1[Fiarahabana nataon'i Paoly, sy fiderany an'Andriamanitra noho ny soa avy amin'ny avotra nataon'i Kristy] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mamangy ny olona masina any Efesosy, izay mahatoky ao amin'i Kristy Jesosy: [ Na: mino an']
1በእግዚአብሔር ፈቃድ የኢየሱስ ክርስቶስ ሐዋርያ የሆነ ጳውሎስ፥ በኤፌሶን ላሉት ቅዱሳን በክርስቶስ ኢየሱስም ላሉት ምእመናን፤
2ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
2ከእግዚአብሔር ከአባታችን ከጌታም ከኢየሱስ ክርስቶስ ጸጋና ሰላም ለእናንተ ይሁን።
3Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
3በክርስቶስ በሰማያዊ ስፍራ በመንፈሳዊ በረከት ሁሉ የባረከን የጌታችን የኢየሱስ ክርስቶስ አምላክና አባት ይባረክ።
4araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,
4ዓለም ሳይፈጠር፥ በፊቱ ቅዱሳንና ነውር የሌለን በፍቅር እንሆን ዘንድ በክርስቶስ መረጠን።
5rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy amin'ny fananganan'anaka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony, [ Na: amin'ny fitiavana, rehefa notendreny rahateo ho Azy isika]
5በበጎ ፈቃዱ እንደ ወደደ፥ በኢየሱስ ክርስቶስ ሥራ ለእርሱ ልጆች ልንሆን አስቀድሞ ወሰነን።
6ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin'ny Malala.
6በውድ ልጁም እንዲያው የሰጠን የጸጋው ክብር ይመሰገን ዘንድ ይህን አደረገ።
7Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany,
7በውድ ልጁም፥ እንደ ጸጋው ባለ ጠግነት መጠን፥ በደሙ የተደረገ ቤዛነታችንን አገኘን እርሱም የበደላችን ስርየት።
8izay nataony be ho antsika tamin'ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,
8ጸጋውንም በጥበብና በአእምሮ ሁሉ አበዛልን።
9rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain'ny tenany,
9በክርስቶስ ለማድረግ እንደ ወደደ እንደ አሳቡ፥ የፈቃዱን ምሥጢር አስታውቆናልና፤
10hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy; [ Na: hanangonany indray]
10በዘመን ፍጻሜ ይደረግ ዘንድ ያለው አሳቡም በሰማይና በምድር ያለውን ሁሉ በክርስቶስ ለመጠቅለል ነው።
11ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony, [ Na: no nandraisantsika ny lova]
11እንደ ፈቃዱ ምክር ሁሉን የሚሠራ እንደ እርሱ አሳብ፥ አስቀድመን የተወሰንን በክርስቶስ ደግሞ ርስትን ተቀበልን።
12mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo.
12ይኸውም፥ በክርስቶስ አስቀድመን ተስፋ ያደረግን እኛ ለክብሩ ምስጋና እንሆን ዘንድ ነው።
13Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana.
13እናንተም ደግሞ የእውነትን ቃል፥ ይኸውም የመዳናችሁን ወንጌል፥ ሰምታችሁ ደግሞም በክርስቶስ አምናችሁ፥ በተስፋው መንፈስ በመንፈስ ቅዱስ ታተማችሁ፤
14Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.
14እርሱም የርስታችን መያዣ ነው፥ ለእግዚአብሔር ያለውን ሁሉ እስኪዋጅ ድረስ፥ ይህም ለክብሩ ምስጋና ይሆናል።
15[Fivavahana ho an'ny Kristiana tao Efesosy mba handrosoany hahalala ny hatsaran'ny famonjena, sy fampahatsiarovana azy ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra] Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an'i Jesosy Tompo izay hitan'ny olona masina rehetra, [ Na: (ny finoanareo an'i Jesosy Tompo sy ny fitiavanareo)]
15ስለዚህ እኔ ደግሞ በእናንተ ዘንድ ስለሚሆን በጌታ በኢየሱስ ስለ ማመንና ለቅዱሳን ሁሉ ስለሚሆን መውደድ ሰምቼ፥
16dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako,
16ስለ እናንተ እያመሰገንሁ ስጸልይ ስለ እናንተ ማሳሰብን አልተውም፤
17mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara,
17የክብር አባት የጌታችን የኢየሱስ ክርስቶስ አምላክ እርሱን በማወቅ የጥበብንና የመገለጥን መንፈስ እንዲሰጣችሁ እለምናለሁ።
18ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina,
18ይህም የልባችሁ ዓይኖች ሲበሩ የመጥራቱ ተስፋ ምን እንዲሆን በቅዱሳንም ዘንድ ያለው የርስት ክብር ባለ ጠግነት ምን እንዲሆን ለምናምን ከሁሉ የሚበልጥ የኃይሉ ታላቅነት ምን እንዲሆን ታውቁ ዘንድ ነው፤
19ary ny fihoaran'ny halehiben'ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan'ny herin'ny faherezany,
20ክርስቶስንም ከሙታን ሲያስነሣው ከአለቅነትና ከሥልጣንም ከኃይልም ከጌትነትም ሁሉ በላይና በዚህ ዓለም ብቻ ሳይሆን ነገር ግን ሊመጣ ባለው ዓለም ደግሞ ከሚጠራው ስም ሁሉ በላይ በሰማያዊ ስፍራ በቀኙ ሲያስቀምጠው በክርስቶስ ባደረገው ሥራ የብርታቱ ጉልበት ይታያል፤
20izay nataony tao amin'i Kristy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin'ny tànany ankavanana any an-danitra,
22ሁሉንም ከእግሩ በታች አስገዛለት ከሁሉ በላይም ራስ እንዲሆን ለቤተ ክርስቲያን ሰጠው።
21ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny ho avy koa,
23እርስዋም አካሉና ሁሉን በሁሉ የሚሞላ የእርሱ ሙላቱ ናት።
22dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin'ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny fiangonana, [ Gr. eklesia]izay tenany, dia ny fahafenoan'izay mameno izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra.
23izay tenany, dia ny fahafenoan'izay mameno izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra.