ኢየሱስ ስለ ተባለው ከእርሱ ጋር ይከራከሩ ነበር።
20Ary satria variana ny hevitro ny amin'ny hitsarana izany zavatra izany, dia nanontany aho na tian-dralehilahy ny hankany Jerosalema hotsaraina any ny amin'izany zavatra izany, na tsia,
20እኔም ይህን ነገር እንዴት እንድመረምር አመንትቼ። ወደ ኢየሩሳሌም ሄደህ በዚህ ነገር ከዚያ ልትፋረድ ትወዳለህን? አልሁት።
21Ary rehefa nangataka hambenana hotsarain'ny mpanjaka Paoly, dia nasaiko nambenana mandra-pandefako azy ho any amin'i Kaisara.
21ጳውሎስ ግን አውግስጦስ ቄሣር እስኪቈርጥ ድረስ እንዲጠበቅ ይግባኝ ባለ ጊዜ፥ ወደ ቄሣር እስክሰደው ድረስ ይጠበቅ ዘንድ አዘዝሁ።
22Dia hoy Agripa tamin'i Festosy: Izaho koa mba ta-handre izay lehilahy izay. Ary hoy izy: Rahampitso ary dia handre azy ihany ianao.
22አግሪጳም ፊስጦስን። ያንንስ ሰው እኔ ዳግም እኮ እሰማው ዘንድ እወድ ነበር አለው። እርሱም። ነገ ትሰማዋለህ አለው።
23Ary nony ampitso, dia tonga Agripa sy Berenika niseho tamin'ny voninahitry ny fiandrianany ka niditra teo amin'ny trano fihaonana niaraka tamin'ny mpifehy arivo sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nentina nankeo Paoly araka ny didin'i Festosy.
23በነገውም አግሪጳና በርኒቄ በብዙ ግርማ መጥተው ከሻለቆችና ከከተማው ታላላቆች ጋር ወደ ፍርድ ቤት ገቡ፤ ፊስጦስም ባዘዘ ጊዜ ጳውሎስን አመጡት።
24Ary hoy Festosy: Ry Agripa mpanjaka sy izay rehetra eto amintsika, hitanareo io lehilahy io, izay notarainan'ny Jiosy rehetra tamiko, na tany Jerosalema na teto koa, ka nataony antso avo hoe: Tsy tokony hovelomina intsony ilehio.
24ፊስጦስም አለ። አግሪጳ ንጉሥ ሆይ እናንተም ከእኛ ጋር ያላችሁ ሰዎች ሁሉ፥ ከእንግዲህ ወዲህ በሕይወት ይኖር ዘንድ እንዳይገባው እየጮኹ የአይሁድ ሕዝብ ሁሉ በኢየሩሳሌም በዚህም ስለ እርሱ የለመኑኝን ይህን ሰው ታዩታላችሁ።
25Nefa nony hitako fa tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty azy, saingy izy ihany no ta-handahatra amin'ny mpanjaka, dia nanaiky hampanatitra azy aho.
25እኔ ግን ሞት የሚገባውን ነገር እንዳላደረገ አስተዋልሁ፥ እርሱም ወደ አውግስጦስ ይግባኝ ስላለ እሰደው ዘንድ ቈረጥሁ።
26Ny amin'io lehilahy io tsy hitako izay teny marina hosoratako amin'ny tompoko, koa dia nentiko eto anatrehanareo izy, indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa mpanjaka, mba hadinina izy, ka dia ho hitako izay hosoratako.Fa ataoko fa tsy mety ny mampanatitra mpifatotra, nefa tsy milaza izay zavatra iampangana azy.
26ስለ እርሱም ወደ ጌታዬ የምጽፈው እርግጥ ነገር የለኝም፤ ስለዚህ ከተመረመረ በኋላ የምጽፈውን ነገር አገኝ ዘንድ በፊታችሁ ይልቁንም በፊትህ፥ ንጉሥ አግሪጳ ሆይ፥ አመጣሁት፤
27Fa ataoko fa tsy mety ny mampanatitra mpifatotra, nefa tsy milaza izay zavatra iampangana azy.
27እስረኛ ሲላክ የተከሰሰበትን ምክንያት ደግሞ አለማመልከት ሞኝነት መስሎኛልና።