Malagasy

Amharic: New Testament

Colossians

2

1[Fananaran'i Paoly ny Kolosiana mba haharitra tsara tsy ho voafitaky ny mpampianatra sandoka] Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin'ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia mbamin'izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin'ny nofo,
1ስለ እናንተና በሎዶቅያ ስላሉት ፊቴንም በሥጋ ስላላዩት ሁሉ እንዴት ያለ ትልቅ መጋደል እንዳለኝ ልታውቁ እወዳለሁና።
2mba hampifalina ny fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny fitiavana sy ho amin'ny haren'ny fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina, ho amin'ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy,
2ልባቸው እንዲጸናና፥ በፍቅርም ተባብረው በማስተዋል ወደሚገኝበት ወደ መረዳት ባለ ጠግነት ሁሉ እንዲደርሱ የእግዚአብሔርንም ምሥጢር እርሱንም ክርስቶስን እንዲያውቁ እጋደላለሁ።
3Izay iafenan'ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.
3የተሰወረ የጥበብና የእውቀት መዝገብ ሁሉ በእርሱ ነውና።
4Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin'ny teny toa marina.
4ማንም በሚያባብል ቃል እንዳያስታችሁ ይህን እላለሁ።
5Fa na dia tsy manatrika anareo amin'ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin'ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan'ny finoanareo an'i Kristy.
5በሥጋ ምንም እንኳ ብርቅ፥ በመንፈስ ከእናንተ ጋር ነኝና፥ ሥርዓታችሁንም በክርስቶስም ያለውን የእምነታችሁን ጽናት እያየሁ ደስ ይለኛል።
6Koa tahaka ny nandraisanareo an'i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa,
6እንግዲህ ጌታን ክርስቶስ ኢየሱስን እንደ ተቀበላችሁት በእርሱ ተመላለሱ።
7ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin'ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin'ny fisaorana. [ Na: (mitombo amin'izany)]
7ሥር ሰዳችሁ በእርሱ ታነጹ፥ እንደ ተማራችሁም በሃይማኖት ጽኑ፥ ምስጋናም ይብዛላችሁ።
8Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i Kristy.
8እንደ ክርስቶስ ትምህርት ሳይሆን፥ እንደ ሰው ወግና እንደ ዓለማዊ እንደ መጀመሪያ ትምህርት ባለ በፍልስፍና በከንቱም መታለል ማንም እንዳይማርካችሁ ተጠበቁ።
9Fa ao amin'ny tenany no itoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra;
9በእርሱ የመለኮት ሙላት ሁሉ በሰውነት ተገልጦ ይኖራልና።
10ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra,
10ለአለቅነትና ለሥልጣንም ሁሉ ራስ በሆነ በእርሱ ሆናችሁ ተሞልታችኋል።
11ary tao aminy koa no namorana anareo tamin'ny famorana tsy nataon-tanana, tamin'ny fanesorana ny tenan'ny nofo, dia tamin'ny famoran'i Kristy;
11የሥጋንም ሰውነት በመገፈፍ፥ በክርስቶስ መገረዝ፥ በእጅ ባልተደረገ መገረዝ በእርሱ ሆናችሁ ደግሞ ተገረዛችሁ።
12fa niara-nilevina taminy ianareo tamin'ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan'Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin'ny maty.
12በጥምቀትም ከእርሱ ጋር ተቀብራችሁ፥ በጥምቀት ደግሞ፥ ከሙታን ባስነሣው በእግዚአብሔር አሠራር በማመናችሁ፥ ከእርሱ ጋር ተነሣችሁ።
13Ary ianareo, izay efa matin'ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan'ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin'i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra;
13እናንተም በበደላችሁና ሥጋችሁን ባለመገረዝ ሙታን በሆናችሁ ጊዜ፥ ከእርሱ ጋር ሕይወትን ሰጣችሁ። በደላችሁን ሁሉ ይቅር አላችሁ።
14ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana,
14በእኛ ላይ የነበረውን የሚቃወመንንም በትእዛዛት የተጻፈውን የዕዳ ጽሕፈት ደመሰሰው። እርሱንም በመስቀል ጠርቆ ከመንገድ አስወግዶታል።
15ary nesoriny tsy ho eo amin'ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon'izay avy nandresy. [ Na: noreseny ka nobaboiny]
15አለቅነትንና ሥልጣናትን ገፎ፥ ድል በመንሣት በእርሱ እያዞራቸው በግልጥ አሳያቸው።
16Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;
16እንግዲህ በመብል ወይም በመጠጥ ወይም ስለ በዓል ወይም ስለ ወር መባቻ ወይም ስለ ሰንበት ማንም አይፍረድባችሁ።
17aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy.
17እነዚህ ሊመጡ ያሉት ነገሮች ጥላ ናቸውና፥ አካሉ ግን የክርስቶስ ነው።
18Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny zavatra efa hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony [ Na: (tsy)]
18ትሕትናንና የመላእክትን አምልኮ እየወደደ፥ ባላየውም ያለ ፈቃድ እየገባ፥ በሥጋዊም አእምሮ በከንቱ እየታበየ ማንም አይፍረድባችሁ።
19ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan'ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin'ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan'Andriamanitra.
19እንደዚህ ያለ ሰው ራስ ወደሚሆነው አይጠጋም፥ ከእርሱም አካል ሁሉ በጅማትና በማሰሪያ ምግብን እየተቀበለ እየተጋጠመም፥ እግዚአብሔር በሚሰጠው ማደግ ያድጋል።
20Ary raha niara-maty tamin'i Kristy ianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe:
20ከዓለማዊ ከመጀመሪያ ትምህርት ርቃችሁ ከክርስቶስ ጋር ከሞታችሁ፥
21Aza mandray, aza manandrana, aza manendry -
22እንደ ሰው ሥርዓትና ትምህርት። አትያዝ፥ አትቅመስ፥ አትንካ ለሚሉት ትእዛዛት በዓለም እንደምትኖሩ ስለ ምን ትገዛላችሁ? እነዚህ ሁሉ በመደረግ ሊጠፉ ተወስነዋልና።
22levona amin'ny fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona?Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.
23ይህ እንደ ገዛ ፈቃድህ በማምለክና በትሕትና ሥጋንም በመጨቆን ጥበብ ያለው ይመስላል፥ ነገር ግን ሥጋ ያለ ልክ እንዳይጠግብ ለመከልከል ምንም አይጠቅምም።
23Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.